Ezekiel 29

Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
第十年十月十二日,耶和华的话临到我说:
Ry zanak'olona, manandrifia an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin'i Egypta rehetra.
「人子啊,你要向埃及王法老预言攻击他和埃及全地,
Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan'i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin'ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an'ny tenako.
说主耶和华如此说:埃及王法老啊,我与你这卧在自己河中的大鱼为敌。你曾说:这河是我的,是我为自己造的。
Ary hasiako farango ny valanoranonao, sady hampiraiketiko amin'ny kiranao ny hazandrano ao amin'ny Neilinao, dia hampiakariko avy eo afovoan'ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra amin'ny Neilinao dia hiraikitra amin'ny kiranao.
我─耶和华必用钩子钩住你的腮颊,又使江河中的鱼贴住你的鳞甲;我必将你和所有贴住你鳞甲的鱼,从江河中拉上来,
Ary hariako any an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin'ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin'ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.
把你并江河中的鱼都抛在旷野;你必倒在田间,不被收殓,不被掩埋。我已将你给地上野兽、空中飞鸟作食物。
dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho an'ny taranak'Isiraely izy.
「埃及一切的居民,因向以色列家成了芦苇的杖,就知道我是耶和华。
(Nony mandray anao amin'ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik'izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan'izy rehetra.)
他们用手持住你,你就断折,伤了他们的肩;他们倚靠你,你就断折,闪了他们的腰。
Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.
所以主耶和华如此说:我必使刀剑临到你,从你中间将人与牲畜剪除。
Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy,
埃及地必荒废凄凉,他们就知道我是耶和华。「因为法老说:『这河是我的,是我所造的』,
Dia, indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin'ny sisin'i Etiopia.
所以我必与你并你的江河为敌,使埃及地,从色弗尼塔直到古实境界,全然荒废凄凉。
Tsy hodiavin-tongotr'olona ny tany, ary ny tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy honenana efa-polo taona izy.
人的脚、兽的蹄都不经过,四十年之久并无人居住。
Ary hataoko tany rava dia rava ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao efa-polo taona ny tanànany; Eny, haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako any amin'ny tany samy hafa.
我必使埃及地在荒凉的国中成为荒凉,使埃及城在荒废的城中变为荒废,共有四十年。我必将埃及人分散在列国,四散在列邦。」
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa afaka efa-polo taona, dia hangoniko avy any amin'ny firenena izay nielezany ny Egyptiana:
主耶和华如此说:「满了四十年,我必招聚分散在各国民中的埃及人。
Ary haveriko avy amin'ny fahababoany izy, ka hampodiko any amin'ny tany Patrosa, tany nihaviany, izy; Ary ho fanjakana ambany Egypta;
我必叫埃及被掳的人回来,使他们归回本地巴忒罗。在那里必成为低微的国,
Eny, ho ambany noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin'ny firenena hafa intsony; Fa hohakeleziko izy ka tsy hampanompo ny firenena intsony.
必为列国中最低微的,也不再自高于列国之上。我必减少他们,以致不再辖制列国。
Dia tsy ho tokin'ny taranak'Isiraely intsony izy ho fampahatsiarovana ny helony amin'ny andehanan'ireo hanaraka azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
埃及必不再作以色列家所倚靠的;以色列家仰望埃及人的时候,便思念罪孽。他们就知道我是主耶和华。」
Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahafito amby roa-polo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
二十七年正月初一日,耶和华的话临到我说:
Ry zanak'olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin'i Nebokadnezara, mpanjakan'1 Babylona, ny miaramilany tamin'ny namelezany an'i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin'ny namelezany azy.
「人子啊,巴比伦王尼布甲尼撒使他的军兵大大效劳,攻打推罗,以致头都光秃,肩都磨破;然而他和他的军兵攻打推罗,并没有从那里得什么酬劳。
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, homeko an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ny tany Egypta, dia halainy ny hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman'ny miaramilany.
所以主耶和华如此说:我必将埃及地赐给巴比伦王尼布甲尼撒;他必掳掠埃及群众,抢其中的财为掳物,夺其中的货为掠物,这就可以作他军兵的酬劳。
Ho valin'ny fanompoana nataony tany Tyro no nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo.
我将埃及地赐给他,酬他所效的劳,因王与军兵是为我勤劳。这是主耶和华说的。
Amin'izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an'ny taranak'Isiraely Aho, ary hampiloahiko vava eo aminy ianao; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
「当那日,我必使以色列家的角发生,又必使你─以西结在他们中间得以开口;他们就知道我是耶和华。」