Ezekiel 27

Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
耶和华的话又临到我说:
Hianao, ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Tyro,
「人子啊,要为推罗作起哀歌,
ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin'ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an'ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
说:你居住海口,是众民的商埠;你的交易通到许多的海岛。主耶和华如此说:推罗啊,你曾说:我是全然美丽的。
Ao amin'ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.
你的境界在海中,造你的使你全然美丽。
Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao.
他们用示尼珥的松树做你的一切板,用黎巴嫩的香柏树做桅杆,
Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima no nataony fipetrahan'ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.
用巴珊的橡树做你的桨,用象牙镶嵌基提海岛的黄杨木为坐板(或译:舱板)。
Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin'ny moron-dranomasin'i Elisa no eloelonao.
你的篷帆是用埃及绣花细麻布做的,可以做你的大旗;你的凉棚是用以利沙岛的蓝色、紫色布做的。
Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao.
西顿和亚发的居民作你荡桨的。推罗啊,你中间的智慧人作掌舵的。
Ny zokiolon'i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin'ny ranomasina mbamin'ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao.
迦巴勒的老者和聪明人都在你中间作补缝的;一切泛海的船只和水手都在你中间经营交易的事。
Ny avy any Persia sy ny Lydiana ary ny Libyana dia isan'ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.
「波斯人、路德人、弗人在你军营中作战士;他们在你中间悬挂盾牌和头盔,彰显你的尊荣。
Ny terak'i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin'ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin'ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin'ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.
亚发人和你的军队都在你四围的墙上,你的望楼也有勇士;他们悬挂盾牌,成全你的美丽。
Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben'ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao.
「他施人因你多有各类的财物,就作你的客商,拿银、铁、锡、铅兑换你的货物。
Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.
雅完人、土巴人、米设人都与你交易;他们用人口和铜器兑换你的货物。
Ny terak'i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.
陀迦玛族用马和战马并骡子兑换你的货物。
Ny terak'i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin'ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao.
底但人与你交易,许多海岛作你的码头;他们拿象牙、乌木与你兑换(或译:进贡)。
Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao.
亚兰人因你的工作很多,就作你的客商;他们用绿宝石、紫色布绣货、细麻布、珊瑚、红宝石兑换你的货物。
Joda sy ny tanin'ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.
犹大和以色列地的人都与你交易;他们用米匿的麦子、饼、蜜、油、乳香兑换你的货物。
Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny taozavatrao, dia ny haben'ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon'ondry fotsy izy.
大马士革人因你的工作很多,又因你多有各类的财物,就拿黑本酒和白羊毛与你交易。
Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao.
威但人和雅完人拿纺成的线、亮铁、桂皮、菖蒲兑换你的货物。
Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.
底但人用高贵的毯子、鞍、屉与你交易。
Arabia sy ireo andriandahin'i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak'ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.
阿拉伯人和基达的一切首领都作你的客商,用羊羔、公绵羊、公山羊与你交易。
Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.
示巴和拉玛的商人与你交易,他们用各类上好的香料、各类的宝石,和黄金兑换你的货物。
Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao.
哈兰人、干尼人、伊甸人、示巴的商人,和亚述人、基抹人与你交易。
Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao.
这些商人以美好的货物包在绣花蓝色包袱内,又有华丽的衣服装在香柏木的箱子里,用绳捆著与你交易。
Ny sambon'i Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin'ny ranomasina.
他施的船只接连成帮为你运货,你便在海中丰富极其荣华。
Nentin'ny mpivoinao teny amin'ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin'ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana.
荡桨的已经把你荡到大水之处,东风在海中将你打破。
Ny harenao sy ny vidin'entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin'ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin'ny ranomasina tamin'ny andro nandravana anao.
你的资财、物件、货物、水手、掌舵的、补缝的、经营交易的,并你中间的战士和人民,在你破坏的日子必都沉在海中。
Noho ny fidradradradran'ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.
你掌舵的呼号之声一发,郊野都必震动。
Ary samy midina miala amin'ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanòna eny an-tanety;
凡荡桨的和水手,并一切泛海掌舵的,都必下船登岸。
Ary manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy sady manopy vovoka hiraraka amin'ny lohany ary mihosinkosin-davenona;
他们必为你放声痛哭,把尘土撒在头上,在灰中打滚;
Ary mibory loha avokoa izy noho ny aminao sy misikina lamba fisaonana ary mitomany anao amin'ny fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy.
又为你使头上光秃,用麻布束腰,号咷痛哭,苦苦悲哀。
Ary raha midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an'i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan'ny ranomasina ?
他们哀号的时候,为你作起哀歌哀哭,说:有何城如推罗﹖有何城如他在海中成为寂寞的呢﹖
Raha nivoaka avy amin'ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin'ny haben'ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan'ny tany ianao.
你由海上运出货物,就使许多国民充足;你以许多资财、货物使地上的君王丰富。
Tamin'ny andro nandravan'ny ranomasina anao ho any amin'ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny varotrao sy ny olona tafangona tao aminao.
你在深水中被海浪打破的时候,你的货物和你中间的一切人民,就都沉下去了。
Talanjona anao ny mponina rehetra amin'ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty.
海岛的居民为你惊奇;他们的君王都甚恐慌,面带愁容。
Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay
各国民中的客商都向你发嘶声;你令人惊恐,不再存留于世,直到永远。」