Ezekiel 23

Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
耶和华的话又临到我说:
Ry zanak'olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;
「人子啊,有两个女子,是一母所生,
ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon'ny fahavirijinany.
她们在埃及行邪淫,在幼年时行邪淫。她们在那里作处女的时候,有人拥抱她们的怀,抚摸她们的乳。
Ny anaran'ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin'ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.
她们的名字,姊姊名叫阿荷拉,妹妹名叫阿荷利巴。她们都归于我,生了儿女。论到她们的名字,阿荷拉就是撒马利亚,阿荷利巴就是耶路撒冷。
Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin'ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,
「阿荷拉归我之后行邪淫,贪恋所爱的人,就是她的邻邦亚述人。
izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikàna izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.
这些人都穿蓝衣,作省长、副省长,都骑著马,是可爱的少年人。
Nijangajanga tamin'ireny izy, dia tamin'izay tsara indrindra tamin'ny zanakalahin'i Asyria sy tamin'izay rehetra nahamaimay azy; tamin'ny sampiny rehetra no nandotoany tena.
阿荷拉就与亚述人中最美的男子放纵淫行,她因所恋爱之人的一切偶像,玷污自己。
Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian'ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran'ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
自从在埃及的时候,她就没有离开淫乱,因为她年幼作处女的时候,埃及人与她行淫,抚摸她的乳,纵欲与她行淫。
Ary noho izany dia natolotro ho eo an-tànan'ireo lehilahiny izy, dia eo an-tànan'ny Asyriana izay nahamaimay azy.
因此,我将她交在她所爱的人手中,就是她所恋爱的亚述人手中。
Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan'ireny, ary ny tenany novonoiny tamin'ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin'ny vehivavy izy ary efa niharan'ny fitsarana.
他们就露了她的下体,掳掠她的儿女,用刀杀了她,使她在妇女中留下臭名,因他们向她施行审判。
Ary nony hitan'i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an'ny rahavaviny,
她妹妹阿荷利巴虽然看见了,却还贪恋,比她姊姊更丑;行淫乱比她姊姊更多。
Maimay tamin'ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra.
她贪恋邻邦的亚述人,就是穿极华美的衣服,骑著马的省长、副省长,都是可爱的少年人。
Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan'izy mirahavavy;
我看见她被玷污了,她姊妹二人同行一路。
ary mbola nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo amin'ny rindrina izy sy ny sarin'ny Kaldeana voasoratra tamin'ny loko mena.
阿荷利巴又加增淫行,因她看见人像画在墙上,就是用丹色所画迦勒底人的像,
samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak'andriana, dia tahaka ny zanakalahin'i Babylona, izay teraka tany amin'ny tany Kaldea.
腰间系著带子,头上有下垂的裹头巾,都是军长的形状,仿照巴比伦人的形像;他们的故土就是迦勒底。
Ary raha vao hitan'ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.
阿荷利巴一看见就贪恋他们,打发使者往迦勒底去见他们。
Ary tonga tany aminy ho ao amin'ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin'i Babylona ka nandoto azy tamin'ny fijangajangany; ary nony efa voaloton'ireny izy, dia niombotra niala taminy kosa ny fanahiny.
巴比伦人就来登她爱情的床,与她行淫玷污她。她被玷污,随后心里与他们生疏。
Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan'ny fanahiko niala tamin'ny rahavaviny ihany.
这样,她显露淫行,又显露下体;我心就与她生疏,像先前与她姊姊生疏一样。
Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin'ny tany Egypta.
她还加增她的淫行,追念她幼年在埃及地行邪淫的日子,
Fa izy dia maimay tamin'ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy amin'ny soavaly.
贪恋情人身壮精足,如驴如马。
Nitady ny fijangajangan'ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan'ny Egyptiana ny nononao, satria nonon'ny fahavirijinanao ireo.
这样,你就想起你幼年的淫行。那时,埃及人拥抱你的怀,抚摸你的乳。
Koa izao, ry Oholiba, no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao, izay efa niombotan'ny fanahinao, ka ho entiko avy amin'ny tany manodidina izy mba hamely anao,
阿荷利巴啊,主耶和华如此说:「我必激动你先爱而后生疏的人来攻击你。我必使他们来,在你四围攻击你。
dia ireny zanakalahin'i Babylona mbamin'ny Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy andrian-dahy, ary ny Asyriana rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikàna izy rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak'andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra.
所来的就是巴比伦人、迦勒底的众人、比割人、书亚人、哥亚人,同著他们的还有亚述众人,乃是作省长、副省长、作军长有名声的,都骑著马,是可爱的少年人。
Ary ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin'ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
他们必带兵器、战车、辎重车,率领大众来攻击你。他们要拿大小盾牌,顶盔摆阵,在你四围攻击你。我要将审判的事交给他们,他们必按著自己的条例审判你。
Ary ho entiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin'ny fahatezerana ireny: hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon'ny sabatra, ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin'ny afo.
我必以忌恨攻击你;他们必以忿怒办你。他们必割去你的鼻子和耳朵;你遗留(或译:余剩;下同)的人必倒在刀下。他们必掳去你的儿女;你所遗留的必被火焚烧。
Ary hendahany ny lambanao, sady hesoriny aminao ny firavakao soa.
他们必剥去你的衣服,夺取你华美的宝器。
Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin'ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony Egypta.
这样,我必使你的淫行和你从埃及地染来的淫乱止息了,使你不再仰望亚述,也不再追念埃及。
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan'izay halanao ianao, dia eo an-tanan'izay efa niombotan'ny fanahinao;
主耶和华如此说:我必将你交在你所恨恶的人手中,就是你心与他生疏的人手中。
ary hamely anao amin'ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan'ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
他们必以恨恶办你,夺取你一切劳碌得来的,留下你赤身露体。你淫乱的下体,连你的淫行,带你的淫乱,都被显露。
Havo aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin'ny sampiny.
人必向你行这些事;因为你随从外邦人行邪淫,被他们的偶像玷污了。
Tamin'ny nalehan'ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.
你走了你姊姊所走的路,所以我必将她的杯交在你手中。」
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
主耶和华如此说:你必喝你姊姊所喝的杯;那杯又深又广,盛得甚多,使你被人嗤笑讥刺。
Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny kapoak'i Samaria rahavavinao.
你必酩酊大醉,满有愁苦,喝干你姊姊撒马利亚的杯,就是令人惊骇凄凉的杯。
Hosotroinao sy hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
你必喝这杯,以致喝尽。杯破又龈杯片,撕裂自己的乳;因为这事我曾说过。这是主耶和华说的。
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
主耶和华如此说:「因你忘记我,将我丢在背后,所以你要担当你淫行和淫乱的报应。」
Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak'olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany,
耶和华又对我说:「人子啊,你要审问阿荷拉与阿荷利巴吗﹖当指出她们所行可憎的事。
fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an'ireny mba ho levona.
她们行淫,手中有杀人的血,又与偶像行淫,并使她们为我所生的儿女经火烧给偶像。
Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masina izy tamin'izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.
此外,她们还有向我所行的,就是同日玷污我的圣所,干犯我的安息日。
Ary nony efa novonoiny ho an'ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin'iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin'ny tranoko.
她们杀了儿女献与偶像,当天又入我的圣所,将圣所亵渎了。她们在我殿中所行的乃是如此。
Ary koa, naniraka ho any amin'ny olona avy lavitra ianao; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.
「况且你们二妇打发使者去请远方人。使者到他们那里,他们就来了。你们为他们沐浴己身,粉饰眼目,佩戴妆饰,
ary nipetrahanao tamin'ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.
坐在华美的床上,前面摆设桌案,将我的香料膏油摆在其上。
Ary teo aminy nisy ny feon'ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian'ireo haba teny an-tànan'izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
在那里有群众安逸欢乐的声音,并有粗俗的人和酒徒从旷野同来,把镯子戴在二妇的手上,把华冠戴在她们的头上。
Dia hoy Izaho ny amin'ilay efa tontan'ny fijangajangana ela: Amin'izao dia mbola hisy hijangajanga amin'io ihany va?
「我论这行淫衰老的妇人说:现在人还要与她行淫,她也要与人行淫。
Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona toy ny ankanesany ao amin'ny vehivavy janga, dia toy ny efa nankanesany tao amin'i Ohola sy Oholiba, vehivavy janga.
人与阿荷拉,并阿荷利巴二淫妇茍合,好像与妓女苟合。
Ary olona marina no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-drà, satria mijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany.
必有义人,照审判淫妇和流人血的妇人之例,审判她们;因为她们是淫妇,手中有杀人的血。」
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ho entiko hamely azy ny olona maro, ka natolotro ho mpanjenjena sy ho babo izy.
主耶和华如此说:「我必使多人来攻击她们,使她们抛来抛去,被人抢夺。
Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin'ny sabatra; hovonoiny ny zananilahy sy ny zananivavy, ary hodorany amin'ny afo koa ny tranony.
这些人必用石头打死她们,用刀剑杀害她们,又杀戮她们的儿女,用火焚烧她们的房屋。
Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin'ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo.
这样,我必使淫行从境内止息,好叫一切妇人都受警戒,不效法你们的淫行。
Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
人必照著你们的淫行报应你们;你们要担当拜偶像的罪,就知道我是主耶和华。」