Ezekiel 22

Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
耶和华的话又临到我说:
Ry zanak'olona, moa tsy hitsara va ianao ? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drà va ianao ? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra,
「人子啊,你要审问审问这流人血的城吗﹖当使她知道她一切可憎的事。
ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-drà ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy.
你要说,主耶和华如此说:哎!这城有流人血的事在其中,叫她受报的日期来到,又做偶像玷污自己,陷害自己。
Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin'ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan'ny jentilisa sy ho fanakoran'ny tany rehetra,
你因流了人的血,就为有罪;你做了偶像,就玷污自己,使你受报之日临近,报应之年来到。所以我叫你受列国的凌辱和列邦的讥诮。
ka na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.
你这名臭、多乱的城啊,那些离你近、离你远的都必讥诮你。
Indreo ny lehiben'ny Isiraely efa samy ao aminao araka ny heriny avy mba handatsa-drà.
「看哪,以色列的首领各逞其能,在你中间流人之血。
Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ary ao aminao no anaovana izay sarotra amin'ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.
在你中间有轻慢父母的,有欺压寄居的,有亏负孤儿寡妇的。
Hamavoinao ny zavatra masina. ary lotoinao ny Sabatako.
你藐视了我的圣物,干犯了我的安息日。
Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.
在你中间有谗谤人、流人血的;有在山上吃过祭偶像之物的,有行淫乱的。
Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin'ny fadim-bolana.
在你中间有露继母下体羞辱父亲的,有玷辱月经不洁净之妇人的。
Misy manao fahavetavetana amin'ny vadin'ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy.
这人与邻舍的妻行可憎的事;那人贪淫玷污儿妇;还有玷辱同父之姊妹的。
Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an'ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.
在你中间有为流人血受贿赂的;有向借钱的弟兄取利,向借粮的弟兄多要的。且因贪得无餍,欺压邻舍夺取财物,竟忘了我。这是主耶和华说的。
Koa, indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin'ny tsy marina sy ny latsa-drà tao aminao.
「看哪,我因你所得不义之财和你中间所流的血,就拍掌叹息。
Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tananao, amin'ny andro izay hisehoaka aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.
到了我惩罚你的日子,你的心还能忍受吗﹖你的手还能有力吗﹖我─耶和华说了这话,就必照著行。
Ary haeliko ho any amin'ny jentilisa sy hahahako ho any amin'ny tany samy hafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.
我必将你分散在列国,四散在列邦。我也必从你中间除掉你的污秽。
Ary dia ho hitan'ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
你必在列国人的眼前因自己所行的被亵渎,你就知道我是耶和华。」
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah anao hoe:
耶和华的话临到我说:
Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin'ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.
「人子啊,以色列家在我看为渣滓。他们都是炉中的铜、锡、铁、铅,都是银渣滓。
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo.
所以主耶和华如此说:因你们都成为渣滓,我必聚集你们在耶路撒冷中。
Toy ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin'ny memy ka misy mifofotra azy amin'ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika;
人怎样将银、铜、铁、铅、锡聚在炉中,吹火镕化;照样,我也要发怒气和忿怒,将你们聚集放在城中,镕化你们。
eny, nangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin'ny afon'ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao anatiny ianareo.
我必聚集你们,把我烈怒的火吹在你们身上,你们就在其中镕化。
Toy ny andrendrika volafotsy ao anatin'ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo.
银子怎样镕化在炉中,你们也必照样镕化在城中,你们就知道我─耶和华是将忿怒倒在你们身上了。」
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
耶和华的话临到我说:
Ry zanak'olona, lazao aminy hoe: Hianao no tany tsy hazavain'ny hainandro sady tsy ilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro fahatezerana.
「人子啊,你要对这地说:你是未得洁净之地,在恼恨的日子也没有雨下在你以上。
Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.
其中的先知同谋背叛,如咆哮的狮子抓撕掠物。他们吞灭人民,抢夺财宝,使这地多有寡妇。
Ny mpisorona dia mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina izy, na mampiseho ny tsi-fitovian'ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
其中的祭司强解我的律法,亵渎我的圣物,不分别圣的和俗的,也不使人分辨洁净的和不洁净的,又遮眼不顾我的安息日;我也在他们中间被亵慢。
Toy ny amboa-dia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin'ny tsy marina.
其中的首领彷彿豺狼抓撕掠物,杀人流血,伤害人命,要得不义之财。
Ary ny mpaminaniny mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy niteny tsinona.
其中的先知为百姓用未泡透的灰抹墙,就是为他们见虚假的异象,用谎诈的占卜,说:『主耶和华如此说』,其实耶和华没有说。
Ny vahoaka manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra; ary ny vahiny dia ampahoriny tsy andrariny.
国内众民一味地欺压,惯行抢夺,亏负困苦穷乏的,背理欺压寄居的。
Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako hifona ho an'ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita;
我在他们中间寻找一人重修墙垣,在我面前为这国站在破口防堵,使我不灭绝这国,却找不著一个。
koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon'ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony, hoy Jehovah Tompo.
所以我将恼恨倒在他们身上,用烈怒的火灭了他们,照他们所行的报应在他们头上。这是主耶和华说的。」