Ezekiel 10

Ary hitako fa, indro, teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohan'ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah niseho teo amboniny.
我观看,见基路伯头上的穹苍之中,显出蓝宝石的形状,彷彿宝座的形像。
Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midira eo anelanelan'ny kodia, dia eo ambanin'ny kerobima, ary fenoy vain'afo avy eo anelanelan'ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin'ny tanàna izany. Dia niditra teo imasoko izy.
主对那穿细麻衣的人说:「你进去,在旋转的轮内基路伯以下,从基路伯中间将火炭取满两手,撒在城上。」我就见他进去。
Ary ny kerobima nitsangana teo amin'ny ankavanan'ny trano, raha niditra ralehilahy; ary feno ilay rahona ny kianja anatiny.
那人进去的时候,基路伯站在殿的右边,云彩充满了内院。
Dia niakatra niala teo amin'ny kerobima ny voninahitr'i Jehovah ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan'ny voninahitr'i Jehovah.
耶和华的荣耀从基路伯那里上升,停在门槛以上;殿内满了云彩,院宇也被耶和华荣耀的光辉充满。
Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin'ny kianja ivelany, toy ny feon'Andriamanitra Tsitoha, raha miteny.
基路伯翅膀的响声听到外院,好像全能 神说话的声音。
Ary rehefa nodidiany ralehilahy nitafy rongony fotsy, nataony hoe: Manalà afo avy eo analenelan'ny kodia, eo anelanelan'ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan'ny kodia.
他吩咐那穿细麻衣的人说:「要从旋转的轮内基路伯中间取火。」那人就进去站在一个轮子旁边。
Ary ny kerobima anankiray naninjitra ny tànany avy teo anelanelan'ny kerobima, tamin'ny afo Izay teo anelanelan'ny kerobima, dia nangalany ka nataony teny amin'ny tànan-droan'ilay nitafy rongony fotsy; ary rehefa nandray izany ralehilahy, dia nivoaka.
有一个基路伯从基路伯中伸手到基路伯中间的火那里,取些放在那穿细麻衣的人两手中,那人就拿出去了。
Ary nisy nitarehin-tànan'olona niseho teo ambanin'ny elatry ny kerobima.
在基路伯翅膀之下,显出有人手的样式。
Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan'ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan'ny isan-kerobima; ary ny tarehin'ny kodia dia toy ny volon'ny vato krysolita.
我又观看,见基路伯旁边有四个轮子。这基路伯旁有一个轮子,那基路伯旁有一个轮子,每基路伯都是如此;轮子的颜色(原文是形状)彷彿水苍玉。
Ary izy efatra dia nitovy tarehy, toy ny kodia anatin'ny kodia.
至于四轮的形状,都是一个样式,彷彿轮中套轮。
Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'ny hitsin'ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha, fa tamin'ny hitsin'izay natrehin'ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy raha nandeha.
轮行走的时候,向四方都能直行,并不掉转。头向何方,他们也随向何方,行走的时候并不掉转。
Ary feno maso manodidina ny tenany rehetra sy ny lamosiny sy ny tànany sy ny elany mbamin'ny kodia; izy efatra dia samy nisy kodia avokoa.
他们全身,连背带手和翅膀,并轮周围都满了眼睛。这四个基路伯的轮子都是如此。
Ny amin'ny kodia dia reko nisy niantso azy hoe: Ry kodia!
至于这些轮子,我耳中听见说是旋转的。
Ary samy nanana tarehy efatra avy izy: ny tarehin'ny voalohany dia nitarehin-kerobima, ary ny tarehin'ny faharoa dia nitarehin'olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.
基路伯各有四脸:第一是基路伯的脸,第二是人的脸,第三是狮子的脸,第四是鹰的脸。
Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany.
基路伯升上去了;这是我在迦巴鲁河边所见的活物。
Ary raha nandeha ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin'ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa ny kodia.
基路伯行走,轮也在旁边行走。基路伯展开翅膀,离地上升,轮也不转离他们旁边。
Raha nijanona izy, dia mba nijanona koa ireo, ary raha niainga izy, dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin'ny zava-manan'aina no tao aminy.
那些站住,这些也站住;那些上升,这些也一同上升,因为活物的灵在轮中。
Dia niala avy teo ambonin'ny tokonambaravaran'ny trano ny voninahitr'i Jehovah ka nijanona teo ambonin'ny kerobima.
耶和华的荣耀从殿的门槛那里出去,停在基路伯以上。
Ary nasandratry ny kerobima ny elany, ka niainga tsy nipaka tamin'ny tany teo imasoko izy, raha nivoaka, ary teo anilany ny kodia ary samy nijanona teo anoloan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah izy ireo; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
基路伯出去的时候,就展开翅膀,在我眼前离地上升。轮也在他们的旁边,都停在耶和华殿的东门口。在他们以上有以色列 神的荣耀。
Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo ambanin'Andriamanitry ny Isiraely teo amoron'ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.
这是我在迦巴鲁河边所见、以色列 神荣耀以下的活物,我就知道他们是基路伯。
Samy nanana tarehy efatra avy izy, sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy nitarehin-tànan'olona teo ambanin'ny elany.
各有四个脸面,四个翅膀,翅膀以下有人手的样式。
Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy tamin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin'ny tavany no nalehany.
至于他们脸的模样,并身体的形像,是我从前在迦巴鲁河边所看见的。他们俱各直往前行。