Exodus 40

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华晓谕摩西说:
Amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
「正月初一日,你要立起帐幕,
Ary ataovy ao ny fiaran'ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
把法柜安放在里面,用幔子将柜遮掩。
Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
把桌子搬进去,摆设上面的物。把灯台搬进去,点其上的灯。
Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely.
把烧香的金坛安在法柜前,挂上帐幕的门帘。
Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.
把燔祭坛安在帐幕门前。
Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
把洗濯盆安在会幕和坛的中间,在盆里盛水。
Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja.
又在四围立院帷,把院子的门帘挂上。
Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masina izy.
用膏油把帐幕和其中所有的都抹上,使帐幕和一切器具成圣,就都成圣。
Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy.
又要抹燔祭坛和一切器具,使坛成圣,就都成为至圣。
Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.
要抹洗濯盆和盆座,使盆成圣。
Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy.
要使亚伦和他儿子到会幕门口来,用水洗身。
Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.
要给亚伦穿上圣衣,又膏他,使他成圣,可以给我供祭司的职分;
Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.
又要使他儿子来,给他们穿上内袍。
Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin'ny taranany fara mandimby.
怎样膏他们的父亲,也要照样膏他们,使他们给我供祭司的职分。他们世世代代凡受膏的,就永远当祭司的职任。」
Dia nataon'i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.
摩西这样行,都是照耶和华所吩咐他的。
Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
第二年正月初一日,帐幕就立起来。
Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.
摩西立起帐幕,安上带卯的座,立上板,穿上闩,立起柱子。
Ary namelatra ny lay teo ambonin'ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
在帐幕以上搭罩棚,把罩棚的顶盖盖在其上,是照耶和华所吩咐他的。
Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin'ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin'ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin'ny fiara.
又把法版放在柜里,把杠穿在柜的两旁,把施恩座安在柜上。
Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin'ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran'ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
把柜抬进帐幕,挂上遮掩柜的幔子,把法柜遮掩了,是照耶和华所吩咐他的。
Ary ny latabatra dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, dia teo amin'ny lafin'ny tabernakely avaratra, teo ivelan'ny efitra lamba.
又把桌子安在会幕内,在帐幕北边,在幔子外。
Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
在桌子上将饼陈设在耶和华面前,是照耶和华所吩咐他的。
Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafin'ny tabernakely atsimo.
又把灯台安在会幕内,在帐幕南边,与桌子相对,
Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
在耶和华面前点灯,是照耶和华所吩咐他的。
Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anoloan'ny efitra lamba;
把金坛安在会幕内的幔子前,
ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
在坛上烧了馨香料做的香,是照耶和华所吩咐他的。
Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin'ny varavaran'ny tabernakely;
又挂上帐幕的门帘。
ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan'ny varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
在会幕的帐幕门前,安设燔祭坛,把燔祭和素祭献在其上,是照耶和华所吩咐他的。
Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.
把洗濯盆安在会幕和坛的中间,盆中盛水,以便洗濯。
Ary teo no nanasan'i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.
摩西和亚伦并亚伦的儿子在这盆里洗手洗脚。
Raha niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
他们进会幕或就近坛的时候,便都洗濯,是照耶和华所吩咐他的。
Ary natsangany koa ny kianja manodidi­na ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vava­hady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra.
在帐幕和坛的四围立了院帷,把院子的门帘挂上。这样,摩西就完了工。
Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
当时,云彩遮盖会幕,耶和华的荣光就充满了帐幕。
Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin'ny trano-lay fihaona­na, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.
摩西不能进会幕;因为云彩停在其上,并且耶和华的荣光充满了帐幕。
Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra;
每逢云彩从帐幕收上去,以色列人就起程前往;
fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro hiakarany.
云彩若不收上去,他们就不起程,直等到云彩收上去。
Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.
日间,耶和华的云彩是在帐幕以上;夜间,云中有火,在以色列全家的眼前。在他们所行的路上都是这样。