Exodus 37

Ary Bezalila nanao ny fiara tamin'ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;
比撒列用皂荚木做柜,长二肘半,宽一肘半,高一肘半。
ary nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
里外包上精金,四围镶上金牙边,
Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin'ny lafiny iray, ary vava vola roa teo amin'ny lafiny iray koa.
又铸四个金环,安在柜的四脚上:这边两环,那边两环。
Ary nanao bao tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-bolamena.
用皂荚木做两根杠,用金包裹。
Ary nampidiriny ny bao ho eo amin'ny vava vola, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy.
把杠穿在柜旁的环内,以便抬柜。
Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin'ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
用精金做施恩座,长二肘半,宽一肘半。
Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin'ny lohany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana:
用金子锤出两个基路伯来,安在施恩座的两头,
dia ny kerobima iray nataony teo amin'ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa teo amin'ny sakany anankiray: indray mivofy tamin'ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin'ny sakany roa.
这头做一个基路伯,那头做一个基路伯,二基路伯接连一块,在施恩座的两头。
Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
二基路伯高张翅膀,遮掩施恩座;基路伯是脸对脸,朝著施恩座。
Ary nanao ny latabatra tamin'ny hazo akasia izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
他用皂荚木做一张桌子,长二肘,宽一肘,高一肘半,
Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, sady nasiany koronosy volamena manodidina azy.
又包上精金,四围镶上金牙边。
Ary nasiany sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny manodidina.
桌子的四围各做一掌宽的横梁,横梁上镶著金牙边,
Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny zorony efatra, izay eo amin'ny tongony efatra, ireo:
又铸了四个金环,安在桌子四脚的四角上。
eo akaikin'ny sisiny no nisian'ny vava vola ho fitoeran'ny bao hilanjana ny latabatra.
安环子的地方是挨近横梁,可以穿杠抬桌子。
Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, hilanjana ny latabatra, ka nopetahany takela-bolamena.
他用皂荚木做两根杠,用金包裹,以便抬桌子;
Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin'ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.
又用精金做桌子上的器皿,就是盘子、调羹,并奠酒的瓶和爵。
Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin'ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
他用精金做一个灯台;这灯台的座和干,与杯、球、花,都是接连一块锤出来的。
Ary nisy sampany enina tamin'ny ankilany roa, dia sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray, ary sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray koa;
灯台两旁杈出六个枝子:这旁三个,那旁三个。
teo amin'ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin'ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin'ny sampany enina tamin'ny fanaovan-jiro.
这旁每枝上有三个杯,形状像杏花,有球有花;那旁每枝上也有三个杯,形状像杏花,有球有花。从灯台杈出来的六个枝子都是如此。
Ary teo amin'ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny,
灯台上有四个杯,形状像杏花,有球有花。
dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa koa sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.
灯台每两个枝子以下有球,与枝子接连一块;灯台杈出的六个枝子都是如此。
Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin'ny volamena tsara izy rehetra.
球和枝子是接连一块,都是一块精金锤出来的。
Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin'ny volamena tsara izy.
用精金做灯台的七个灯盏,并灯台的蜡剪和蜡花盘。
Volamena tsara talenta iray no nanaovany azy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy.
他用精金一他连得做灯台和灯台的一切器具。
Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin'ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.
他用皂荚木做香坛,是四方的,长一肘,宽一肘,高二肘,坛的四角与坛接连一块;
Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
又用精金把坛的上面与坛的四面并坛的四角包裹,又在坛的四围镶上金牙边。
Ary nasiany vava volamena roa izy teo ambanin'ny koronosiny, ka nataony teo amin'ny zorony efatra ireo ho fitoeran'ny bao hilanjana azy.
做两个金环,安在牙子边以下,在坛的两旁、两根横撑上,作为穿杠的用处,以便抬坛。
Ary hazo akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany takela-bolamena.
用皂荚木做杠,用金包裹。
Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.
又按做香之法做圣膏油和馨香料的净香。