Exodus 18

Ary efa ren'i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan'i Mosesy, izay rehetra nataon'Andriamanitra ho an'i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran'i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta.
摩西的岳父,米甸祭司叶忒罗,听见 神为摩西和 神的百姓以色列所行的一切事,就是耶和华将以色列从埃及领出来的事,
Dia nentin'i Jetro, rafozan'i Mosesy, Zipora, vadin'i Mosesy, rehefa nampivereniny izy,
便带著摩西的妻子西坡拉,就是摩西从前打发回去的,
ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin'ny tanin'ny firenena hafa aho;
又带著西坡拉的两个儿子,一个名叫革舜,因为摩西说:「我在外邦作了寄居的」;
ary Eliezera kosa no anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan'ny sabatr'i Farao.
一个名叫以利以谢因为他说:「我父亲的 神帮助了我,救我脱离法老的刀。」
Dia tonga Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak'i Mosesy hankany aminy tany an-efitra, izay nitobiany teo anilan'ny tendrombohitr'Andriamanitra:
摩西的岳父叶忒罗带著摩西的妻子和两个儿子来到 神的山,就是摩西在旷野安营的地方。
dia nampilaza tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin'ny zanany roa lahy koa.
他对摩西说:「我是你岳父叶忒罗,带著你的妻子和两个儿子来到你这里。」
Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.
摩西迎接他的岳父,向他下拜,与他亲嘴,彼此问安,都进了帐棚。
Ary nambaran'i Mosesy tamin'ny rafozany izay rehetra efa nataon'i Jehovah tamin'i Farao sy tamin'ny Egyptiana noho ny amin'ny Isiraely, mbamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen'i Jehovah azy.
摩西将耶和华为以色列的缘故向法老和埃及人所行的一切事,以及路上所遭遇的一切艰难,并耶和华怎样搭救他们,都述说与他岳父听。
Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon'i Jehovah tamin'ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana.
叶忒罗因耶和华待以色列的一切好处,就是拯救他们脱离埃及人的手,便甚欢喜。
Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tànan'i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin'ny Egyptiana.
叶忒罗说:「耶和华是应当称颂的;他救了你们脱离埃及人和法老的手,将这百姓从埃及人的手下救出来。
Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny.
我现今在埃及人向这百姓发狂傲的事上得知,耶和华比万神都大。」
Ary Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon'ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin'ny rafozan'i Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra.
摩西的岳父叶忒罗把燔祭和平安祭献给 神。亚伦和以色列的众长老都来了,与摩西的岳父在 神面前吃饭。
Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan'i Mosesy ny olona hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva.
第二天,摩西坐著审判百姓,百姓从早到晚都站在摩西的左右。
Ary rehefa hitan'ny rafozan'i Mosesy izay rehetra nataony tamin'ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin'ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva?
摩西的岳父看见他向百姓所做的一切事,就说:「你向百姓做的是什么事呢?你为什么独自坐著,众百姓从早到晚都站在你的左右呢?」
Ary hoy Mosesy tamin'ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin'Andriamanitra.
摩西对岳父说:「这是因百姓到我这里来求问 神。
Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny.
他们有事的时候就到我这里来,我便在两造之间施行审判;我又叫他们知道 神的律例和法度。」
Ary hoy ny rafozan'i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.
摩西的岳父说:「你这做的不好。
Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.
你和这些百姓必都疲惫;因为这事太重,你独自一人办理不了。
Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan'ny olona amin'Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin'Andriamanitra;
现在你要听我的话。我为你出个主意,愿 神与你同在。你要替百姓到 神面前,将案件奏告 神;
ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.
又要将律例和法度教训他们,指示他们当行的道,当做的事;
Ary mizaha eo amin'ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an'Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
并要从百姓中拣选有才能的人,就是敬畏 神、诚实无妄、恨不义之财的人,派他们作千夫长、百夫长、五十夫长、十夫长,管理百姓,
Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.
叫他们随时审判百姓,大事都要呈到你这里,小事他们自己可以审判。这样,你就轻省些,他们也可以同当此任。
Raha hanao araka izany zavatra izany ianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin'ny taniny.
你若这样行, 神也这样吩咐你,你就能受得住,这百姓也都平平安安归回他们的住处。」
Dia neken'i Mosesy ny tenin'ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy.
于是,摩西听从他岳父的话,按著他所说的去行。
Dia nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
摩西从以色列人中拣选了有才能的人,立他们为百姓的首领,作千夫长、百夫长、五十夫长、十夫长。
Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin'i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.
他们随时审判百姓,有难断的案件就呈到摩西那里,但各样小事他们自己审判。
Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin'ny taniny izy.
此后,摩西让他的岳父去,他就往本地去了。