Exodus 17

Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron'i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin'ny olona.
以色列全会众都遵耶和华的吩咐,按著站口从汛的旷野往前行,在利非订安营。百姓没有水喝,
Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Jehovah ianareo?
所以与摩西争闹,说:「给我们水喝吧!」摩西对他们说:「你们为什么与我争闹?为什么试探耶和华呢?」
Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
百姓在那里甚渴,要喝水,就向摩西发怨言,说:「你为什么将我们从埃及领出来,使我们和我们的儿女并牲畜都渴死呢?」
Ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin'ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy.
摩西就呼求耶和华说:「我向这百姓怎样行呢?他们几乎要拿石头打死我。」
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandrosoa eo alohan'ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon'ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an'i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.
耶和华对摩西说:「你手里拿著你先前击打河水的杖,带领以色列的几个长老,从百姓面前走过去。
Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin'ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason'ny loholon'ny Isiraely.
我必在何烈的磐石那里,站在你面前。你要击打磐石,从磐石里必有水流出来,使百姓可以喝。」摩西就在以色列的长老眼前这样行了。
Ary ny anaran'izany tany izany dia natao­ny hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon'ny Zanak'Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an'i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?
他给那地方起名叫玛撒(就是试探的意思),又叫米利巴(就是争闹的意思);因以色列人争闹,又因他们试探耶和华,说:「耶和华是在我们中间不是?」
Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin'ny Isiraely tao Refidima.
那时,亚玛力人来在利非订,和以色列人争战。
Dia hoy Mosesy tamin'i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin'ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana aho ka hitana ny tehin'Andriamanitra etỳ an-tanako.
摩西对约书亚说:「你为我们选出人来,出去和亚玛力人争战。明天我手里要拿著 神的杖,站在山顶上。」
Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy, ka niady tamin'ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon'ny havoana.
于是约书亚照著摩西对他所说的话行,和亚玛力人争战。摩西、亚伦,与户珥都上了山顶。
Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.
摩西何时举手,以色列人就得胜,何时垂手,亚玛力人就得胜。
Fa efa vizana ny tanan'i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin'i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin'ny anila, ary ny iray kosa tamin'ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin'ny masoandro.
但摩西的手发沉,他们就搬石头来,放在他以下,他就坐在上面。亚伦与户珥扶著他的手,一个在这边,一个在那边,他的手就稳住,直到日落的时候。
Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin'ny lelan-tsabatra.
约书亚用刀杀了亚玛力王和他的百姓。
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty eo amin'ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin'i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin'ny lanitra.
耶和华对摩西说:「我要将亚玛力的名号从天下全然涂抹了;你要将这话写在书上作纪念,又念给约书亚听。」
Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.
摩西筑了一座坛,起名叫「耶和华尼西」(就是耶和华是我旌旗的意思),
Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin'i Jehovah amin'ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin'izay taranany fara mandimby.
又说:「耶和华已经起了誓,必世世代代和亚玛力人争战。」