Ephesians 3

Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -
因此,我─保罗为你们外邦人作了基督耶稣被囚的,替你们祈祷(此句乃照对十四节所加)。
raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
谅必你们曾听见 神赐恩给我,将关切你们的职分托付我,
fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo.
用启示使我知道福音的奥祕,正如我以前略略写过的。
Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy,
你们念了,就能晓得我深知基督的奥祕。
izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
这奥祕在以前的世代没有叫人知道,像如今借著圣灵启示他的圣使徒和先知一样。
dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,
这奥祕就是外邦人在基督耶稣里,借著福音,得以同为后嗣,同为一体,同蒙应许。
izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan'ny heriny.
我作了这福音的执事,是照 神的恩赐,这恩赐是照他运行的大能赐给我的。
Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany,
我本来比众圣徒中最小的还小,然而他还赐我这恩典,叫我把基督那测不透的丰富传给外邦人,
ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;
又使众人都明白,这历代以来隐藏在创造万物之 神里的奥祕是如何安排的,
mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana,
为要借著教会使天上执政的、掌权的,现在得知 神百般的智慧。
araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika,
这是照 神从万世以前,在我们主基督耶稣里所定的旨意。
Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy.
我们因信耶稣,就在他里面放胆无惧,笃信不疑的来到 神面前。
Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
所以,我求你们不要因我为你们所受的患难丧胆,这原是你们的荣耀。
Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray
因此,我在父面前屈膝,
Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
(天上地上的各(或作:全)家,都是从他得名。)
mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo;
求他按著他丰盛的荣耀,借著他的灵,叫你们心里的力量刚强起来,
mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo,
使基督因你们的信,住在你们心里,叫你们的爱心有根有基,
mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany.
能以和众圣徒一同明白基督的爱是何等长阔高深,
ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra.
并知道这爱是过于人所能测度的,便叫 神一切所充满的,充满了你们。
Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
 神能照著运行在我们心里的大力充充足足的成就一切,超过我们所求所想的。
ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.
但愿他在教会中,并在基督耶稣里,得著荣耀,直到世世代代,永永远远。阿们!