Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan'Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.
Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin'ny tany, dia aza gaga amin'izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin'ny tànany ho valin'ny fisasarany.
Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin'ny fisasarana rehetra izay isasaran'ny olona atỳ ambanin'ny masoandro amin'izay andro vitsy iainany omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.
Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.