Deuteronomy 6

Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo holovana,
「这是耶和华─你们 神所吩咐教训你们的诫命、律例、典章,使你们在所要过去得为业的地上遵行,
mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
好叫你和你子子孙孙一生敬畏耶和华─你的 神,谨守他的一切律例诫命,就是我所吩咐你的,使你的日子得以长久。
Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely.
以色列啊,你要听,要谨守遵行,使你可以在那流奶与蜜之地得以享福,人数极其增多,正如耶和华─你列祖的 神所应许你的。
Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.
「以色列啊,你要听!耶和华─我们 神是独一的主。
Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
你要尽心、尽性、尽力爱耶和华─你的 神。
Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.
我今日所吩咐你的话都要记在心上,
Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha;
也要殷勤教训你的儿女。无论你坐在家里,行在路上,躺下,起来,都要谈论。
ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao,
也要系在手上为记号,戴在额上为经文;
ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao.
又要写在你房屋的门框上,并你的城门上。」
Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
「耶和华─你的 神领你进他向你列祖亚伯拉罕、以撒、雅各起誓应许给你的地。那里有城邑,又大又美,非你所建造的;
sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin'ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky,
有房屋,装满各样美物,非你所装满的;有凿成的水井,非你所凿成的;还有葡萄园、橄榄园,非你所栽种的;你吃了而且饱足。
dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
那时你要谨慎,免得你忘记将你从埃及地、为奴之家领出来的耶和华。
Matahora an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
你要敬畏耶和华─你的 神,事奉他,指著他的名起誓。
Aza manaraka izay andriamani-kafa amin'ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo,
不可随从别神,就是你们四围国民的神;
fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao.
因为在你们中间的耶和华─你 神是忌邪的 神,惟恐耶和华─你 神的怒气向你发作,就把你从地上除灭。
Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa.
「你们不可试探耶和华─你们的 神,像你们在玛撒那样试探他。
Tandremo tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao.
要留意遵守耶和华─你们 神所吩咐的诫命、法度、律例。
Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason'i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena azy,
耶和华眼中看为正、看为善的,你都要遵行,使你可以享福,并可以进去得耶和华向你列祖起誓应许的那美地,
ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain'i Jehovah.
照耶和华所说的,从你面前撵出你的一切仇敌。
Ary raha manontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika anareo?
「日后,你的儿子问你说:『耶和华─我们 神吩咐你们的这些法度、律例、典章是什么意思呢?』
Dia holazainao aminy hoe: Andevon'i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
你就告诉你的儿子说:『我们在埃及作过法老的奴仆;耶和华用大能的手将我们从埃及领出来,
Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin'ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.
在我们眼前,将重大可怕的神迹奇事施行在埃及地和法老并他全家的身上,
Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin'ny razantsika homena azy.
将我们从那里领出来,要领我们进入他向我们列祖起誓应许之地,把这地赐给我们。
Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao.
耶和华又吩咐我们遵行这一切律例,要敬畏耶和华─我们的 神,使我们常得好处,蒙他保全我们的生命,像今日一样。
Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.
我们若照耶和华─我们 神所吩咐的一切诫命谨守遵行,这就是我们的义了。』」