Deuteronomy 34

Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jeriko. Ary nasehon'i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana
摩西从摩押平原登尼波山,上了那与耶利哥相对的毘斯迦山顶。耶和华把基列全地直到但,
sy Naftaly rehetra sy ny tanin'ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin'ny Joda rehetra hatramin'ny ranomasina andrefana
拿弗他利全地,以法莲、玛拿西的地,犹大全地直到西海,
ary ny tany atsimo sy ny ao amin'ny lohasahan'i Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara.
南地和棕树城耶利哥的平原,直到琐珥,都指给他看。
Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao.
耶和华对他说:「这就是我向亚伯拉罕、以撒、雅各起誓应许之地,说:『我必将这地赐给你的后裔。』现在我使你眼睛看见了,你却不得过到那里去。」
Ary Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia maty teo amin'ny tany Moaba araka ny tenin'i Jehovah.
于是,耶和华的仆人摩西死在摩押地,正如耶和华所说的。
Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin'ny tany Moaba, tandrifin'i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
耶和华将他埋葬在摩押地、伯‧毗珥对面的谷中,只是到今日没有人知道他的坟墓。
Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.
摩西死的时候年一百二十岁;眼目没有昏花,精神没有衰败。
Ary ny Zanak'Isiraely nisaona an'i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an'i Mosesy.
以色列人在摩押平原为摩西哀哭了三十日,为摩西居丧哀哭的日子就满了。
Ary Josoa, zanak'i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak'Isiraely ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
嫩的儿子约书亚;因为摩西曾按手在他头上,就被智慧的灵充满,以色列人便听从他,照著耶和华吩咐摩西的行了。
Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin'ny Isiraely tahaka an'i Mosesy, izay fantatr'i Jehovah nifanatrika
以后以色列中再没有兴起先知像摩西的。他是耶和华面对面所认识的。
tamin'ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan'i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra
耶和华打发他在埃及地向法老和他的一切臣仆,并他的全地,行各样神迹奇事,
ary tamin'ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra.
又在以色列众人眼前显大能的手,行一切大而可畏的事。