Deuteronomy 32

MIHAINOA, ry lanitra, fa hiteny aho! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin'ny vavako!
诸天哪,侧耳,我要说话;愿地也听我口中的言语。
Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin'ny ahi-maitso Ary ny ranonorana amin'ny anana.
我的教训要淋漓如雨;我的言语要滴落如露,如细雨降在嫩草上,如甘霖降在菜蔬中。
Fa ny anaran'i Jehovah no hotoriko; Maneke ny fahalehibiazan'Andriamanitsika.
我要宣告耶和华的名;你们要将大德归与我们的 神。
Ny amin'ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin'ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.
他是磐石,他的作为完全;他所行的无不公平,是诚实无伪的 神,又公义,又正直。
Efa nasian-dratsy Izy; Tsy zanany ireny, tsininy izany; Taranaka miolakolaka sady efa nivadika izy.
这乖僻弯曲的世代向他行事邪僻;有这弊病就不是他的儿女。
Moa Jehovah hovalianareo toy izany va, Ry firenena adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao?
愚昧无知的民哪,你们这样报答耶和华吗?他岂不是你的父、将你买来的吗?他是制造你、建立你的。
Tsarovy ny andro fahiny, Saino ny taona hatrizay hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa hanambara aminao izy, Sy amin'ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy;
你当追想上古之日,思念历代之年;问你的父亲,他必指示你;问你的长者,他必告诉你。
Fony nomen'ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, Ka samy natokantokany ny zanak'olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin'ireo firenena Araka ny isan'ny Zanak'Isiraely.
至高者将地业赐给列邦,将世人分开,就照以色列人的数目立定万民的疆界。
Fa anjaran'i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.
耶和华的分本是他的百姓;他的产业本是雅各。
Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin'ny tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony.
耶和华遇见他在旷野─荒凉野兽吼叫之地,就环绕他,看顾他,保护他,如同保护眼中的瞳人。
Toy ny voromahery manaitra ny ao amin'ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin'ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin'ny elany,
又如鹰搅动巢窝,在雏鹰以上两翅搧展,接取雏鹰,背在两翼之上。
Jehovah irery no nitondra azy, Ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy.
这样,耶和华独自引导他,并无外邦神与他同在。
Nampandeha azy teny ambonin'ny havoana amin'ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin'ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin'ny vatolampy afovato
耶和华使他乘驾地的高处,得吃田间的土产;又使他从磐石中咂蜜,从坚石中吸油;
Sy rononomandrin'omby sy rononon'ondry aman'osy Mbamin'ny tavin'ny zanak'ondry Sy ondrilahin'i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin'ny ran'ny voaloboka ianao.
也吃牛的奶油,羊的奶,羊羔的脂油,巴珊所出的公绵羊和山羊,与上好的麦子,也喝葡萄汁酿的酒。
Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an'Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
但耶书崙渐渐肥胖,粗壮,光润,踢跳,奔跑,便离弃造他的 神,轻看救他的磐石;
Nampahasaro-piaro Azy tamin'ny hafa Izy; Ary tamin'ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy;
敬拜别神,触动 神的愤恨,行可憎恶的事,惹了他的怒气。
Namono zavatra ho fanatitra ho an'ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran'ny razanareo.
所祭祀的鬼魔并非真神,乃是素不认识的神,是近来新兴的,是你列祖所不畏惧的。
Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao.
你轻忽生你的磐石,忘记产你的 神。
Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin'ny zananilahy sy ny zananivavy.
耶和华看见他的儿女惹动他,就厌恶他们,
Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay hiafarany; Fa firenena tena mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky.
说:我要向他们掩面,看他们的结局如何。他们本是极乖僻的族类,心中无诚实的儿女。
Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin'izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin'ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin'izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin'izay firenena adala.
他们以那不算为神的触动我的愤恨,以虚无的神惹了我的怒气。我也要以那不成子民的触动他们的愤恨,以愚昧的国民惹了他们的怒气。
Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin'ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin'ny tendrombohitra aza.
因为在我怒中有火烧起,直烧到极深的阴间,把地和地的出产尽都焚烧,山的根基也烧著了。
Havangongoko aminy ny loza betsaka; Ary holaniko aminy ny zana-tsi-pikako:
我要将祸患堆在他们身上,把我的箭向他们射尽。
Hofezahin'ny mosary izy sady holanin'ny areti-mandripaka Sy ny fandringanana mangidy; Ary nifim-biby no hampandehaniko aminy Jesorona dia anaran'ny Isiraely. Mbamin'ny poizin'ny biby mpikisaka amin'ny vovoka.
他们必因饥饿消瘦,被炎热苦毒吞灭。我要打发野兽用牙齿咬他们,并土中腹行的,用毒气害他们。
Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin'ny efi-trano dia ny fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo.
外头有刀剑,内室有惊恐,使人丧亡,使少男、童女、吃奶的、白发的,尽都灭绝。
Fa efa nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy; Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona,
我说,我必将他们分散远方,使他们的名号从人间除灭。
Raha tsy ny fireharehan'ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany.
惟恐仇敌惹动我,只怕敌人错看,说:是我们手的能力,并非耶和华所行的。
Fa firenena tsy manan-tsaina izy Sady tsy manam-pahalalana.
因为以色列民毫无计谋,心中没有聪明。
Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany.
惟愿他们有智慧,能明白这事,肯思念他们的结局。
Hataon'ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon'ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?
若不是他们的磐石卖了他们,若不是耶和华交出他们,一人焉能追赶他们千人?二人焉能使万人逃跑呢?
Fa tsy mba mitovy amin'ny Vatolampintsika ny vatolampin'ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.
据我们的仇敌自己断定,他们的磐石不如我们的磐石。
Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok'i Sodoma Ary avy ao amin'ny sahan'i Gomora; Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady mangidy koa ny sampahony.
他们的葡萄树是所多玛的葡萄树,蛾摩拉田园所生的;他们的葡萄是毒葡萄,全挂都是苦的。
Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin'ny dragona, Ary poizina loza avy amin'ny bibilava.
他们的酒是大蛇的毒气,是虺蛇残害的恶毒。
Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako?
这不都是积蓄在我这里,封锁在我府库中吗?
Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
他们失脚的时候,伸冤报应在我;因他们遭灾的日子近了;那要临在他们身上的必速速来到。
Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin'ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka.
耶和华见他百姓毫无能力,无论困住的、自由的都没有剩下,就必为他们伸冤,为他的仆人后悔。
Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany,
他必说:他们的神,他们所投靠的磐石,
Izay nihinana ny saboran'ny fanatiny Ary nisotro ny divain'ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo.
就是向来吃他们祭牲的脂油,喝他们奠祭之酒的,在那里呢?他可以兴起帮助你们,护卫你们。
Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin'ny tanako.
你们如今要知道:我,惟有我是 神;在我以外并无别神。我使人死,我使人活;我损伤,我也医治,并无人能从我手中救出来。
Fa manangana ny tanako amin'ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:
我向天举手说:我凭我的永生起誓:
Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain'ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy.
我若磨我闪亮的刀,手掌审判之权,就必报复我的敌人,报应恨我的人。
Hataoko mamon-drà ny zana-tsipikako, Ary ny sabatro hihina-nofo, Dia ny ran'ny voavono sy ny babo Mbamin'ny lohan'izay lehibe amin'ny fahavalo.
我要使我的箭饮血饮醉,就是被杀被掳之人的血。我的刀要吃肉,乃是仇敌中首领之头的肉。
Mihobia, ry jentilisa mbamin'ny olony; Fa ny ran'ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an'ny taniny sy ny olony.
你们外邦人当与主的百姓一同欢呼;因他要伸他仆人流血的冤,报应他的敌人,洁净他的地,救赎他的百姓。
Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin'izany fihirana izany teo anatrehan'ny olona, dia izy sy Hosea, zanak'i Nona.
摩西和嫩的儿子约书亚去将这歌的一切话说给百姓听。
Ary nony efa tapitra voalazan'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany,
摩西向以色列众人说完了这一切的话,
dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
又说:「我今日所警教你们的,你们都要放在心上;要吩咐你们的子孙谨守遵行这律法上的话。
Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.
因为这不是虚空、与你们无关的事,乃是你们的生命;在你们过约旦河要得为业的地上必因这事日子得以长久。」
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy androtrizay indrindra ka nanao hoe:
当日,耶和华吩咐摩西说:
Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin'ny tany Moaba tandrifin'i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak'Isiraely ho lovany.
「你上这亚巴琳山中的尼波山去,在摩押地与耶利哥相对,观看我所要赐给以色列人为业的迦南地。
Dia aoka ho faty ao amin'ny tendrombohitra izay iakaranao ianao, ka ho voangona any amin'ny razanao, tahaka ny nahafatesan'i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy any amin'ny razany,
你必死在你所登的山上,归你列祖(原文作本民)去,像你哥哥亚伦死在何珥山上,归他的列祖一样。
satria nivadika tamiko teo amin'ny Zanak'Isiraely ianareo tao amin'ny ranon'i Meriba any Kadesy, tany an-efitra Zina; fa tsy nahamasina Ahy teo amin'ny Zanak'Isiraely ianareo.
因为你们在寻的旷野,加低斯的米利巴水,在以色列人中没有尊我为圣,得罪了我。
Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin'ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.
我所赐给以色列人的地,你可以远远地观看,却不得进去。」