Deuteronomy 31

Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin'ny Isiraely rehetra
摩西去告诉以色列众人
ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona androany aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io ianao.
说:「我现在一百二十岁了,不能照常出入;耶和华也曾对我说:『你必不得过这约旦河。』
Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
耶和华─你们的 神必引导你们过去,将这些国民在你们面前灭绝,你们就得他们的地。约书亚必引导你们过去,正如耶和华所说的。
Ary Jehovah hanao amin'ireo tahaka ny nataony tamin'i Sihona sy Oga, mpanjakan'ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin'ny taniny.
耶和华必待他们,如同从前待他所灭绝的亚摩利二王西宏与噩以及他们的国一样。
Dia hatolotr'i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo.
耶和华必将他们交给你们;你们要照我所吩咐的一切命令待他们。
Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
你们当刚强壮胆,不要害怕,也不要畏惧他们,因为耶和华─你的 神和你同去。他必不撇下你,也不丢弃你。」
Ary Mosesy niantso an'i Josoa ka niteny taminy teo imason'ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.
摩西召了约书亚来,在以色列众人眼前对他说:「你当刚强壮胆!因为,你要和这百姓一同进入耶和华向他们列祖起誓应许所赐之地;你也要使他们承受那地为业。
Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
耶和华必在你前面行;他必与你同在,必不撇下你,也不丢弃你。不要惧怕,也不要惊惶。」
Dia nosoratan'i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak'i Levy, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, sy ny loholon'ny Isiraely rehetra.
摩西将这律法写出来,交给抬耶和华约柜的祭司利未子孙和以色列的众长老。
Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin'ny taom-panafahana, amin'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo,
摩西吩咐他们说:「每逢七年的末一年,就在豁免年的定期住棚节的时候,
ka avy hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan'ny Isiraely rehetra ny tenin'ity lalàna ity hihainoany azy.
以色列众人来到耶和华─你 神所选择的地方朝见他。那时,你要在以色列众人面前将这律法念给他们听。
Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
要招聚他们男、女、孩子,并城里寄居的,使他们听,使他们学习,好敬畏耶和华─你们的 神,谨守、遵行这律法的一切话,
Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny andro rehetra hiainanareo eo amin'ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.
也使他们未曾晓得这律法的儿女得以听见,学习敬畏耶和华─你们的 神,在你们过约旦河要得为业之地,存活的日子,常常这样行。」
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an'i Josoa, ary mitoera ao amin'ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin'ny trano-lay fihaonana.
耶和华对摩西说:「你的死期临近了;要召约书亚来,你们二人站在会幕里,我好嘱咐他。」于是摩西和约书亚去站在会幕里。
Ary Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay tamin'ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay ny andri-rahona.
耶和华在会幕里云柱中显现,云柱停在会幕门以上。
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin'ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin'ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
耶和华又对摩西说:「你必和你列祖同睡。这百姓要起来,在他们所要去的地上,在那地的人中,随从外邦 神行邪淫,离弃我,违背我与他们所立的约。
Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin'izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin'izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran'Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
那时,我的怒气必向他们发作;我也必离弃他们,掩面不顾他们,以致他们被吞灭,并有许多的祸患灾难临到他们。那日他们必说:『这些祸患临到我们,岂不是因我们的 神不在我们中间吗?』
Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin'izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy.
那时,因他们偏向别神所行的一切恶,我必定掩面不顾他们。
Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak'Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin'ny Zanak'Isiraely.
现在你要写一篇歌,教导以色列人,传给他们,使这歌见证他们的不是;
Fa rehefa entiko any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin'ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
因为我将他们领进我向他们列祖起誓应许那流奶与蜜之地,他们在那里吃得饱足,身体肥胖,就必偏向别神,事奉他们,藐视我,背弃我的约。
Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan'ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin'ny tany izay nianianako homena azy izy.
那时,有许多祸患灾难临到他们,这歌必在他们面前作见证,他们后裔的口中必念诵不忘。我未领他们到我所起誓应许之地以先,他们所怀的意念我都知道了。」
Dia nosoratan'i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak'Isiraely.
当日摩西就写了一篇歌,教导以色列人。
Ary Jehovah nandidy an'i Josoa, zanak'i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak'Isiraely hiditra ao amin'ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.
耶和华嘱咐嫩的儿子约书亚说:「你当刚强壮胆,因为你必领以色列人进我所起誓应许他们的地;我必与你同在。」
Ary rehefa voasoratr'i Mosesy teo amin'ny boky avokoa ny tenin'ity lalàna ity,
摩西将这律法的话写在书上,及至写完了,
dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, izy ka nanao hoe:
就吩咐抬耶和华约柜的利未人说:
Raiso ity bokin'ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao.
「将这律法书放在耶和华─你们 神的约柜旁,可以在那里见证以色列人的不是;
Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin'i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.
因为我知道你们是悖逆的,是硬著颈项的。我今日还活著与你们同在,你们尚且悖逆耶和华,何况我死后呢?
Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
你们要将你们支派的众长老和官长都招聚了来,我好将这些话说与他们听,并呼天唤地见证他们的不是。
Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin'ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin'ny asan'ny tananareo.
我知道我死后,你们必全然败坏,偏离我所吩咐你们的道,行耶和华眼中看为恶的事,以手所做的惹他发怒;日后必有祸患临到你们。」
Dia nolazain'i Mosesy teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin'izao fihirana izao mandra-pahavitany.
摩西将这一篇歌的话都说与以色列全会众听。