Deuteronomy 30

Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin'ny firenena rehetra izay androahan'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao,
「我所陈明在你面前的这一切咒诅都临到你身上;你在耶和华─你 神追赶你到的万国中必心里追念祝福的话;
ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,
你和你的子孙若尽心尽性归向耶和华─你的 神,照著我今日一切所吩咐的听从他的话;
dia hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin'ny firenena rehetra izay nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao.
那时,耶和华─你的 神必怜恤你,救回你这被掳的子民;耶和华─你的 神要回转过来,从分散你到的万民中将你招聚回来。
Raha misy aminao voaroaka any amin'ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao.
你被赶散的人,就是在天涯的,耶和华─你的 神也必从那里将你招聚回来。
Dia hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny tany izay nolovan'ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.
耶和华─你的 神必领你进入你列祖所得的地,使你可以得著;又必善待你,使你的人数比你列祖众多。
Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.
耶和华─你 神必将你心里和你后裔心里的污秽除掉,好叫你尽心尽性爱耶和华─你的 神,使你可以存活。
Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.
耶和华─你的 神必将这一切咒诅加在你仇敌和恨恶你、逼迫你的人身上。
Dia hihaino ny feon'i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio.
你必归回,听从耶和华的话,遵行他的一切诫命,就是我今日所吩咐你的。
Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao,
你若听从耶和华─你 神的话,谨守这律法书上所写的诫命律例,又尽心尽性归向耶和华─你的 神,他必使你手里所办的一切事,并你身所生的,牲畜所下的,地土所产的,都绰绰有余;因为耶和华必再喜悦你,降福与你,像从前喜悦你列祖一样。
raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
并入上一节
Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra.
「我今日所吩咐你的诫命不是你难行的,也不是离你远的;
Tsy any an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika?
不是在天上,使你说:『谁替我们上天取下来,使我们听见可以遵行呢?』
Ary tsy any an-dafin'ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin'ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika?
也不是在海外,使你说:『谁替我们过海取了来,使我们听见可以遵行呢?』
Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.
这话却离你甚近,就在你口中,在你心里,使你可以遵行。
Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza,
「看哪,我今日将生与福,死与祸,陈明在你面前。
tamin'ny nandidiako anao androany ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin'ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
吩咐你爱耶和华─你的 神,遵行他的道,谨守他的诫命、律例、典章,使你可以存活,人数增多,耶和华─你 神就必在你所要进去得为业的地上赐福与你。
Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan'izay andriamani-kafa sy hanompo azy,
倘若你心里偏离,不肯听从,却被勾引去敬拜事奉别神,
dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.
我今日明明告诉你们,你们必要灭亡;在你过约旦河、进去得为业的地上,你的日子必不长久。
Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
我今日呼天唤地向你作见证;我将生死祸福陈明在你面前,所以你要拣选生命,使你和你的后裔都得存活;
dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.
且爱耶和华─你的 神,听从他的话,专靠他;因为他是你的生命,你的日子长久也在乎他。这样,你就可以在耶和华向你列祖亚伯拉罕、以撒、雅各起誓应许所赐的地上居住。」