Deuteronomy 28

Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao;
「你若留意听从耶和华─你 神的话,谨守遵行他的一切诫命,就是我今日所吩咐你的,他必使你超乎天下万民之上。
ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao
你若听从耶和华─你 神的话,这以下的福必追随你,临到你身上:
Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha.
你在城里必蒙福,在田间也必蒙福。
Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao.
你身所生的,地所产的,牲畜所下的,以及牛犊、羊羔,都必蒙福。
Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
你的筐子和你的抟面盆都必蒙福。
Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka.
你出也蒙福,入也蒙福。
Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao.
「仇敌起来攻击你,耶和华必使他们在你面前被你杀败;他们从一条路来攻击你,必从七条路逃跑。
Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
在你仓房里,并你手所办的一切事上,耶和华所命的福必临到你。耶和华─你 神也要在所给你的地上赐福与你。
Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny lalany.
你若谨守耶和华─你 神的诫命,遵行他的道,他必照著向你所起的誓立你作为自己的圣民。
Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.
天下万民见你归在耶和华的名下,就要惧怕你。
Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao.
你在耶和华向你列祖起誓应许赐你的地上,他必使你身所生的,牲畜所下的,地所产的,都绰绰有余。
Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra.
耶和华必为你开天上的府库,按时降雨在你的地上。在你手里所办的一切事上赐福与你。你必借给许多国民,却不致向他们借贷。
Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy.
你若听从耶和华─你 神的诫命,就是我今日所吩咐你的,谨守遵行,不偏左右,也不随从事奉别神,耶和华就必使你作首不作尾,但居上不居下。」
Ary aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.
并入上一节
Fa raha tsy mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao :
「你若不听从耶和华─你 神的话,不谨守遵行他的一切诫命律例,就是我今日所吩咐你的,这以下的咒诅都必追随你,临到你身上:
Hozonina ianao ao an-tanàna, ary hozonina ianao any an-tsaha.
你在城里必受咒诅,在田间也必受咒诅。
Hozonina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
你的筐子和你的抟面盆都必受咒诅。
Hozonina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao.
你身所生的,地所产的,以及牛犊、羊羔,都必受咒诅。
Hozonina ianao, raha miditra; ary hozonina ianao, raha mivoaka.
你出也受咒诅,入也受咒诅。
Hampandehanin'i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin'izay rehetra ataon'ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian'ny nataonao tamin'ny nahafoizanao Ahy.
耶和华因你行恶离弃他,必在你手里所办的一切事上,使咒诅、扰乱、责罚临到你,直到你被毁灭,速速地灭亡。
Hampiraiketin'i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
耶和华必使瘟疫贴在你身上,直到他将你从所进去得为业的地上灭绝。
Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main'ny rivotra na maty fotsy no hamelezan'i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao.
耶和华要用痨病、热病、火症、疟疾、刀剑、旱风(或作:干旱)、霉烂攻击你。这都要追赶你,直到你灭亡。
Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin'ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao.
你头上的天要变为铜,脚下的地要变为铁。
Hataon'i Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin'ny taninao; avy any an-danitra no hidinan'izany aminao mandra-paharinganao.
耶和华要使那降在你地上的雨变为尘沙,从天临在你身上,直到你灭亡
Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloan'ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany ianao.
「耶和华必使你败在仇敌面前,你从一条路去攻击他们,必从七条路逃跑。你必在天下万国中抛来抛去。
Ary ny fatinao hohanin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
你的尸首必给空中的飞鸟和地上的走兽作食物,并无人鬨赶。
Hamelin'i Jehovah anao ny vain'i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody);
耶和华必用埃及人的疮并痔疮、牛皮癣与疥攻击你,使你不能医治。
ary hamelin'i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra.
耶和华必用癫狂、眼瞎、心惊攻击你。
Dia hitsapatsapa ianao na dia amin'ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan'ny jamba ao amin'ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin'izay halehanao; dia hampahorin'ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianao, fa tsy hisy hamonjy.
你必在午间摸索,好像瞎子在暗中摸索一样。你所行的必不亨通,时常遭遇欺压、抢夺,无人搭救。
Hifofo vady ianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano ianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanim-boaloboka ianao, fa tsy hihinana ny vokatra.
你聘定了妻,别人必与她同房;你建造房屋,不得住在其内;你栽种葡萄园,也不得用其中的果子。
Ny ombinao hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana ny henany ianao. Ny borikinao halaina an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina aminao. Ny ondry aman'osinao homena ho an'ny fahavalonao, nefa tsy hanan-kamonjy ianao.
你的牛在你眼前宰了,你必不得吃牠的肉;你的驴在你眼前被抢夺,不得归还;你的羊归了仇敌,无人搭救。
Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an'ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.
你的儿女必归与别国的民;你的眼目终日切望,甚至失明,你手中无力拯救。
Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin'ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan'ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao.
你的土产和你劳碌得来的,必被你所不认识的国民吃尽。你时常被欺负,受压制,
Dia ho very saina ianao noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao.
甚至你因眼中所看见的,必致疯狂。
Hamelin'i Jehovah anao ny vay ratsy, izay tsy azom-panafody, dia amin'ny lohalikao sy ny tongotrao, hatramin'ny faladianao ka hatramin'ny tampon-dohanao.
耶和华必攻击你,使你膝上腿上,从脚掌到头顶,长毒疮无法医治。
Ho entin'i Jehovah ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; any any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.
「耶和华必将你和你所立的王领到你和你列祖素不认识的国去;在那里你必事奉木头石头的神。
Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin'ny firenena rehetra izay hitondran'i Jehovah anao.
你在耶和华领你到的各国中,要令人惊骇、笑谈、讥诮。
Voan-javatra betsaka no ho entinao hambolena any an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin'ny valala ireny.
你带到田间的种子虽多,收进来的却少,因为被蝗虫吃了。
Hanao tanim-boaloboka ianao ka hiasa azy, nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka ianao, satria ho lanin'ny fositra ireny.
你栽种、修理葡萄园,却不得收葡萄,也不得喝葡萄酒,因为被虫子吃了。
Hanana hazo oliva amin'ny taninao rehetra ianao, nefa tsy hihosotra diloilo; fa hihintsana ny olivanao.
你全境有橄榄树,却不得其油抹身,因为树上的橄榄不熟自落了。
Hiteraka zazalahy sy zazavavy ianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo.
你生儿养女,却不算是你的,因为必被掳去。
Ny hazonao sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho lanin'ny valala.
你所有的树木和你地里的出产必被蝗虫所吃。
Ny vahiny eo aminao hisandratra ho ambony dia ambony noho ianao, fa ianao kosa hietry ho ambany dia ambany.
在你中间寄居的,必渐渐上升,比你高而又高;你必渐渐下降,低而又低。
Izy hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy hampisambotra azy; izy ho lohany, fa ianao ho rambony.
他必借给你,你却不能借给他;他必作首,你必作尾。
Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay nandidiany anao.
这一切咒诅必追随你,赶上你,直到你灭亡;因为你不听从耶和华─你 神的话,不遵守他所吩咐的诫命律例。
Ary ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay izany,
这些咒诅必在你和你后裔的身上成为异迹奇事,直到永远!
satria tsy nanompo an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny fahafaliana sy ny faharavoam-po ianao noho ny habetsahan'ny zavatra rehetra.
「因为你富有的时候,不欢心乐意的事奉耶和华─你的 神,
Any amin'ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin'i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin'ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.
所以你必在饥饿、干渴、赤露、缺乏之中事奉耶和华所打发来攻击你的仇敌。他必把铁轭加在你的颈项上,直到将你灭绝。
Ho entin'i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin'ny faran'ny tany-tahaka ny fanidin'ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,
「耶和华要从远方、地极带一国的民,如鹰飞来攻击你。这民的言语,你不懂得。
firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora
这民的面貌凶恶,不顾恤年老的,也不恩待年少的。
dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman'osinao, mandra-pandringany anao.
他们必吃你牲畜所下的和你地土所产的,直到你灭亡。你的五谷、新酒,和油,以及牛犊、羊羔,都不给你留下,直到将你灭绝。
Dia hataony fahirano any amin'ny tanànanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, eran'ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin'ny tanànanao rehetra eran'ny taninao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
他们必将你困在你各城里,直到你所倚靠、高大坚固的城墙都被攻塌。他们必将你困在耶和华─你 神所赐你遍地的各城里。
Ary eo amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
你在仇敌围困窘迫之中,必吃你本身所生的,就是耶和华─你 神所赐给你的儿女之肉。
Ny lehilahy malemilemy sy mihantahanta indrindra eo aminao dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vadiny andefimandry ary ny zanany sisa,
你们中间,柔弱娇嫩的人必恶眼看他弟兄和他怀中的妻,并他余剩的儿女;
ka tsy hisy amin'ireo hanomezany ny nofon'ny zanany izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho azy amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao rehetra.
甚至在你受仇敌围困窘迫的城中,他要吃儿女的肉,不肯分一点给他的亲人,因为他一无所剩。
Ny vehivavy malemilemy sy mihantahanta eo aminao, izay tsy mbola nanandrana nandia tany noho ny fihantahantany sy ny fahalemilemeny, dia ho ratsy fiteny ny vadiny andefimandry sy ny zananilahy ary ny zananivavy
你们中间,柔弱娇嫩的妇人,是因娇嫩柔弱不肯把脚踏地的,必恶眼看她怀中的丈夫和她的儿女。
noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsi-fisian-javatra amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao.
她两腿中间出来的婴孩与她所要生的儿女,她因缺乏一切就要在你受仇敌围困窘迫的城中将他们暗暗地吃了。
Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin'ity boky ity, hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: JEHOVAH ANDRIAMANITRAO,
「这书上所写律法的一切话是叫你敬畏耶和华─你 神可荣可畏的名。你若不谨守遵行,耶和华就必将奇灾,就是至大至长的灾,至重至久的病,加在你和你后裔的身上,
dia hataon'i Jehovah mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, dia kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy sady maharitra ela.
并入上一节
Dia haveriny aminao indray ny aretin'i Egypta rehetra, izay natahoranao ka hiraikitra aminao ireny.
也必使你所惧怕、埃及人的病都临到你,贴在你身上,
Ary ny faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra koa, izay tsy voasoratra amin'ny bokin'ity lalàna ity aza, dia ho entin'i Jehovah mamely anao mandra-paharinganao.
又必将没有写在这律法书上的各样疾病、灾殃降在你身上,直到你灭亡。
Ary olona vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao fahamaroanareo toy ny kintana eny amin'ny lanitra izao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao.
你们先前虽然像天上的星那样多,却因不听从耶和华─你 神的话,所剩的人数就稀少了。
Ary araka izay nifalian'i Jehovah taminareo hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany kosa no hifalian'i Jehovah handringana sy handrava anareo; dia hofongorana ianareo tsy ho eo amin'ny tany, izay efa hidiranao holovana.
先前耶和华怎样喜悦善待你们,使你们众多,也要照样喜悦毁灭你们,使你们灭亡;并且你们从所要进去得的地上必被拔除。
Dia haelin'i Jehovah any amin'ny firerena rehetra hatramin'ny faran'ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.
耶和华必使你们分散在万民中,从地这边到地那边,你必在那里事奉你和你列祖素不认识、木头石头的神。
Ary any amin'ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan'ny faladianao; fa any no hanomezan'i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy.
在那些国中,你必不得安逸,也不得落脚之地;耶和华却使你在那里心中跳动,眼目失明,精神消耗。
Ar ny ainao hihevingevina eo anatrehanao; dia hatahotra andro aman'alina ianao ka tsy hanampo izay ho velona.
你的性命必悬悬无定;你昼夜恐惧,自料性命难保。
Nony maraina ny andro dia hanao hoe ianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe ianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao.
你因心里所恐惧的,眼中所看见的,早晨必说,巴不得到晚上才好;晚上必说,巴不得到早晨才好。
Ary ianao ho entin'i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin'izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin'ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy. IZAO no tenin'ny fanekena izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao amin'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.
耶和华必使你坐船回埃及去,走我曾告诉你不得再见的路;在那里你必卖己身与仇敌作奴婢,却无人买。」