Deuteronomy 27

Ary Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio.
摩西和以色列的众长老吩咐百姓说:「你们要遵守我今日所吩咐的一切诫命。
Ary amin'ny andro izay hitànareo an'i Jordana ho any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay;
你们过约旦河,到了耶和华─你 神所赐给你的地,当天要立起几块大石头,墁上石灰,
dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, rehefa tafita ianao mba hiditra ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao taminao.
把这律法的一切话写在石头上。你过了河,可以进入耶和华─你 神所赐你流奶与蜜之地,正如耶和华─你列祖之 神所应许你的。
Ary rehefa tafita an'i Jordana ianareo, dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo andro any ka lalory sokay.
你们过了约旦河,就要在以巴路山上照我今日所吩咐的,将这些石头立起来,墁上石灰。
Ary manorena alitara ao ho an'i Jehovah Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehim-by izy.
在那里要为耶和华─你的 神筑一座石坛;在石头上不可动铁器。
Vato tsy voapaika no hataonao alitaran'i Jehovah Andriamanitrao; ka manatera fanatitra dorana eo amboniny ho an'i Jehovah Andriamanitrao.
要用没有凿过的石头筑耶和华─你 神的坛,在坛上要将燔祭献给耶和华─你的 神。
Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.
又要献平安祭,且在那里吃,在耶和华─你的 神面前欢乐。
Ary soraty amin'ireo vato ireo ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, ka ataovy velona tsara ny soratra.
你要将这律法的一切话明明地写在石头上。」
Dia niteny tamin'ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangìna, ka mihainoa, ry Isiraely ô: androany no efa tonga firenen'i Jehovah Andriamanitrao ianao.
摩西和祭司利未人晓谕以色列众人说:「以色列啊,要默默静听。你今日成为耶和华─你 神的百姓了。
Koa henoy ny feon'i Jehovah Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalàny, izay andidiako anao anio.
所以要听从耶和华─你 神的话,遵行他的诫命律例,就是我今日所吩咐你的。」
Dia nandidy ny vahoaka tamin'izany andro izany Mosesy ka nanao hoe:
当日,摩西嘱咐百姓说:
Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an'i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina.
「你们过了约旦河,西缅、利未、犹大、以萨迦、约瑟、便雅悯六个支派的人都要站在基利心山上为百姓祝福。
Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly.
流便、迦得、亚设、西布伦、但、拿弗他利六个支派的人都要站在以巴路山上宣布咒诅。
Dia hiteny ny Levita ka hanao amin'ny Isiraely rehetra amin'ny feo mahery hoe:
利未人要向以色列众人高声说:
Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason'i Jehovah, asan'ny tanan'ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin'ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.
「『有人制造耶和华所憎恶的偶像,或雕刻,或铸造,就是工匠手所做的,在暗中设立,那人必受咒诅!』百姓都要答应说:『阿们!』
Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
「『轻慢父母的,必受咒诅!』百姓都要说:『阿们!』
Hozonina izay mamindra ny faritanin'ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
「『挪移邻舍地界的,必受咒诅!』百姓都要说:『阿们!』
Hozonina izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
「『使瞎子走差路的,必受咒诅!』百姓都要说:『阿们!』
Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
「『向寄居的和孤儿寡妇屈枉正直的,必受咒诅!』百姓都要说:『阿们!』
Hozonina izay mandry amin'ny vadin-drainy, fa mandry amin'izay nandrian-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
「『与继母行淫的,必受咒诅!因为掀开他父亲的衣襟。』百姓都要说:『阿们!』
Hozonina izay mandry amin'ny biby. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
「『与兽淫合的,必受咒诅!』百姓都要说:『阿们!』
Hozonina izay mandry amin'ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
「『与异母同父,或异父同母的姊妹行淫的,必受咒诅!』百姓都要说:『阿们!』
Hozonina izay mandry amin'ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
「『与岳母行淫的,必受咒诅!』百姓都要说:『阿们!』
Hozonina izay mamely ny namany ao amin'ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
「『暗中杀人的,必受咒诅!』百姓都要说:『阿们!』
Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
「『受贿赂害死无辜之人的,必受咒诅!』百姓都要说:『阿们!』
Hozonina izay tsy mankatò ny tenin'ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
「『不坚守遵行这律法言语的,必受咒诅!』百姓都要说:『阿们!』