Deuteronomy 21

Raha tahìny misy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,
「在耶和华─你 神所赐你为业的地上,若遇见被杀的人倒在田野,不知道是谁杀的,
dia hivoaka ny loholonao sy ny mpitsaranao ka horefesiny hatreo amin'ny faty ka hatramin'izay tanàna manodidina azy.
长老和审判官就要出去,从被杀的人那里量起,直量到四围的城邑,
Ary ny loholona amin'ny tanàna izay akaikin'ny faty indrindra dia haka ombivavy kely izay tsy mbola nampiasaina na nasiana zioga hitarihany.
看哪城离被杀的人最近,那城的长老就要从牛群中取一只未曾耕地、未曾负轭的母牛犊,
Ary ilay ombivavy kely dia ho entin'ny loholona amin'izany tanàna izany midina any amin'izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.
把母牛犊牵到流水、未曾耕种的山谷去,在谷中打折母牛犊的颈项。
Ary ireo mpisorona, taranak'i Levy, dia hanatona, fa izy no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anaran'i Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny vonoana rehetra;
祭司利未的子孙要近前来;因为耶和华─你的 神拣选了他们事奉他,奉耶和华的名祝福,所有争讼殴打的事都要凭他们判断。
ary ny loholona rehetra amin'izany tanàna akaikin'ny faty izany dia hanasa ny tànany eo ambonin'ilay ombivavy kely izay efa voafolaka tany an-dohasaha ny vozony;
那城的众长老,就是离被杀的人最近的,要在那山谷中,在所打折颈项的母牛犊以上洗手,
dia hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Tsy ny tananay no nandatsaka ity rà ity, sady tsy nahita izany ny masonay.
祷告(原文作回答)说:『我们的手未曾流这人的血;我们的眼也未曾看见这事。
Jehovah ô, mamelà ny heloky ny Isiraely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Isiraely olonao ny rà marina! Dia ho afa-keloka ny amin'izany rà izany izy.
耶和华啊,求你赦免你所救赎的以色列民,不要使流无辜血的罪归在你的百姓以色列中间。』这样,流血的罪必得赦免。
Ka dia hesorinao ho afaka aminao ny rà marina, raha hanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ianao.
你行耶和华眼中看为正的事,就可以从你们中间除掉流无辜血的罪。」
Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao, ary atolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy ka voababonao,
「你出去与仇敌争战的时候,耶和华─你的 神将他们交在你手中,你就掳了他们去。
ary misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin'ny babo ka tianao hovadina,
若在被掳的人中见有美貌的女子,恋慕她,要娶她为妻,
dia ento ho ao an-tranonao izy, ka asaovy haratany ny lohany sy alàny ny hohony,
就可以领她到你家里去;她便要剃头发,修指甲,
ary asaovy esoriny koa ny fitafiany tamin'ny nahababo azy, dia aoka hitoetra ao an-tranonao andro iray volana izy hitomany ny ray aman-dreniny; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo mandry aminy ianao ka ho tompom-bady azy, ary ho vadinao izy.
脱去被掳时所穿的衣服,住在你家里哀哭父母一个整月,然后可以与她同房。你作她的丈夫,她作你的妻子。
Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.
后来你若不喜悦她,就要由她随意出去,决不可为钱卖她,也不可当婢女待她,因为你玷污了她。」
Raha misy lehilahy mamporafy, ka ny anankiray tiany, fa ny anankiray kosa tsy tiany, ary samy miteraka zaza aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak'ilay tsy tiany no lahimatoa:
「人若有二妻,一为所爱,一为所恶,所爱的、所恶的都给他生了儿子,但长子是所恶之妻生的。
amin'ny andro handidiany fananana ho an'ny zananilahy dia tsy azo hatao lahimatoa ny zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany ny zanaky ny tsy tiany, izay tena lahimatoany;
到了把产业分给儿子承受的时候,不可将所爱之妻生的儿子立为长子,在所恶之妻生的儿子以上,
fa ny lahimatoa, zanak'ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa amin'izay rehetra ananany; fa voalohan'ainy izy, ka azy ny fizokiana.
却要认所恶之妻生的儿子为长子,将产业多加一分给他;因这儿子是他力量强壮的时候生的,长子的名分本当归他。」
Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon'ny rainy, na ny feon'ny reniny, ka tsy zakany anarina,
「人若有顽梗悖逆的儿子,不听从父母的话,他们虽惩治他,他仍不听从,
dia hosamborin'ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin'ny loholona amin'ny tanànany, eo amin'ny vavahadin'ny tanàna onenany,
父母就要抓住他,将他带到本地的城门、本城的长老那里,
dia hiteny amin'ny loholona amin'ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony.
对长老说:『我们这儿子顽梗悖逆,不听从我们的话,是贪食好酒的人。』
Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra.
本城的众人就要用石头将他打死。这样,就把那恶从你们中间除掉,以色列众人都要听见害怕。」
Ary raha misy olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka atao maty ary ahantona amin'ny hazo.
「人若犯该死的罪,被治死了,你将他挂在木头上,
dia tsy havela hiloaka alina eo amin'ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr'iny ihany izy (fa voaozon'Andriamanitra ny mihantona amin'ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.
他的尸首不可留在木头上过夜,必要当日将他葬埋,免得玷污了耶和华─你 神所赐你为业之地。因为被挂的人是在 神面前受咒诅的。