Deuteronomy 19

Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon'ny tany omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,
「耶和华─你 神将列国之民剪除的时候,耶和华─你 神也将他们的地赐给你,你接著住他们的城邑并他们的房屋,
dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana.
就要在耶和华─你 神所赐你为业的地上分定三座城。
Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran'ny mahafaty olona rehetra ao.
要将耶和华─你 神使你承受为业的地分为三段;又要预备道路,使误杀人的,都可以逃到那里去。
Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha
「误杀人的逃到那里可以存活,定例乃是这样:凡素无仇恨,无心杀了人的,
toy ny olona izay miaraka amin'ny namany ho any an'ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin'ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;
就如人与邻舍同入树林砍伐树木,手拿斧子一砍,本想砍下树木,不料,斧头脱了把,飞落在邻舍身上,以致于死,这人逃到那些城的一座城,就可以存活,
fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly rà, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.
免得报血仇的,心中火热追赶他,因路远就追上,将他杀死;其实他不该死,因为他与被杀的素无仇恨。
Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo ho anao.
所以我吩咐你说,要分定三座城。
Ary raha hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany tamin'ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny razanao
耶和华─你 神若照他向你列祖所起的誓扩张你的境界,将所应许赐你列祖的地全然给你,
(raha hitandrina ianao ka hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin'ny lalany), dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny;
你若谨守遵行我今日所吩咐的这一切诫命,爱耶和华─你的 神,常常遵行他的道,就要在这三座城之外,再添三座城,
mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin'ny rà ianao.
免得无辜之人的血流在耶和华─你 神所赐你为业的地上,流血的罪就归于你。
Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo,
「若有人恨他的邻舍,埋伏著起来击杀他,以致于死,便逃到这些城的一座城,
ny loholona amin'ny tanànany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-tànan'ny mpamaly rà, mba hovonoiny ho faty izy.
本城的长老就要打发人去,从那里带出他来,交在报血仇的手中,将他治死。
Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny heloka ny amin'ny rà marina, mba hahita soa ianao.
你眼不可顾惜他,却要从以色列中除掉流无辜血的罪,使你可以得福。」
Aza mamindra ny fari-tanin'ny namanao, izay efa vitan'ny razana teo amin'ny zara-taninao, izay azonao eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.
「在耶和华─你 神所赐你承受为业之地,不可挪移你邻舍的地界,那是先人所定的。」
Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin'izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny.
「人无论犯什么罪,作什么恶,不可凭一个人的口作见证,总要凭两三个人的口作见证才可定案。
Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,
若有凶恶的见证人起来,见证某人作恶,
dia hitsangana eo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan'ny mpisorona sy ny mpitsara amin'izany andro izany;
这两个争讼的人就要站在耶和华面前,和当时的祭司,并审判官面前,
ary raha hadinin'ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany,
审判官要细细地查究,若见证人果然是作假见证的,以假见证陷害弟兄,
dia araka izay nokasainy hatao amin'ny namany no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
你们就要待他如同他想要待的弟兄。这样,就把那恶从你们中间除掉。
Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminao intsony.
别人听见都要害怕,就不敢在你们中间再行这样的恶了。
Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon'ny aina, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra.
你眼不可顾惜,要以命偿命,以眼还眼,以牙还牙,以手还手,以脚还脚。」