Deuteronomy 17

Aza vonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na, fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany.
「凡有残疾,或有什么恶病的牛羊,你都不可献给耶和华─你的 神,因为这是耶和华─你 神所憎恶的。
Raha misy hita ao aminao ao an-tanànanao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny
「在你们中间,在耶和华─你 神所赐你的诸城中,无论那座城里,若有人,或男或女,行耶和华─你 神眼中看为恶的事,违背了他的约,
ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin'ny masoandro, na amin'ny volana, na amin'ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy,
去事奉敬拜别神,或拜日头,或拜月亮,或拜天象,是主不曾吩咐的;
ka voalaza aminao izany, ary efa renao, dia diniho tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo amin'ny Isiraely izany fahavetavetana izany:
有人告诉你,你也听见了,就要细细地探听,果然是真,准有这可憎恶的事行在以色列中,
dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.
你就要将行这恶事的男人或女人拉到城门外,用石头将他打死。
Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin'ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy.
要凭两三个人的口作见证将那当死的人治死;不可凭一个人的口作见证将他治死。
Ny tanan'ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
见证人要先下手,然后众民也下手将他治死。这样,就把那恶从你们中间除掉。
Raha misy teny sarotra loatra amin'ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao.
「你城中若起了争讼的事,或因流血,或因争竞,或因殴打,是你难断的案件,你就当起来,往耶和华─你 神所选择的地方
ary mankanesa amin'ireo Levita mpisorona sy amin'ny anankiray izay mpitsara amin'izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana.
去见祭司利未人,并当时的审判官,求问他们,他们必将判语指示你。
Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, ka mitandrema hanao araka izay rehetra hatorony anao.
他们在耶和华所选择的地方指示你的判语,你必照著他们所指教你的一切话谨守遵行。
Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin'ny teny izay hambarany aminao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
要按他们所指教你的律法,照他们所断定的去行;他们所指示你的判语,你不可偏离左右。
Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty izany olona izany; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny fanao ratsy.
若有人擅敢不听从那侍立在耶和华─你 神面前的祭司,或不听从审判官,那人就必治死;这样,便将那恶从以色列中除掉。
Ary ny vahoaka rehetra handre, dia hatahotra ka tsy hiavonavona intsony.
众百姓都要听见害怕,不再擅敢行事。」
Rehefa tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy,
「到了耶和华─你 神所赐你的地,得了那地居住的时候,若说:『我要立王治理我,像四围的国一样。』
dia izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin'ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin'ny rahalahinao ianao.
你总要立耶和华─你 神所拣选的人为王。必从你弟兄中立一人;不可立你弟兄以外的人为王。
Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin'izany lalana izany intsony.
只是王不可为自己加添马匹,也不可使百姓回埃及去,为要加添他的马匹,因耶和华曾吩咐你们说:『不可再回那条路去。』
Ary aoka tsy hamporafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy.
他也不可为自己多立妃嫔,恐怕他的心偏邪;也不可为自己多积金银。
Ary rehefa mipetraka eo ambonin'ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin'ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin'ireo Levita mpisorona.
他登了国位,就要将祭司利未人面前的这律法书,为自己抄录一本,
Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin'ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an'i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy,
存在他那里,要平生诵读,好学习敬畏耶和华─他的 神,谨守遵行这律法书上的一切言语和这些律例,
mba tsy hiavonavonan'ny fony amin'ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin'ny lalàna, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba ho maro andro amin'ny fanjakany eo amin'ny Isiraely; izy sy ny taranany.
免得他向弟兄心高气傲,偏左偏右,离了这诫命。这样,他和他的子孙便可在以色列中,在国位上年长日久。」