Deuteronomy 11

Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia ny lalàny sy ny fitsipiny ary ny didiny.
「你要爱耶和华─你的 神,常守他的吩咐、律例、典章、诫命。
Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin'ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny tànany mahery sy ny sandriny nahinjitra
你们今日当知道,我本不是和你们的儿女说话;因为他们不知道,也没有看见耶和华─你们 神的管教、威严、大能的手,和伸出来的膀臂,
sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy ny taniny rehetra,
并他在埃及中向埃及王法老和其全地所行的神迹奇事;
sy izay nataony tamin'ny miaramilan'ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin'ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan'i Jehovah mandraka androany,
也没有看见他怎样待埃及的军兵、车马,他们追赶你们的时候,耶和华怎样使红海的水淹没他们,将他们灭绝,直到今日,
ary izay nataony taminareo tany an-efitra, hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity,
并他在旷野怎样待你们,以致你们来到这地方;
ary izay nataony tamin'i Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba, zanak'i Robena, teo amin'ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan'ny tany sy nitelemany azy mbamin'ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan'aina izay nomba azy;
也没有看见他怎样待流便子孙以利押的儿子大坍、亚比兰,地怎样在以色列人中间开口,吞了他们和他们的家眷,并帐棚与跟他们的一切活物。
fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon'i Jehovah.
惟有你们亲眼看见耶和华所做的一切大事。」
Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery ianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana;
「所以,你们要守我今日所吩咐的一切诫命,使你们胆壮,能以进去,得你们所要得的那地,
ary, mba ho maro andro ianareo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.
并使你们的日子在耶和华向你们列祖起誓、应许给他们和他们后裔的地上得以长久;那是流奶与蜜之地。
Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman'ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen'anana.
你要进去得为业的那地,本不像你出来的埃及地。你在那里撒种,用脚浇灌,像浇灌菜园一样。
Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin'ny ranonoran-danitra,
你们要过去得为业的那地乃是有山有谷、雨水滋润之地,
dia tany izay tandreman'i Jehovah Andriamanitrao; ny mason'i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin'ny fiandohan'ny taona ka hatramin'ny fiafarany.
是耶和华─你 神所眷顾的;从岁首到年终,耶和华─你 神的眼目时常看顾那地。
Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,
「你们若留意听从我今日所吩咐的诫命,爱耶和华─你们的 神,尽心尽性事奉他,
dia halatsako eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao;
他(原文是我)必按时降秋雨春雨在你们的地上,使你们可以收藏五谷、新酒和油,
ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an'ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.
也必使你吃得饱足,并使田野为你的牲畜长草。
Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo;
你们要谨慎,免得心中受迷惑,就偏离正路,去事奉敬拜别神。
ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah anareo.
耶和华的怒气向你们发作,就使天闭塞不下雨,地也不出产,使你们在耶和华所赐给你们的美地上速速灭亡。
Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinareo;
「你们要将我这话存在心内,留在意中,系在手上为记号,戴在额上为经文;
ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha;
也要教训你们的儿女,无论坐在家里,行在路上,躺下,起来,都要谈论;
ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao izy;
又要写在房屋的门框上,并城门上,
mba ho maro ny andronareo sy ny andron'ny taranakareo eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy, toy ny faharetan'ny lanitra ambonin'ny tany.
使你们和你们子孙的日子在耶和华向你们列祖起誓、应许给他们的地上得以增多,如天覆地的日子那样多。
Fa raha hitandrina tsara izao lalàna rehetra izao izay andidiako anareo ianareo ka manaraka azy ary ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handeha eo amin'ny lalany rehetra sy hifikitra aminy,
你们若留意谨守遵行我所吩咐这一切的诫命,爱耶和华─你们的 神,行他的道,专靠他,
dia horoahin'i Jehovah eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary ianareo haharesy firenena maro, izay lehibe sy mahery noho ianareo.
他必从你们面前赶出这一切国民,就是比你们更大更强的国民,你们也要得他们的地。
Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladian'ny tongotrareo dia ho anareo: hatramin'ny efitra sy Libanona ary hatramin'ny ony Eofrata ka hatramin'ny ranomasina andrefana no ho fari-taninareo.
凡你们脚掌所踏之地都必归你们;从旷野和黎巴嫩,并伯拉大河,直到西海,都要作你们的境界。
Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho azon'ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.
必无一人能在你们面前站立得住;耶和华─你们的 神必照他所说的,使惧怕惊恐临到你们所踏之地的居民。
Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio:
「看哪,我今日将祝福与咒诅的话都陈明在你们面前。
fitahiana, raha hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio;
你们若听从耶和华─你们 神的诫命,就是我今日所吩咐你们的,就必蒙福。
ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin'ny lalana izay andidiako anareo anio mba haleha ianareo ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.
你们若不听从耶和华─你们 神的诫命,偏离我今日所吩咐你们的道,去事奉你们素来所不认识的别神,就必受祸。
Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin'ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizinia, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala.
及至耶和华─你的 神领你进入要去得为业的那地,你就要将祝福的话陈明在基利心山上,将咒诅的话陈明在以巴路山上。
Tsy any an-dafin'i Jordana va izy roa, any ankoatry ny lalana andrefana, amin'ny tanin'ny Kananita, izay monina eo amin'ny tani-hay tandrifin'i Gilgaly, eo anilan'ny hazo terebintan'i More?
这二山岂不是在约旦河那边,日落之处,在住亚拉巴的迦南人之地与吉甲相对,靠近摩利橡树吗?
Fa ianareo efa handeha hita an'i Jordana ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo, ary handova azy ianareo ka honina eo;
你们要过约旦河,进去得耶和华─你们 神所赐你们为业之地,在那地居住。
koa tandremo mba harahinareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio.
你们要谨守遵行我今日在你们面前所陈明的一切律例典章。」