Deuteronomy 10

Tamin'izany andro izany no nilazan'Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho etỳ amiko etỳ an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao;
「那时,耶和华吩咐我说:『你要凿出两块石版,和先前的一样,上山到我这里来,又要做一木柜。
dia hosoratako amin'ny vato fisaka ilay teny teo amin'ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin'ny fiara ireny.
你先前摔碎的那版,其上的字我要写在这版上;你要将这版放在柜中。』
Dia nanao fiara tamin'ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako.
于是我用皂荚木做了一柜,又凿出两块石版,和先前的一样,手里拿这两块版上山去了。
Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny afo tamin'ny andro nivoriana; dia nomen'i Jehovah ahy ireny.
耶和华将那大会之日、在山上从火中所传与你们的十条诫,照先前所写的,写在这版上,将版交给我了。
Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin'ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin'ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay nandidian'i Jehovah ahy.
我转身下山,将这版放在我所做的柜中,现今还在那里,正如耶和华所吩咐我的。」
Ary ny Zanak'Isiraely nandeha niala tamin'ny fantsakan'i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan'i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
(以色列人从比罗比尼‧亚干(或作:亚干井)起行,到了摩西拉。亚伦死在那里,就葬在那里。他儿子以利亚撒接续他供祭司的职分。
Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony.
他们从那里起行,到了谷歌大,又从谷歌大到了有溪水之地的约巴他。
Tamin'izany andro izany no nanokanan'1 Jehovah ny firenen'i Levy hitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy hijanona eo anatrehan'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anarany mandraka androany.
那时,耶和华将利未支派分别出来,抬耶和华的约柜,又侍立在耶和华面前事奉他,奉他的名祝福,直到今日。
Izany no tsy ananan'ny Levita anjara na lova eo amin'ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrao taminy.
所以利未人在他弟兄中无分无业,耶和华是他的产业,正如耶和华─你 神所应许他的。)
Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin'izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao.
「我又像从前在山上住了四十昼夜。那次耶和华也应允我,不忍将你灭绝。
Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan'ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin'ny razany homena azy.
耶和华吩咐我说:『你起来引导这百姓,使他们进去得我向他们列祖起誓应许所赐之地。』
Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
以色列啊,现在耶和华─你 神向你所要的是什么呢?只要你敬畏耶和华─你的 神,遵行他的道,爱他,尽心尽性事奉他,
hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?
遵守他的诫命律例,就是我今日所吩咐你的,为要叫你得福。
Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy.
看哪,天和天上的天,地和地上所有的,都属耶和华─你的 神。
Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao.
耶和华但喜悦你的列祖,爱他们,从万民中拣选他们的后裔,就是你们,像今日一样。
Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
所以你们要将心里的污秽除掉,不可再硬著颈项。
Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly;
因为耶和华─你们的 神─他是万神之神,万主之主,至大的 神,大有能力,大而可畏,不以貌取人,也不受贿赂。
manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
他为孤儿寡妇伸冤,又怜爱寄居的,赐给他衣食。
Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo.
所以你们要怜爱寄居的,因为你们在埃及地也作过寄居的。
Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.
你要敬畏耶和华─你的 神,事奉他,专靠他,也要指著他的名起誓。
Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan'ny masonao.
他是你所讚美的,是你的 神,为你做了那大而可畏的事,是你亲眼所看见的。
Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon'i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ianao.
你的列祖七十人下埃及;现在耶和华─你的 神使你如同天上的星那样多。」