Colossians 4

Hianareo tompo, ataovy amin'ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
你们作主人的,要公公平平的待仆人,因为知道你们也有一位主在天上。
Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana,
你们要恒切祷告,在此儆醒感恩。
ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an'i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
也要为我们祷告,求 神给我们开传道的门,能以讲基督的奥祕(我为此被捆锁),
mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
叫我按著所该说的话将这奥祕发明出来。
Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
你们要爱惜光阴,用智慧与外人交往。
Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
你们的言语要常常带著和气,好像用盐调和,就可知道该怎样回答各人。
Ny toetro rehetra dia holazain'i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin'ny Tompo;
有我亲爱的兄弟推基古要将我一切的事都告诉你们。他是忠心的执事,和我一同作主的仆人,
ny anton'ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;
我特意打发他到你们那里去,好叫你们知道我们的光景,又叫他安慰你们的心。
ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ .
我又打发一位亲爱忠心的兄弟阿尼西母同去;他也是你们那里的人。他们要把这里一切的事都告诉你们。
Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan'i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
与我一同坐监的亚里达古问你们安。巴拿巴的表弟马可也问你们安。(说到这马可,你们已经受了吩咐;他若到了你们那里,你们就接待他。)
ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
耶数又称为犹士都,也问你们安。奉割礼的人中,只有这三个人是为 神的国与我一同做工的,也是叫我心里得安慰的。
Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra.
有你们那里的人,作基督耶稣仆人的以巴弗问你们安。他在祷告之间,常为你们竭力的祈求,愿你们在 神一切的旨意上得以完全,信心充足,能站立得稳。
Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy.
他为你们和老底嘉并希拉波立的弟兄多多的劳苦,这是我可以给他作见证的。
Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
所亲爱的医生路加和底马问你们安。
Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an- tranony.
请问老底嘉的弟兄和宁法,并她家里的教会安。
Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny fiangonan'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana.
你们念了这书信,便交给老底嘉的教会,叫他们也念;你们也要念从老底嘉来的书信。
Ary lazao amin'i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba hahatanterahanao izany.
要对亚基布说:务要谨慎,尽你从主所受的职分。
Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
我保罗亲笔问你们安。你们要记念我的捆锁。愿恩惠常与你们同在!