Amos 8

Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.
主耶和华又指示我一件事:我看见一筐夏天的果子。
Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin'ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy intsony Aho.
他说:「阿摩司啊,你看见什么?」我说:「看见一筐夏天的果子。」耶和华说:「我民以色列的结局到了,我必不再宽恕他们。」
Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin'izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re!
主耶和华说:「那日,殿中的诗歌变为哀号;必有许多尸首在各处抛弃,无人作声。」
Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin'ny tany
你们这些要吞吃穷乏人、使困苦人衰败的,当听我的话!
Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga
你们说:月朔几时过去,我们好卖粮;安息日几时过去,我们好摆开麦子;卖出用小升斗,收银用大戥子,用诡诈的天平欺哄人,
Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?
好用银子买贫寒人,用一双鞋换穷乏人,将坏了的麦子卖给人。
Jehovah nianiana tamin'ny Reharehan'i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!
耶和华指著雅各的荣耀起誓说:他们的一切行为,我必永远不忘。
Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an'i Neily sy hihena indray toy ny Neilin'i Egypta.
地岂不因这事震动?其上的居民不也悲哀吗?地必全然像尼罗河涨起,如同埃及河涌上落下。
Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany;
主耶和华说:到那日,我必使日头在午间落下,使地在白昼黑暗。
Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy.
我必使你们的节期变为悲哀,歌曲变为哀歌。众人腰束麻布,头上光秃,使这场悲哀如丧独生子,至终如痛苦的日子一样。
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin'i Jehovah;
主耶和华说:日子将到,我必命饥荒降在地上。人饥饿非因无饼,干渴非因无水,乃因不听耶和华的话。
Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita.
他们必飘流,从这海到那海,从北边到东边,往来奔跑,寻求耶和华的话,却寻不著。
Amin'izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,
当那日,美貌的处女和少年的男子必因干渴发昏。
Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.
那指著撒马利亚牛犊(原文是罪)起誓的说:但哪,我们指著你那里的活神起誓;又说:我们指著别是巴的神道(神:原文是活)起誓。这些人都必仆倒,永不再起来。