Acts 9

Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy
扫罗仍然向主的门徒口吐威吓凶杀的话,去见大祭司,
ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.
求文书给大马士革的各会堂,若是找著信奉这道的人,无论男女,都准他捆绑带到耶路撒冷。
Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy;
扫罗行路,将到大马士革,忽然从天上发光,四面照著他;
dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
他就仆倒在地,听见有声音对他说:扫罗!扫罗!你为什么逼迫我?
Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
他说:主啊!你是谁?主说:我就是你所逼迫的耶稣。
fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.
起来!进城去,你所当做的事,必有人告诉你。
Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona.
同行的人站在那里,说不出话来,听见声音,却看不见人。
Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
扫罗从地上起来,睁开眼睛,竟不能看见什么。有人拉他的手,领他进了大马士革;
Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
三日不能看见,也不吃也不喝。
Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
当下,在大马士革有一个门徒,名叫亚拿尼亚。主在异象中对他说:亚拿尼亚。他说:主,我在这里。
Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy;
主对他说:起来!往直街去,在犹大的家里,访问一个大数人,名叫扫罗。他正祷告,
ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony.
又看见了一个人,名叫亚拿尼亚,进来按手在他身上,叫他能看见。
Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema.
亚拿尼亚回答说:主啊,我听见许多人说:这人怎样在耶路撒冷多多苦害你的圣徒,
Ary manana fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
并且他在这里有从祭司长得来的权柄捆绑一切求告你名的人。
Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely;
主对亚拿尼亚说:你只管去!他是我所拣选的器皿,要在外邦人和君王,并以色列人面前宣扬我的名。
fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
我也要指示他,为我的名必须受许多的苦难。
Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.
亚拿尼亚就去了,进入那家,把手按在扫罗身上,说:兄弟扫罗,在你来的路上向你显现的主,就是耶稣,打发我来,叫你能看见,又被圣灵充满。
Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
扫罗的眼睛上,好像有鳞立刻掉下来,他就能看见。于是起来受了洗;
ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy.
吃过饭就健壮了。扫罗和大马士革的门徒同住了些日子,
Ary niaraka tamin'izay dia nitory teo amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa Zanak'Andriamanitra.
就在各会堂里宣传耶稣,说他是 神的儿子。
Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin'ny mpisoronabe.
凡听见的人都惊奇,说:在耶路撒冷残害求告这名的,不是这人吗?并且他到这里来,特要捆绑他们,带到祭司长那里。
Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.
但扫罗越发有能力,驳倒住大马士革的犹太人,证明耶稣是基督。
Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;
过了好些日子,犹太人商议要杀扫罗,
nefa fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman'alina hamonoany azy.
但他们的计谋被扫罗知道了。他们又昼夜在城门守候,要杀他。
Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin'ny sobiky avy eo amin'ny mànda.
他的门徒就在夜间用筐子把他从城墙上缒下去。
Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
扫罗到了耶路撒冷,想与门徒结交,他们却都怕他,不信他是门徒。
Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy.
惟有巴拿巴接待他,领去见使徒,把他在路上怎么看见主,主怎么向他说话,他在大马士革怎么奉耶稣的名放胆传道,都述说出来。
Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo tany Jerosalema,
于是扫罗在耶路撒冷和门徒出入来往,
sady nitory tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin'ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.
奉主的名放胆传道,并与说希腊话的犹太人讲论辩驳;他们却想法子要杀他。
Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
弟兄们知道了就送他下凯撒利亚,打发他往大数去。
Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny Fanahy ka nihamaro.
那时,犹太、加利利、撒马利亚各处的教会都得平安,被建立;凡事敬畏主,蒙圣灵的安慰,人数就增多了。
Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin'ny olona masina nonina tany Lyda koa.
彼得周流四方的时候,也到了居住吕大的圣徒那里;
Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.
遇见一个人,名叫以尼雅,得了瘫痪,在褥子上躺卧八年。
Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy.
彼得对他说:以尼雅,耶稣基督医好你了;起来!收拾你的褥子。他就立刻起来了。
Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.
凡住吕大和沙崙的人都看见了他,就归服主。
Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany.
在约帕有一个女徒,名叫大比大,繙希腊话就是多加(就是羚羊的意思);她广行善事,多施赒济。
Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.
当时,她患病而死,有人把她洗了,停在楼上。
Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.
吕大原与约帕相近;门徒听见彼得在那里,就打发两个人去见他,央求他说:快到我们那里去,不要耽延。
Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony.
彼得就起身和他们同去;到了,便有人领他上楼。众寡妇都站在彼得旁边哭,拿多加与他们同在时所做的里衣外衣给他看。
Ary navoak'i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina.
彼得叫她们都出去,就跪下祷告,转身对著死人说:大比大,起来!她就睁开眼睛,见了彼得,便坐起来。
Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.
彼得伸手扶他起来,叫众圣徒和寡妇进去,把多加活活的交给他们。
Ary dia fantatra eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.
这事传遍了约帕,就有许多人信了主。
Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.
此后,彼得在约帕一个硝皮匠西门的家里住了多日。