Acts 4

Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo;
使徒对百姓说话的时候,祭司们和守殿官,并撒都该人忽然来了。
fa sosotra izy noho ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy ny fitsanganana amin'ny maty.
因他们教训百姓,本著耶稣,传说死人复活,就很烦恼,
Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay.
于是下手拿住他们;因为天已经晚了,就把他们押到第二天。
Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy.
但听道之人有许多信的,男丁数目约到五千。
Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna
第二天,官府、长老,和文士在耶路撒冷聚会,
sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe.
又有大祭司亚那和该亚法、约翰、亚力山大,并大祭司的亲族都在那里,
Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?
叫使徒站在当中,就问他们说:你们用什么能力,奉谁的名做这事呢?
Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
那时彼得被圣灵充满,对他们说:
raha adinina izahay anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,
治民的官府和长老啊,倘若今日因为在残疾人身上所行的善事查问我们他是怎么得了痊癒,
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo.
你们众人和以色列百姓都当知道,站在你们面前的这人得痊癒是因你们所钉十字架、 神叫他从死里复活的拿撒勒人耶稣基督的名。
Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22).
他是你们匠人所弃的石头,已成了房角的头块石头。
Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.
除他以外,别无拯救;因为在天下人间,没有赐下别的名,我们可以靠著得救。
Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy.
他们见彼得、约翰的胆量,又看出他们原是没有学问的小民,就希奇,认明他们是跟过耶稣的;
Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny.
又看见那治好了的人和他们一同站著,就无话可驳。
Ary rehefa nasainy niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy
于是吩咐他们从公会出去,就彼此商议说:
ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.
我们当怎样办这两个人呢?因为他们诚然行了一件明显的神迹,凡住耶路撒冷的人都知道,我们也不能说没有。
Fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza.
惟恐这事越发传扬在民间,我们必须恐吓他们,叫他们不再奉这名对人讲论。
Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony.
于是叫了他们来,禁止他们总不可奉耶稣的名讲论教训人。
Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.
彼得、约翰说:听从你们,不听从 神,这在 神面前合理不合理,你们自己酌量吧!
Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.
我们所看见所听见的,不能不说。
Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an'Andriamanitra noho ny amin'ny zavatra efa natao.
官长为百姓的缘故,想不出法子刑罚他们,又恐吓一番,把他们释放了。这是因众人为所行的奇事都归荣耀与 神。
Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.
原来借著神迹医好的那人有四十多岁了。
Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy.
二人既被释放,就到会友那里去,把祭司长和长老所说的话都告诉他们。
Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,
他们听见了,就同心合意的高声向 神说:主啊!你是造天、地、海,和其中万物的,
ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena?
你曾借著圣灵,托你仆人─我们祖宗大卫的口,说:外邦为什么争闹?万民为什么谋算虚妄的事?
Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2).
世上的君王一齐起来,臣宰也聚集,要敌挡主,并主的受膏者(或作:基督)。
Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao,
希律和本丢彼拉多,外邦人和以色列民,果然在这城里聚集,要攻打你所膏的圣仆(仆:或作子)耶稣,
mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao.
成就你手和你意旨所预定必有的事。
Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra,
他们恐吓我们,现在求主鉴察,一面叫你仆人大放胆量讲你的道,一面伸出你的手来医治疾病,并且使神迹奇事因著你圣仆(仆:或作子)耶稣的名行出来。
omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao Masina.
a
Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
祷告完了,聚会的地方震动,他们就都被圣灵充满,放胆讲论 神的道。
Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
那许多信的人都是一心一意的,没有一人说他的东西有一样是自己的,都是大家公用。
Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra.
使徒大有能力,见证主耶稣复活;众人也都蒙大恩。
Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo,
内中也没有一个缺乏的,因为人人将田产房屋都卖了,把所卖的价银拿来,放在使徒脚前,
ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy
照各人所需用的,分给各人。
Ary Josefa, izay nataon'ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany,
有一个利未人,生在塞浦路斯,名叫约瑟,使徒称他为巴拿巴(巴拿巴翻出来就是劝慰子)。
dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
他有田地,也卖了,把价银拿来,放在使徒脚前。