Acts 28

Ary rehefa voavonjy izahay, vao fantatray fa Melita no anaran'ilay nosy.
我们既已得救,才知道那岛名叫马耳他。
Ary tsy kely ny soa nasehon'ny tompon-tany taminay; fa namelona afo izy ka nandray tsara anay rehetra, satria nilatsaka tamin'izay ny ranonorana, sady nangatsiaka ny andro.
土人看待我们,有非常的情分;因为当时下雨,天气又冷,就生火接待我们众人。
Dia namory kitay hazo iray trotroana Paoly ka nanohoka izany teo amin'ny afo; ary nisy menarana nivoaka avy tamin'ny afo ka niraikitra tamin'ny tànany.
那时,保罗拾起一捆柴,放在火上,有一条毒蛇,因为热了出来,咬住他的手。
Ary raha hitan'ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin'ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin'ny ranomasina aza izy, tsy avelan'ny todin'aina ho velona.
土人看见那毒蛇悬在他手上,就彼此说:这人必是个凶手,虽然从海里救上来,天理还不容他活著。
Fa nakifiny ho eo amin'ny afo ilay biby, ka tsy nisy naninona izy na dia kely akory aza.
保罗竟把那毒蛇甩在火里,并没有受伤。
Ary ny olona kosa nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an'i Paoly, dia niova saina izy ka nanao hoe: andriamanitra io.
土人想他必要肿起来,或是忽然仆倒死了;看了多时,见他无害,就转念,说:他是个 神。
Ary teo akaikin'io dia nisy sahan'i Popilo, mpanapaka ny nosy, izay nandray anay ka nampiantrano anay tsara hateloana.
离那地方不远,有田产是岛长部百流的;他接纳我们,尽情款待三日。
Ary nararin'ny tazo sady nivalan-drà ny rain'i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy.
当时,部百流的父亲患热病和痢疾躺著。保罗进去,为他祷告,按手在他身上,治好了他。
Ary rehefa vita izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin'ny nosy, ka dia sitrana.
从此,岛上其余的病人也来,得了医治。
Ary voninahitra be no nomen'ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia novatsiany tsara.
他们又多方的尊敬我们;到了开船的时候,也把我们所需用的送到船上。
Ary rehefa afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin'ny sambon'Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina teo amin'izany nosy izany sady nisy sarin'ny Zaza Kambana.
过了三个月,我们上了亚力山大的船往前行;这船以丢斯双子为记,是在那海岛过了冬的。
Ary rehefa nitody tany Syrakosa izahay, dia nitoetra teo hateloana.
到了叙拉古,我们停泊三日;
Ary nony niala teo izahay, dia nisompirana nankany Regioma; ary rehefa afaka indray andro, dia nifofofofo avy any atsimo ny rivotra, koa nony ampitso dia tonga tao Potioly izahay;
又从那里绕行,来到利基翁。过了一天,起了南风,第二天就来到部丢利。
tao no nahitanay ny rahalahy sasany, ary izy niangavy anay hitoetra tao aminy hafitoana. Ary toy izany no nandrosoanay nankany Roma.
在那里遇见弟兄们,请我们与他们同住了七天。这样,我们来到罗马。
Ary nony nahare ny dianay ny rahalahy tany, dia tonga izy nitsena anay hatrany amin'ny Tsenan'Apio sy ny Tranombahiny Telo; raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an'Andriamanitra izy ka nahazo toky.
那里的弟兄们一听见我们的信息就出来,到亚比乌市和三馆地方迎接我们。保罗见了他们,就感谢 神,放心壮胆。
Ary rehefa tonga tany Roma izahay, Paoly dia navelany hitoetra mitokana teo amin'ny miaramila anankiray izay niambina azy.
进了罗马城,(有古卷在此有:百夫长把众囚犯交给御营的统领,惟有)保罗蒙准和一个看守他的兵另住在一处。
Ary rehefa afaka hateloana, dia nampanalain'i Paoly hiangona izay lohandohany tamin'ny Jiosy; ary rehefa niangona ireo, dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia mpifatotra avy tany Jerosalema natolotra teo an-tànan'ny Romana, na dia tsy diso tamin'ny firenentsika aza, na tamin'ny fanaon-drazana;
过了三天,保罗请犹太人的首领来。他们来了,就对他们说:弟兄们,我虽没有做什么事干犯本国的百姓和我们祖宗的规条,却被锁绑,从耶路撒冷解在罗马人的手里。
ary rehefa nanadina ahy mafy ireo, dia saiky nandefa ahy ihany, satria tsy nisy nataoko izay tokony hahafaty ahy.
他们审问了我,就愿意释放我;因为在我身上,并没有该死的罪。
Fa raha notoherin'ny Jiosy izany, dia tery aho ka nilaza fa handahatra amin'i Kaisara, nefa tsy mba toy ny manana teny hiampangako ny fireneko tsy akory.
无奈犹太人不服,我不得已,只好上告于凯撒,并非有什么事要控告我本国的百姓。
Ary izany zavatra izany no nampanalako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny fanantenan'ny Isiraely no ifatorako amin'ity gadra ity.
因此,我请你们来见面说话,我原为以色列人所指望的,被这鍊子捆锁。
Ary hoy izy ireo taminy; Izahay tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy mbola nisy rahalahy izay nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;
他们说:我们并没有接著从犹太来论你的信,也没有弟兄到这里来报给我们说你有什么不好处。
fa tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin'izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.
但我们愿意听你的意见如何;因为这教门,我们晓得是到处被毁谤的。
Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan'Andriamanitra hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, ary ny teny eo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an'i Jesosy.
他们和保罗约定了日子,就有许多人到他的寓处来。保罗从早到晚,对他们讲论这事,证明 神国的道,引摩西的律法和先知的书,以耶稣的事劝勉他们。
Ary ny sasany nino izay nolazainy, fa ny sasany kosa tsy mba nino.
他所说的话,有信的,有不信的。
Ary raha tsy niray saina ireo dia niala, rehefa nanao teny indraim-bava Paoly hoe: Marina izay nampilazain'ny Fanahy Masina an'Isaia mpaminany tamin'ny razanareo
他们彼此不合,就散了;未散以先,保罗说了一句话,说:圣灵借先知以赛亚向你们祖宗所说的话是不错的。
manao hoe: Mandehana any amin'ity firenena ity ianao, ka lazao hoe: Mba hahare mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
他说:你去告诉这百姓说:你们听是要听见,却不明白;看是要看见,却不晓得;
Fa efa adala ny fon'ireo olona ireo, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).
因为这百姓油蒙了心,耳朵发沉,眼睛闭著;恐怕眼睛看见,耳朵听见,心里明白,回转过来,我就医治他们。
Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen'Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin'ny jentilisa, ary izy hihaino azy.
所以你们当知道, 神这救恩,如今传给外邦人,他们也必听受。(有古卷在此有:
保罗说了这话,犹太人议论纷纷的就走了。)
保罗在自己所租的房子里住了足足两年。凡来见他的人,他全都接待,
放胆传讲 神国的道,将主耶稣基督的事教导人,并没有人禁止。