Acts 23

Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara mandraka androany.
保罗定睛看著公会的人,说:弟兄们,我在 神面前行事为人都是凭著良心,直到今日。
Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany.
大祭司亚拿尼亚就吩咐旁边站著的人打他的嘴。
Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
保罗对他说:你这粉饰的墙, 神要打你!你坐堂为的是按律法审问我,你竟违背律法,吩咐人打我吗?
Ary izay nitsangana teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben'Andriamanitra?
站在旁边的人说:你辱骂 神的大祭司吗?
Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao (Eks. 22. 27).
保罗说:弟兄们,我不晓得他是大祭司;经上记著说:不可毁谤你百姓的官长。
Ary rehefa fantatr'i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin'ny fanantenana sy ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy.
保罗看出大众一半是撒都该人,一半是法利赛人,就在公会中大声说:弟兄们,我是法利赛人,也是法利赛人的子孙。我现在受审问,是为盼望死人复活。
Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro.
说了这话,法利赛人和撒都该人就争论起来,会众分为两党。
Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.
因为撒都该人说,没有复活,也没有天使和鬼魂;法利赛人却说,两样都有。
Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
于是大大的喧嚷起来。有几个法利赛党的文士站起来争辩说:我们看不出这人有什么恶处,倘若有鬼魂或是天使对他说过话,怎么样呢?
Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan'ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova.
那时大起争吵,千夫长恐怕保罗被他们扯碎了,就吩咐兵丁下去,把他从众人当中抢出来,带进营楼去。
Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.
当夜,主站在保罗旁边,说:放心吧!你怎样在耶路撒冷为我作见证,也必怎样在罗马为我作见证。
Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an'i Paoly.
到了天亮,犹太人同谋起誓,说:若不先杀保罗就不吃不喝。
Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany.
这样同心起誓的有四十多人。
Ary izy nankany amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an'i Paoly.
他们来见祭司长和长老,说:我们已经起了一个大誓,若不先杀保罗就不吃什么。
Koa ankehitriny dia milazà amin'ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.
现在你们和公会要知会千夫长,叫他带下保罗到你们这里来,假作要详细察考他的事;我们已经预备好了,不等他来到跟前就杀他。
Ary nony ren'ny zanak'anabavin'i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anatirova izy ka nilaza tamin'i Paoly.
保罗的外甥听见他们设下埋伏,就来到营楼里告诉保罗。
Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin'ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.
保罗请一个百夫长来,说:你领这少年人去见千夫长,他有事告诉他。
Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin'ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy.
于是把他领去见千夫长,说:被囚的保罗请我到他那里,求我领这少年人来见你;他有事告诉你。
Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin'ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?
千夫长就拉著他的手,走到一旁,私下问他说:你有什么事告诉我呢?
Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an'i Paoly ho any amin'ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa.
他说:犹太人已经约定,要求你明天带下保罗到公会里去,假作要详细查问他的事。
Koa aza manaiky azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an'i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao.
你切不要随从他们;因为他们有四十多人埋伏,已经起誓说:若不先杀保罗就不吃不喝。现在预备好了,只等你应允。
Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin'olona fa efa nilaza izany tamiko ianao.
于是千夫长打发少年人走,嘱咐他说:不要告诉人你将这事报给我了。
Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin'ny ora fahatelo;
千夫长便叫了两个百夫长来,说:预备步兵二百,马兵七十,长枪手二百,今夜亥初往凯撒利亚去;
ary itondray biby koa hitaingenan'i Paoly hitondra azy soa aman-tsara ho any amin'i Feliksa mpanapaka.
也要预备牲口叫保罗骑上,护送到巡抚腓力斯那里去。
Ary izy nanoratra taratasy nisy izao teny izao:
千夫长又写了文书,
Klaodio Lysia miarahaba an'i Feliksa, mpanapaka tsara indrindra.
大略说:革老丢吕西亚,请巡抚腓力斯大人安。
Ity lehilahy ity dia nosamborin'ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy, dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy.
这人被犹太人拿住,将要杀害,我得知他是罗马人,就带兵丁下去救他出来。
Ary satria ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin'ny Synedriona izy;
因要知道他们告他的缘故,我就带他下到他们的公会去,
dia hitako fa ady hevitra ny amin'ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy.
便查知他被告是因他们律法的辩论,并没有什么该死该绑的罪名。
Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy.
后来有人把要害他的计谋告诉我,我就立时解他到你那里去,又吩咐告他的人在你面前告他。(有古卷在此有:愿你平安!)
Dia nalain'ny miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin'iny alina iny ho any Antipatria.
于是,兵丁照所吩咐他们的,将保罗夜里带到安提帕底。
Ary nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any anati-rova.
第二天,让马兵护送,他们就回营楼去。
Rehefa tonga tany Kaisaria ireo, dia nanolotra ny taratasy tamin'ny mpanapaka sady nanolotra an'i Paoly ho eo anatrehany koa.
马兵来到凯撒利亚,把文书呈给巡抚,便叫保罗站在他面前。
Ary rehefa novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy,
巡抚看了文书,问保罗是那省的人,既晓得他是基利家人,
dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan'i Heroda izy.
就说:等告你的人来到,我要细听你的事;便吩咐人把他看守在希律的衙门里。