Acts 22

Ry rahalahy sy ianareo ray henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny tenako.
诸位父兄请听,我现在对你们分诉。
Ary nony ren'ny olona fa teny Hebreo no nitenenany taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy Paoly:
众人听他说的是希伯来话,就更加安静了。
Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan'ny tongotr'i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin'ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an'Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.
保罗说:我原是犹太人,生在基利家的大数,长在这城里,在迦玛列门下,按著我们祖宗严紧的律法受教,热心事奉 神,像你们众人今日一样。
Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho hatramin'ny mahafaty azy aza, dia namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina;
我也曾逼迫奉这道的人,直到死地,无论男女都锁拿下监。
ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin'ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina.
这是大祭司和众长老都可以给我作见证的。我又领了他们达与弟兄的书信,往大马士革去,要把在那里奉这道的人锁拿,带到耶路撒冷受刑。
Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;
我将到大马士革,正走的时候,约在晌午,忽然从天上发大光,四面照著我。
dia lavo tamin'ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
我就仆倒在地,听见有声音对我说:扫罗!扫罗!你为什么逼迫我?
Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao.
我回答说:主啊,你是谁?他说:我就是你所逼迫的拿撒勒人耶稣。
Ary izay niaraka tamiko dia nahita ny mazava; nefa tsy mba nahare ny feon'izay niteny tamiko izy.
与我同行的人看见了那光,却没有听明那位对我说话的声音。
Ary hoy izaho: Tompoko, inona no hataoko? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao.
我说:主啊,我当做什么?主说:起来,进大马士革去,在那里,要将所派你做的一切事告诉你。
Ary raha tsy nahajery aho noho ny famirapiratan'izany mazava izany, dia notantanan'ireo niaraka tamiko aho, ka dia tonga tany Damaskosy.
我因那光的荣耀不能看见,同行的人就拉著我手进了大马士革。
Ary ny lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin'ny Jiosy rehetra izay nonina teo,
那里有一个人,名叫亚拿尼亚,按著律法是虔诚人,为一切住在那里的犹太人所称讚。
dia nanatona ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin'izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.
他来见我,站在旁边,对我说:兄弟扫罗,你可以看见。我当时往上一看,就看见了他。
Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
他又说:我们祖宗的 神拣选了你,叫你明白他的旨意,又得见那义者,听他口中所出的声音。
fa ho vavolombelony amin'ny olona rehetra ianao ny amin'izay efa hitanao sy renao.
因为你要将所看见的,所听见的,对著万人为他作见证。
Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.
现在你为什么耽延呢?起来,求告他的名受洗,洗去你的罪。
Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan'ny tempoly, dia azon-tsindrimandry
后来,我回到耶路撒冷,在殿里祷告的时候,魂游象外,
ka nahita Azy milaza amiko hoe: Maladia ianao, ka mivoaha faingana an'i Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy.
看见主向我说:你赶紧的离开耶路撒冷,不可迟延;因你为我作的见证,这里的人必不领受。
Dia hoy izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin'ny synagoga rehetra;
我就说:主啊,他们知道我从前把信你的人收在监里,又在各会堂里鞭打他们。
ary raha nalatsaka ny ran'i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian'izay namono azy.
并且你的见证人司提反被害流血的时候,我也站在旁边欢喜;又看守害死他之人的衣裳。
Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin'ny jentilisa.
主向我说:你去吧!我要差你远远的往外邦人那里去。
Ary ny olona nihaino azy hatramin'izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe: Esory amin'ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!
众人听他说到这句话,就高声说:这样的人,从世上除掉他吧!他是不当活著的。
Ary raha niantso sy niala lamba ary nanipy vovoka ho amin'ny rivotra izy,
众人喧嚷,摔掉衣裳,把尘土向空中扬起来。
dia nasain'ny mpifehy arivo ho entina any anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina amin'ny kapoka, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran'ny olona azy toy izany.
千夫长就吩咐将保罗带进营楼去,叫人用鞭子拷问他,要知道他们向他这样喧嚷是为什么缘故。
Ary raha namatotra azy tamin'ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny izay hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina?
刚用皮条捆上,保罗对旁边站著的百夫长说:人是罗马人,又没有定罪,你们就鞭打他,有这个例吗?
Ary ny kapiteny, nony nahare, dia lasa nilaza tamin'ny mpifehy arivo ka nanao hoe: Inona izao hataonao izao? fa Romana io lehilahy io.
百夫长听见这话,就去见千夫长,告诉他说:你要做什么?这人是罗马人。
Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka nanao taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia hoy izy: Eny.
千夫长就来问保罗说:你告诉我,你是罗马人吗?保罗说:是。
Ary ny mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka.
千夫长说:我用许多银子才入了罗马的民籍。保罗说:我生来就是。
Dia nandao azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy.
于是那些要拷问保罗的人就离开他去了。千夫长既知道他是罗马人,又因为捆绑了他,也害怕了。
Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan'ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany.
第二天,千夫长为要知道犹太人控告保罗的实情,便解开他,吩咐祭司长和全公会的人都聚集,将保罗带下来,叫他站在他们面前。