Acts 16

Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty - zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy -
保罗来到特庇,又到路司得。在那里有一个门徒,名叫提摩太,是信主之犹太妇人的儿子,他父亲却是希腊人。
ary tsara laza teo amin'ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
路司得和以哥念的弟兄都称讚他。
Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa rainy.
保罗要带他同去,只因那些地方的犹太人都知道他父亲是希腊人,就给他行了割礼。
Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema.
他们经过各城,把耶路撒冷使徒和长老所定的条规交给门徒遵守。
Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro.
于是众教会信心越发坚固,人数天天加增。
Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
圣灵既然禁止他们在亚细亚讲道,他们就经过弗吕家、加拉太一带地方。
ka efa tonga tany an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesosy.
到了每西亚的边界,他们想要往庇推尼去,耶稣的灵却不许。
Ary rehefa nandalo an'i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.
他们就越过每西亚,下到特罗亚去。
Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
在夜间有异象现与保罗。有一个马其顿人站著求他说:请你过到马其顿来帮助我们。
Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin'ny olona any.
保罗既看见这异象,我们随即想要往马其顿去,以为 神召我们传福音给那里的人听。
Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
于是从特罗亚开船,一直行到撒摩特喇,第二天到了尼亚坡里。
Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay.
从那里来到腓立比,就是马其顿这一方的头一个城,也是罗马的驻防城。我们在这城里住了几天。
Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo.
当安息日,我们出城门,到了河边,知道那里有一个祷告的地方,我们就坐下对那聚会的妇女讲道。
Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly.
有一个卖紫色布疋的妇人,名叫吕底亚,是推雅推喇城的人,素来敬拜 神。她听见了,主就开导她的心,叫她留心听保罗所讲的话。
Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
她和她一家既领了洗,便求我们说:你们若以为我是真信主的(或作:你们若以为我是忠心事主的),请到我家里来住。于是强留我们。
Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be.
后来,我们往那祷告的地方去。有一个使女迎著面来,她被巫鬼所附,用法术,叫她主人们大得财利。
Izy nanaraka an'i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
她跟随保罗和我们,喊著说:这些人是至高 神的仆人,对你们传说救人的道。
Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy.
她一连多日这样喊叫,保罗就心中厌烦,转身对那鬼说:我奉耶稣基督的名,吩咐你从她身上出来!那鬼当时就出来了。
Ary nony hitan'ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an'i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin'ny lehibe;
使女的主人们见得利的指望没有了,便揪住保罗和西拉,拉他们到市上去见首领;
ary rehefa nentiny tany amin'ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra
又带到官长面前说:这些人原是犹太人,竟骚扰我们的城,
ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.
传我们罗马人所不可受不可行的规矩。
Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy.
众人就一同起来攻击他们。官长吩咐剥了他们的衣裳,用棍打;
Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.
打了许多棍,便将他们下在监里,嘱咐禁卒严紧看守。
Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo.
禁卒领了这样的命,就把他们下在内监里,两脚上了木狗。
Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
约在半夜,保罗和西拉祷告,唱诗讚美 神,众囚犯也侧耳而听。
Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra.
忽然,地大震动,甚至监牢的地基都摇动了,监门立刻全开,众囚犯的锁鍊也都松开了。
Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
禁卒一醒,看见监门全开,以为囚犯已经逃走,就拔刀要自杀。
Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
保罗大声呼叫说:不要伤害自己!我们都在这里。
Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i Paoly sy Silasy.
禁卒叫人拿灯来,就跳进去,战战兢兢的俯伏在保罗、西拉面前;
Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?
又领他们出来,说:二位先生,我当怎样行才可以得救?
Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
他们说:当信主耶稣,你和你一家都必得救。
Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony.
他们就把主的道讲给他和他全家的人听。
Ary nandray azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra.
当夜,就在那时候,禁卒把他们带去,洗他们的伤;他和属乎他的人立时都受了洗。
Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra.
于是禁卒领他们上自己家里去,给他们摆上饭。他和全家,因为信了 神,都很喜乐。
Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo.
到了天亮,官长打发差役来,说:释放那两个人吧。
Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin'i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
禁卒就把这话告诉保罗说:官长打发人来叫释放你们,如今可以出监,平平安安的去吧。
Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin'ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
保罗却说:我们是罗马人,并没有定罪,他们就在众人面前打了我们,又把我们下在监里,现在要私下撵我们出去吗?这是不行的。叫他们自己来领我们出去吧!
Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin'ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy.
差役把这话回禀官长。官长听见他们是罗马人,就害怕了,
Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.
于是来劝他们,领他们出来,请他们离开那城。
Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.
二人出了监,往吕底亚家里去;见了弟兄们,劝慰他们一番,就走了。