Acts 13

Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
在安提阿的教会中,有几位先知和教师,就是巴拿巴和称呼尼结的西面、古利奈人路求,与分封之王希律同养的马念,并扫罗。
Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
他们事奉主、禁食的时候,圣灵说:要为我分派巴拿巴和扫罗,去做我召他们所做的工。
Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.
于是禁食祷告,按手在他们头上,就打发他们去了。
Ary rehefa nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
他们既被圣灵差遣,就下到西流基,从那里坐船往塞浦路斯去。
Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy; ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
到了撒拉米,就在犹太人各会堂里传讲 神的道,也有约翰作他们的帮手。
Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,
经过全岛,直到帕弗,在那里遇见一个有法术,假充先知的犹太人,名叫巴耶稣。
izay nitoetra tao amin'i Serygio Paolo, governoran'ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an'i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin'Andriamanitra.
这人常和方伯士求保罗同在。士求保罗是个通达人,他请了巴拿巴和扫罗来,要听 神的道。
Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
只是那行法术的以吕马(这名翻出来就是行法术的意思)敌挡使徒,要叫方伯不信真道。
Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy
扫罗又名保罗,被圣灵充满,定睛看他,
ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy?
说:你这充满各样诡诈奸恶,魔鬼的儿子,众善的仇敌,你混乱主的正道还不止住吗?
Ary, indro, ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
现在主的手加在你身上,你要瞎眼,暂且不见日光。他的眼睛立刻昏蒙黑暗,四下里求人拉著手领他。
Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo.
方伯看见所做的事,很希奇主的道,就信了。
Ary Paoly sy ny namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.
保罗和他的同人从帕弗开船,来到旁非利亚的别加,约翰就离开他们,回耶路撒冷去。
Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka nipetraka teo.
他们离了别加往前行,来到彼西底的安提阿,在安息日进会堂坐下。
Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny olona, dia ataovy.
读完了律法和先知的书,管会堂的,叫人过去,对他们说:二位兄台,若有什么劝勉众人的话,请说。
Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an'Andriamanitra, mihainoa;
保罗就站起来,举手,说:以色列人和一切敬畏 神的人,请听。
Andriamanitr'izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin'ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.
这以色列民的 神拣选了我们的祖宗,当民寄居埃及的时候抬举他们,用大能的手领他们出来;
Ary Izy nandefitra tamin'ny nataony tany an-efitra tokony ho efa-polo taona.
又在旷野容忍(或作:抚养)他们,约有四十年。
Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin'ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin'ireny izy
既灭了迦南地七族的人,就把那地分给他们为业;
tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin'i Samoela mpaminany.
此后给他们设立士师,约有四百五十年,直到先知撒母耳的时候。
Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen'Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak'i Kisy, lehilahy avy tamin'ny firenen'i Benjamina.
后来他们求一个王, 神就将便雅悯支派中基士的儿子扫罗,给他们作王四十年。
Ary rehefa nanaisotra an'i Saoly Izy, dia nanandratra an'i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an'i Davida, zanak'i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra (1 Sam. 13. 14; Sal. 89. 20).
既废了扫罗,就选立大卫作他们的王,又为他作见证说:我寻得耶西的儿子大卫,他是合我心意的人,凡事要遵行我的旨意。
Avy tamin'ny taranak'izany lehilahy izany no nitondran'Andriamanitra an'i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely,
从这人的后裔中, 神已经照著所应许的,为以色列人立了一位救主,就是耶稣。
rehefa notorin'i Jaona tamin'ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan'ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy.
在他没有出来以先,约翰向以色列众民宣讲悔改的洗礼。
Ary Jaona, rehefa nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
约翰将行尽他的程途说:你们以为我是谁?我不是基督;只是有一位在我以后来的,我解他脚上的鞋带也是不配的。
Ry rahalahy, taranak'i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an'Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin'izao famonjena izao.
弟兄们,亚伯拉罕的子孙和你们中间敬畏 神的人哪,这救世的道是传给我们的。
Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon'ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin'ny nanamelohany Azy.
耶路撒冷居住的人和他们的官长,因为不认识基督,也不明白每安息日所读众先知的书,就把基督定了死罪,正应了先知的预言;
Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin'i Pilato ihany izy hamonoana Ary.
虽然查不出他有当死的罪来,还是求彼拉多杀他;
Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin'i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin'ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.
既成就了经上指著他所记的一切话,就把他从木头上取下来,放在坟墓里。
Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin'ny maty.
 神却叫他从死里复活。
Ary Izy niseho andro maro tamin'izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin'ny olona ankehitriny.
那从加利利同他上耶路撒冷的人多日看见他,这些人如今在民间是他的见证。
Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin'ny razana,
我们也报好信息给你们,就是那应许祖宗的话,
dia ny nahatanterahan'Andriamanitra izany tamin'ny zanatsika, raha nanangana an'i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin'ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany (Sal. 2. 7).
 神已经向我们这作儿女的应验,叫耶稣复活了。正如诗篇第二篇上记著说:你是我的儿子,我今日生你。
Ary ny amin'ny nananganany Azy tamin'ny maty, ka tsy hiverina ho amin'ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida (Isa. 55. 3).
论到 神叫他从死里复活,不再归于朽坏,就这样说:我必将所应许大卫那圣洁、可靠的恩典赐给你们。
Fa hoy Izy ao amin'ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao (Sal. 16. 10).
又有一篇上说:你必不叫你的圣者见朽坏。
Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin'ny razany izy ary tratry ny lò;
大卫在世的时候遵行了 神的旨意,就睡了(或作:大卫按 神的旨意服事了他那一世的人,就睡了),归到他祖宗那里,已见朽坏;
fa Izay natsangan'Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò.
惟独 神所复活的,他并未见朽坏。
Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo;
所以,弟兄们,你们当晓得:赦罪的道是由这人传给你们的。
ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy.
你们靠摩西的律法,在一切不得称义的事上信靠这人,就都得称义了。
Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin'ny mpaminany hoe:
所以,你们务要小心,免得先知书上所说的临到你们。
Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin'ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza (Hab. 1. 5)
主说:你们这轻慢的人要观看,要惊奇,要灭亡;因为在你们的时候,我行一件事,虽有人告诉你们,你们总是不信。
Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka.
他们出会堂的时候,众人请他们到下安息日再讲这话给他们听。
Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.
散会以后,犹太人和敬虔进犹太教的人多有跟从保罗、巴拿巴的。二人对他们讲道,劝他们务要恒久在 神的恩中。
Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra.
到下安息日,合城的人几乎都来聚集,要听 神的道。
Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain'i Paoly, sady niteny ratsy.
但犹太人看见人这样多,就满心嫉妒,硬驳保罗所说的话,并且毁谤。
Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahay;
保罗和巴拿巴放胆说: 神的道先讲给你们原是应当的;只因你们弃绝这道,断定自己不配得永生,我们就转向外邦人去。
fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao (Isa. 49. 6).
因为主曾这样吩咐我们说:我已经立你作外邦人的光,叫你施行救恩,直到地极。
Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino.
外邦人听见这话,就欢喜了,讚美 神的道;凡预定得永生的人都信了。
Ary ny tenin'ny Tompo dia naely eran'izany tany rehetra izany.
于是主的道传遍了那一带地方。
Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny.
但犹太人挑唆虔敬、尊贵的妇女和城内有名望的人,逼迫保罗、巴拿巴,将他们赶出境外。
Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin'ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.
二人对著众人跺下脚上的尘土,就往以哥念去了。
Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.
门徒满心喜乐,又被圣灵充满。