Acts 1

Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin'izay nataon'i Jesosy sy nampianariny,
提阿非罗啊,我已经作了前书,论到耶稣开头一切所行所教训的,
hatramin'ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny,
直到他借著圣灵吩咐所拣选的使徒,以后被接上升的日子为止。
sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
他受害之后,用许多的凭据将自己活活的显给使徒看,四十天之久向他们显现,讲说 神国的事。
Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy;
耶稣和他们聚集的时候,嘱咐他们说:不要离开耶路撒冷,要等候父所应许的,就是你们听见我说过的。
fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.
约翰是用水施洗,但不多几日,你们要受圣灵的洗。
Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely?
他们聚集的时候,问耶稣说:主啊,你复兴以色列国就在这时候吗?
Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany.
耶稣对他们说:父凭著自己的权柄所定的时候、日期,不是你们可以知道的。
Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.
但圣灵降临在你们身上,你们就必得著能力,并要在耶路撒冷、犹太全地,和撒马利亚,直到地极,作我的见证。
Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy.
说了这话,他们正看的时候,他就被取上升,有一朵云彩把他接去,便看不见他了。
Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
当他往上去,他们定睛望天的时候,忽然有两个人身穿白衣,站在旁边,说:
izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
加利利人哪,你们为什么站著望天呢?这离开你们被接升天的耶稣,你们见他怎样往天上去,他还要怎样来。
Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata).
有一座山,名叫橄榄山,离耶路撒冷不远,约有安息日可走的路程。当下,门徒从那里回耶路撒冷去,
Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak'i Jakoba.
进了城,就上了所住的一间楼房;在那里有彼得、约翰、雅各、安得烈、腓力、多马、巴多罗买、马太、亚勒腓的儿子雅各、奋锐党的西门,和雅各的儿子(或作:兄弟)犹大。
Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny.
这些人同著几个妇人和耶稣的母亲马利亚,并耶稣的弟兄,都同心合意的恒切祷告。
Ary tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny olona vory teo) ka nanao hoe:
那时,有许多人聚会,约有一百二十名,彼得就在弟兄中间站起来,说:
Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an'i Jesosy;
弟兄们!圣灵借大卫的口,在圣经上预言领人捉拿耶稣的犹大,这话是必须应验的。
fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin'izao fanompoana izao koa.
他本来列在我们数中,并且在使徒的职任上得了一分。
Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin'ny tambin'ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
这人用他作恶的工价买了一块田,以后身子仆倒,肚腹崩裂,肠子都流出来。
Ary fantatr'izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran'izany saha izany amin'ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà.
住在耶路撒冷的众人都知道这事,所以按著他们那里的话给那块田起名叫亚革大马,就是血田的意思。
Fa voasoratra eo amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao (Sal. 69. 25); ary koa: Aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara-raharahany (Sal. 109. 8).
因为诗篇上写著,说:愿他的住处变为荒场,无人在内居住;又说:愿别人得他的职分。
Koa amin'ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo,
所以,主耶稣在我们中间始终出入的时候,
hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon'ny nitsanganany.
就是从约翰施洗起,直到主离开我们被接上升的日子为止,必须从那常与我们作伴的人中立一位与我们同作耶稣复活的见证。
Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
于是选举两个人,就是那叫作巴撒巴,又称呼犹士都的约瑟,和马提亚。
Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin'izy roa lahy ireto,
众人就祷告说:主啊,你知道万人的心,求你从这两个人中,指明你所拣选的是谁,叫他得这使徒的位分。这位分犹大已经丢弃,往自己的地方去了。
mba hahazoany anjara amin'izao fanompoana sy ny mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy hankanesany any amin'ny fitoerany.
a
Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.
于是众人为他们摇籤,摇出马提亚来;他就和十一个使徒同列。