II Timothy 3

Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
你该知道,末世必有危险的日子来到。
Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,
因为那时人要专顾自己、贪爱钱财、自夸、狂傲、谤讟、违背父母、忘恩负义、心不圣洁、
tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,
无亲情、不解怨、好说谗言、不能自约、性情凶暴、不爱良善、
mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,
卖主卖友、任意妄为、自高自大、爱宴乐、不爱 神,
manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
有敬虔的外貌,却背了敬虔的实意;这等人你要躲开。
Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro,
那偷进人家、牢笼无知妇女的,正是这等人。这些妇女担负罪恶,被各样的私欲引诱,
mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
常常学习,终久不能明白真道。
Ary tahaka ny nanoheran'i Jana sy Jambra an'i Mosesy no anoheran'ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.
从前雅尼和佯庇怎样敌挡摩西,这等人也怎样敌挡真道。他们的心地坏了,在真道上是可废弃的。
Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo koa.
然而他们不能再这样敌挡;因为他们的愚昧必在众人面前显露出来,像那二人一样。
Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,
但你已经服从了我的教训、品行、志向、信心、宽容、爱心、忍耐,
ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany.
以及我在安提阿、以哥念、路司得所遭遇的逼迫,苦难。我所忍受是何等的逼迫;但从这一切苦难中,主都把我救出来了。
Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.
不但如此,凡立志在基督耶稣里敬虔度日的也都要受逼迫。
Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.
只是作恶的和迷惑人的,必越久越恶,他欺哄人,也被人欺哄。
Fa ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany;
但你所学习的,所确信的,要存在心里;因为你知道是跟谁学的,
fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
并且知道你是从小明白圣经,这圣经能使你因信基督耶稣,有得救的智慧。
Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,
圣经都是 神所默示的(或作:凡 神所默示的圣经),于教训、督责、使人归正、教导人学义都是有益的,
mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
叫属 神的人得以完全,预备行各样的善事。