II Timothy 1

Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin'i Kristy Jesosy,
奉 神旨意,照著在基督耶稣里生命的应许,作基督耶稣使徒的保罗,
mamangy an'i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
写信给我亲爱的儿子提摩太。愿恩惠、怜悯、平安从父 神和我们主基督耶稣归与你!
Misaotra an'Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon'ny razako amin'ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin'ny fivavahako andro aman'alina;
我感谢 神,就是我接续祖先用清洁的良心所事奉的 神。祈祷的时候,不住的想念你!
ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho;
记念你的眼泪,昼夜切切的想要见你,好叫我满心快乐。
fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin'i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.
想到你心里无伪之信,这信是先在你外祖母罗以和你母亲友尼基心里的,我深信也在你的心里。
Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako.
为此我提醒你,使你将 神借我按手所给你的恩赐再如火挑旺起来。
Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
因为 神赐给我们,不是胆怯的心,乃是刚强、仁爱、谨守的心。
Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra,
你不要以给我们的主作见证为耻,也不要以我这为主被囚的为耻;总要按 神的能力,与我为福音同受苦难。
Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola;
 神救了我们,以圣召召我们,不是按我们的行为,乃是按他的旨意和恩典;这恩典是万古之先,在基督耶稣里赐给我们的,
fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;
但如今借著我们救主基督耶稣的显现才表明出来了。他已经把死废去,借著福音,将不能坏的生命彰显出来。
ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra.
我为这福音奉派作传道的,作使徒,作师傅。
Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin'izay andro izay.
为这缘故,我也受这些苦难。然而我不以为耻;因为知道我所信的是谁,也深信他能保全我所交付他的(或作:他所交托我的),直到那日。
Tano amin'ny finoana ny ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.
你从我听的那纯正话语的规模,要用在基督耶稣里的信心和爱心,常常守著。
Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin'ny fampaherezan'ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika.
从前所交托你的善道,你要靠著那住在我们里面的圣灵牢牢的守著。
Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena.
凡在亚细亚的人都离弃我,这是你知道的,其中有腓吉路和黑摩其尼。
Homen'ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;
愿主怜悯阿尼色弗一家的人;因他屡次使我畅快,不以我的锁鍊为耻,
fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita
反倒在罗马的时候,殷勤的找我,并且找著了。
(ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.
愿主使他在那日得主的怜悯。他在以弗所怎样多多的服事我,是你明明知道的。