II Samuel 4

Ary nony ren'ny zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra.
扫罗的儿子伊施波设听见押尼珥死在希伯崙,手就发软;以色列众人也都惊惶
Ary nisy roa lahy, lehiben'ny mpitohan'ny zanakalahin'i Saoly, Bana no anaran'ny iray, ary Rekaba no anaran'ny iray, samy zanak'i Rimona Berotita tamin'ny taranak'i Benjamina (fa Berota koa natao ho isan'ny an'i Benjamina;
扫罗的儿子伊施波设有两个军长,一名巴拿,一名利甲,是便雅悯支派、比录人临门的儿子。比录也属便雅悯。
ary ny Berotita nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka androany).
比录人早先逃到基他音,在那里寄居,直到今日。
Ary Jonatana, zanak'i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny amin'i Saoly sy Jonatana; ary nentin'ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin'ny fahatairana izy, dia nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany.
扫罗的儿子约拿单有一个儿子名叫米非波设,是瘸腿的。扫罗和约拿单死亡的消息从耶斯列传到的时候,他才五岁。他乳母抱著他逃跑;因为跑得太急,孩子掉在地上,腿就瘸了。
Ary Rekaba sy Bana, zanak'i Rimona Berotita, nandeha; ka rehefa nafana ny andro, dia tonga tao an-tranon'Isboseta, tamin'ilay izy nandriandry tamin'ny antoandro iny.
一日,比录人临门的两个儿子利甲和巴拿出去,约在午热的时候到了伊施波设的家;伊施波设正睡午觉。
Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin'ny kibony, dia lasa nandositra.
他们进了房子,假作要取麦子,就刺透伊施波设的肚腹,逃跑了。
Fa raha niditra tao an-trano izy roa lahy, ary Isboseta nandry teo amin'ny fandriany tao amin'ny trano fandriany dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy, dia notapahiny ny lohany ka nentiny; ary nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay izy.
他们进房子的时候,伊施波设正在卧房里躺在床上,他们将他杀死,割了他的首级,拿著首级在亚拉巴走了一夜,
Ary nitondra ny lohan'Isboseta tany amin'i Davida tao Hebrona izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan'Isboseta, zanak'i Saoly fahavalonao, izay nitady ny ainao; fa Jehovah efa namaly an'i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin'ny mpanjaka tompoko.
将伊施波设的首级拿到希伯崙见大卫王,说:「王的仇敌扫罗曾寻索王的性命。看哪,这是他儿子伊施波设的首级;耶和华今日为我主我王在扫罗和他后裔的身上报了仇。」
Ary hoy Davida tamin'i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak'i Rimona Berotita: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny fahoriana rehetra,
大卫对比录人临门的儿子利甲和他兄弟巴拿说:「我指著救我性命脱离一切苦难、永生的耶和华起誓:
ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga. hanomezako azy ny valin'ny teny mahafaly nentiny;
从前有人报告我说,扫罗死了,他自以为报好消息;我就拿住他,将他杀在洗革拉,这就作了他报消息的赏赐。
koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony eo am-pandriany; koa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny ràny, ary tsy hofongorako tsy ho amin'ny tany intsony va ianareo
何况恶人将义人杀在他的床上,我岂不向你们讨流他血的罪、从世上除灭你们呢?」
Ary Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan'ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan'Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan'i Abnera tao Hebrona.
于是大卫吩咐少年人将他们杀了,砍断他们的手脚,挂在希伯崙的池旁,却将伊施波设的首级葬在希伯崙押尼珥的坟墓里。