II Samuel 3

Ary naharitra ela ny adin'ny tamingan'i Saoly sy ny tamingan'i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan'i Saoly kosa nihahosa.
扫罗家和大卫家争战许久。大卫家日见强盛;扫罗家日见衰弱。
Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany;
大卫在希伯崙得了几个儿子:长子暗嫩是耶斯列人亚希暖所生的;
ary Kileaba, tamin'i Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora;
次子基利押(在历代上三章一节作但以利)是作过迦密人拿八的妻亚比该所生的;三子押沙龙是基述王达买的女儿玛迦所生的;
ary ny fahefatra dia Adonia, zanak'i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak'i Abitala;
四子亚多尼雅是哈及所生的;五子示法提雅是亚比她所生的;
ary ny fahenina dia Jitreama, tamin'i Egla, vadin'i Davida. Ireo no naterak'i Davida tao Hebrona.
六子以特念是大卫的妻以格拉所生的。大卫这六个儿子都是在希伯崙生的。
Ary raha mbola niady ny tamingan'i Davida sy ny tamingan'i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin'ny tamingan'i Saoly.
扫罗家和大卫家争战的时候,押尼珥在扫罗家大有权势。
(Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin'i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin'i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon'ikaky?
扫罗有一妃嫔,名叫利斯巴,是爱亚的女儿。一日,伊施波设对押尼珥说:「你为什么与我父的妃嫔同房呢?」
Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin'Isboseta, ka hoy izy: Lohan'alika no miandany amin'ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan'i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan'i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin'iny vehivavy iny?
押尼珥因伊施波设的话就甚发怒,说:「我岂是犹大的狗头呢?我恩待你父扫罗的家和他的弟兄、朋友,不将你交在大卫手里,今日你竟为这妇人责备我吗?
Hataon'Andriamanitra amin'i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan'i Jehovah tamin'i Davida,
我若不照著耶和华起誓应许大卫的话行,废去扫罗的位,建立大卫的位,使他治理以色列和犹大,从但直到别是巴,愿 神重重地降罚与我!」
ka hampiala ny fanjakana amin'ny tamingan'i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan'i Davida amin'ny Isiraely sy amin'ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
并入上一节
Dia tsy nahavaly an'i Abnera intsony izy noho ny tahony azy.
伊施波设惧怕押尼珥,不敢回答一句。
Ary Abnera dia naniraka olona tany amin'i Davida niaraka tamin'izay hanao hoe: An'iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.
押尼珥打发人去见大卫,替他说:「这国归谁呢?」又说:「你与我立约,我必帮助你,使以色列人都归服你。」
Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin'i Saoly.
大卫说:「好!我与你立约。但有一件,你来见我面的时候,若不将扫罗的女儿米甲带来,必不得见我的面。」
Ary Davida naniraka olona nankany amin'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin'ny mariky ny fahafatesan'ny Filistina zato lahy.
大卫就打发人去见扫罗的儿子伊施波设,说:「你要将我的妻米甲归还我;她是我从前用一百非利士人的阳皮所聘定的。」
Ary Isboseta naniraka naka an'i Mikala tany amin'i Paltiela vadiny, zanak'i Laisy.
伊施波设就打发人去,将米甲从拉亿的儿子、她丈夫帕铁那里接回来。
Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy.
米甲的丈夫跟著她,一面走一面哭,直跟到巴户琳。押尼珥说:「你回去吧!」帕铁就回去了。
Ary Abnera efa niteny tamin'ny loholon'ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an'i Davida ho mpanjakanareo;
押尼珥对以色列长老说:「从前你们愿意大卫作王治理你们,
koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an'i Davida hoe: Amin'ny tànan'i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin'ny tanan'ny Filistina sy amin'ny tanan'ny fahavalony rehetra.
现在你们可以照心愿而行。因为耶和华曾论到大卫说:『我必借我仆人大卫的手,救我民以色列脱离非利士人和众仇敌的手。』」
Ary Abnera efa niteny tamin'ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin'i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian'ny Isiraely sy ny taranak'i Benjamina rehetra hatao.
押尼珥也用这话说给便雅悯人听,又到希伯崙,将以色列人和便雅悯全家一切所喜悦的事说给大卫听。
Dia tonga tany amin'i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an'i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.
押尼珥带著二十个人来到希伯崙见大卫,大卫就为押尼珥和他带来的人设摆筵席。
Ary hoy Abnera tamin'i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin'izay rehetra irin'ny fonao. Ary Davida nampandeha an'i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy.
押尼珥对大卫说:「我要起身去招聚以色列众人来见我主我王,与你立约,你就可以照著心愿作王。」于是大卫送押尼珥去,押尼珥就平平安安地去了。
Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an'i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin'i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
约押和大卫的仆人攻击敌军,带回许多的掠物。那时押尼珥不在希伯崙大卫那里,因大卫已经送他去,他也平平安安地去了。
Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin'i Joaba hoe: Tonga tao amin'ny mpanjaka Abnera, zanak'i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
约押和跟随他的全军到了,就有人告诉约押说:「尼珥的儿子押尼珥来见王,王送他去,他也平平安安地去了。」
Ary Joaba nankao amin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy?
约押去见王说:「你这是做什么呢?押尼珥来见你,你为何送他去,他就踪影不见了呢?
Fantatrao anefa ny amin'i Abnera, zanak'i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao.
你当晓得,尼珥的儿子押尼珥来是要诓哄你,要知道你的出入和你一切所行的事。」
Dia nivoaka Joaba avy tao amin'i Davida ka naniraka olona hanaraka an'i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin'ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr'i Davida izany.
约押从大卫那里出来,就打发人去追赶押尼珥,在西拉井追上他,将他带回来,大卫却不知道。
Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin'i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin'ny kibony ka matiny ho todin'ny ran'i Asahela rahalahiny.
押尼珥回到希伯崙,约押领他到城门的甕洞,假作要与他说机密话,就在那里刺透他的肚腹,他便死了。这是报杀他兄弟亚撒黑的仇。
Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan'i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin'ny ran'i Abnera, zanak'i Nera.
大卫听见了,就说:「流尼珥的儿子押尼珥的血,这罪在耶和华面前必永不归我和我的国。
Hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin'izany; ary tsy ho tapaka amin'ny taranak'i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin'ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
愿流他血的罪归到约押头上和他父的全家;又愿约押家不断有患漏症的,长大痲疯的,架柺而行的,被刀杀死的,缺乏饮食的。」
Toy izany no namonoan'i Joaba sy Abisay rahalahiny an'i Abnera noho ny namonoany an'i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin'ny ady.
约押和他兄弟亚比筛杀了押尼珥,是因押尼珥在基遍争战的时候杀了他们的兄弟亚撒黑。
Ary hoy Davida tamin'i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana, ka aoka hisaona eo anolohan'i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.
大卫吩咐约押和跟随他的众人说:「你们当撕裂衣服,腰束麻布,在押尼珥棺前哀哭。」大卫王也跟在棺后。
Dia nandevina an'i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin'ny fasan'i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa.
他们将押尼珥葬在希伯崙。王在押尼珥的墓旁放声而哭,众民也都哭了。
Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an'i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan'ny adala va no tokony ho nahafatesan'i Abnera?
王为押尼珥举哀,说:押尼珥何竟像愚顽人死呢?
Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok'izay asian'ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray.
你手未曾捆绑,脚未曾锁住。你死,如人死在罪孽之辈手下一样。于是众民又为押尼珥哀哭。
Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an'i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
日头未落的时候,众民来劝大卫吃饭,但大卫起誓说:「我若在日头未落以前吃饭,或吃别物,愿 神重重地降罚与我!」
Ary azon'ny vahoaka rehetra ny hevitr'izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon'ny mpanjaka.
众民知道了就都喜悦。凡王所行的,众民无不喜悦。
Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin'izany andro izany fa tsy avy tamin'ny mpanjaka no nahafaty an'i Abnera, zanak'i Nera.
那日,以色列众民才知道杀尼珥的儿子押尼珥并非出于王意。
Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza no maty androany tamin'ny Isiraely?
王对臣仆说:「你们岂不知今日以色列人中死了一个作元帅的大丈夫吗?
Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak'i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
我虽然受膏为王,今日还是软弱;这洗鲁雅的两个儿子比我刚强。愿耶和华照著恶人所行的恶报应他。」