II Samuel 16

Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon'i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.
大卫刚过山顶,见米非波设的仆人洗巴拉著备好了的两匹驴,驴上驮著二百面饼,一百葡萄饼,一百个夏天的果饼,一皮袋酒来迎接他。
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Ahoana no hevitrao amin'ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an'ny ankohonan'ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin'ny zatovo; ary ny divay hosotroin'izay reraka any an-efitra.
王问洗巴说:「你带这些来是什么意思呢?」洗巴说:「驴是给王的家眷骑的;面饼和夏天的果饼是给少年人吃的;酒是给在旷野疲乏人喝的。」
Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin'ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian'ny taranak'Isiraely ny fanjakan'ikaky ho ahy.
王问说:「你主人的儿子在哪里呢?」洗巴回答王说:「他仍在耶路撒冷,因他说:『以色列人今日必将我父的国归还我。』」
Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Indro, anao izay rehetra an'i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko.
王对洗巴说:「凡属米非波设的都归你了。」洗巴说:「我叩拜我主我王,愿我在你眼前蒙恩。」
Ary nony nanakaiky an'i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan'i Saoly ny anarany dia Simey, zanak'i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny ampandehanana.
大卫王到了巴户琳,见有一个人出来,是扫罗族基拉的儿子,名叫示每。他一面走一面咒骂,
Ary nitora-bato an'i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin'ny ankavanan'ny mpanjaka sy teo amin'ny ankaviany.
又拿石头砍大卫王和王的臣仆;众民和勇士都在王的左右。
Ary hoy ny fanozon'i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy!
示每咒骂说:「你这流人血的坏人哪,去吧去吧!
Nataon'i Jehovah manody anao izao ny ran'ny tamingan'i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan'i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà.
你流扫罗全家的血,接续他作王;耶和华把这罪归在你身上,将这国交给你儿子押沙龙。现在你自取其祸,因为你是流人血的人。」
Ary hoy Abisay, zanak'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany.
洗鲁雅的儿子亚比筛对王说:「这死狗岂可咒骂我主我王呢?求你容我过去,割下他的头来。」
Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany?
王说:「洗鲁雅的儿子,我与你们有何关涉呢?他咒骂是因耶和华吩咐他说:『你要咒骂大卫。』如此,谁敢说你为什么这样行呢?」
Ary hoy koa Davida tamin'i Abisay sy tamin'ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany.
大卫又对亚比筛和众臣仆说:「我亲生的儿子尚且寻索我的性命,何况这便雅悯人呢?由他咒骂吧!因为这是耶和华吩咐他的。
Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin'ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.
或者耶和华见我遭难,为我今日被这人咒骂,就施恩与我。」
Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin'ny ilan'ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny ampandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka.
于是大卫和跟随他的人往前行走。示每在大卫对面山坡,一面行走一面咒骂,又拿石头砍他,拿土扬他。
Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka, ka dia naka aina teo izy.
王和跟随他的众人疲疲乏乏地到了一个地方,就在那里歇息歇息。
Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin'ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy.
押沙龙和以色列众人来到耶路撒冷;亚希多弗也与他同来。
Ary Hosay Arkita, sakaizan'i Davida, dia tonga tao amin'i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka!
大卫的朋友亚基人户筛去见押沙龙,对他说:「愿王万岁!愿王万岁!」
Fa hoy Absaloma tamin'i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin'ny sakaizanao?
押沙龙问户筛说:「这是你恩待朋友么?为什么不与你的朋友同去呢?」
Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin'i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako.
户筛对押沙龙说:「不然,耶和华和这民,并以色列众人所拣选的,我必归顺他,与他同住。
Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan'ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan'ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa.
再者,我当服事谁呢?岂不是前王的儿子吗?我怎样服事你父亲,也必照样服事你。」
Ary hoy Absaloma tamin'i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika.
押沙龙对亚希多弗说:「你们出个主意,我们怎样行才好?」
Dia hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Midira ao amin'ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren'ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan'izay rehetra momba anao.
亚希多弗对押沙龙说:「你父所留下看守宫殿的妃嫔,你可以与她们亲近。以色列众人听见你父亲憎恶你,凡归顺你人的手就更坚强。」
Ary dia nanorin-day ho an'i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin'ny vaditsindranon-drainy teo imason'ny Isiraely rehetra.
于是人为押沙龙在宫殿的平顶上支搭帐棚;押沙龙在以色列众人眼前,与他父的妃嫔亲近。
Ary ny hevitr'i Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma.
那时亚希多弗所出的主意好像人问 神的话一样;他昔日给大卫,今日给押沙龙所出的主意,都是这样。