II Samuel 12

Ary Jehovah naniraka an'i Natana hankao amin'i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo.
耶和华差遣拿单去见大卫。拿单到了大卫那里,对他说:「在一座城里有两个人:一个是富户,一个是穷人。
Ilay manan-karena nanana ondry aman'osy sy omby betsaka;
富户有许多牛群羊群;
fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak'ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin'ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin'ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy.
穷人除了所买来养活的一只小母羊羔之外,别无所有。羊羔在他家里和他儿女一同长大,吃他所吃的,喝他所喝的,睡在他怀中,在他看来如同女儿一样。
Ary nisy vahiny tonga tao amin'ilay manan-karena, nefa ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny notsitsiny ka tsy nangalany hatao nahandro ho an'ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny zanak'ondry vavin'ilay malahelo kosa no nalainy, ka dia nataony nahandro ho an'ilay olona tonga tao aminy.
有一客人来到这富户家里;富户舍不得从自己的牛群羊群中取一只预备给客人吃,却取了那穷人的羊羔,预备给客人吃。」
Dia nirehitra mafy ny fahatezeran'i Davida tamin'izany olona izany, ka hoy izy tamin'i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany;
大卫就甚恼怒那人,对拿单说:「我指著永生的耶和华起誓,行这事的人该死!
ary ilay zanak'ondry vavy tsy maintsy honerany efatra heny noho ny nanaovany izany zavatra izany sy noho ny tsy namindrany fo.
他必偿还羊羔四倍;因为他行这事,没有怜恤的心。」
Dia hoy Natana tamin'i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin'ny tànan'i Saoly;
拿单对大卫说:「你就是那人!耶和华─以色列的 神如此说:『我膏你作以色列的王,救你脱离扫罗的手。
ary nomeko anao ny tranon'ny tomponao sy ny vadin'ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen'Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao;
我将你主人的家业赐给你,将你主人的妻交在你怀里,又将以色列和犹大家赐给你;你若还以为不足,我早就加倍地赐给你。
koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin'i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona izy.
你为什么藐视耶和华的命令,行他眼中看为恶的事呢?你借亚扪人的刀杀害赫人乌利亚,又娶了他的妻为妻。
Koa noho izany dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin'i Oria Hetita ho vadinao.
你既藐视我,娶了赫人乌利亚的妻为妻,所以刀剑必永不离开你的家。』
Izao koa no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin'ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin'ny vadinao amin'izao antoandrobenanahary izao.
耶和华如此说:『我必从你家中兴起祸患攻击你;我必在你眼前把你的妃嫔赐给别人,他在日光之下就与她们同寝。
Fa ianao nanao izany tao amin'ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan'ny Isiraely rehetra sy amin'izao antoandrobenanahary izao.
你在暗中行这事,我却要在以色列众人面前,日光之下,报应你。』」
Dia hoy Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
大卫对拿单说:「我得罪耶和华了!」拿单说:「耶和华已经除掉你的罪,你必不至于死。
Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon'i Jehovah amin'izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.
只是你行这事,叫耶和华的仇敌大得亵渎的机会,故此,你所得的孩子必定要死。」
Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida, ka dia narary be ny zaza.
拿单就回家去了。耶和华击打乌利亚妻给大卫所生的孩子,使他得重病。
Ary nifona tamin'Andriamanitra ho an'ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin'ny tany mandritra ny alina.
所以大卫为这孩子恳求 神,而且禁食,进入内室,终夜躺在地上。
Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin'ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.
他家中的老臣来到他旁边,要把他从地上扶起来,他却不肯起来,也不同他们吃饭。
Ary nony nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon'i Davida natahotra hilaza ny nahafatesan'ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan'ny zaza? fandrao hanimba tena izy.
到第七日,孩子死了。大卫的臣仆不敢告诉他孩子死了,因他们说:「孩子还活著的时候,我们劝他,他尚且不肯听我们的话,若告诉他孩子死了,岂不更加忧伤吗?」
Ary nony hitan'i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty.
大卫见臣仆彼此低声说话,就知道孩子死了,问臣仆说:「孩子死了吗?」他们说:「死了。」
Dia niarina tsy nandry tamin'ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin'ny tranon'i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy.
大卫就从地上起来,沐浴,抹膏,换了衣裳,进耶和华的殿敬拜;然后回宫,吩咐人摆饭,他便吃了。
Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa.
臣仆问他说:「你所行的是什么意思?孩子活著的时候,你禁食哭泣;孩子死了,你倒起来吃饭。」
Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?
大卫说:「孩子还活著,我禁食哭泣;因为我想,或者耶和华怜恤我,使孩子不死也未可知。
Kanjo maty izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina etỳ amiko intsony.
孩子死了,我何必禁食,我岂能使他返回呢?我必往他那里去,他却不能回我这里来。」
Ary Davida nampionona an'i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona. Ary Jehovah tia azy,
大卫安慰他的妻拔示巴,与她同寝,她就生了儿子,给他起名叫所罗门。耶和华也喜爱他,
dia naniraka an'i Natana mpaminany ka nanao ny anaran'ny zaza hoe Jedidia noho ny amin'i Jehovah.
就借先知拿单赐他一个名字,叫耶底底亚,因为耶和华爱他。
Ary Joaba namely an'i Raban'ny taranak'i Amona ka nahafaka ny tanànan'ny mpanjaka.
约押攻取亚扪人的京城拉巴。
Ary Joaba naniraka olona tany amin'i Davida nanao hoe: Namely an'i Raba aho ka nahafaka ny tanàna misy rano.
约押打发使者去见大卫,说:「我攻打拉巴,取其水城。
Koa vorio ny olona sisa izao, ka mitobia hamely ny tanàna, ary aoka ho afakao izy; fandrao izaho no hahafaka ny tanàna, ka dia hotononina araka ny anarako izy.
现在你要聚集其余的军兵来,安营围攻这城,恐怕我取了这城,人就以我的名叫这城。」
Ary Davida namory ny vahoaka rehetra, dia nankany Raba ka namely azy ary nahafaka azy.
于是大卫聚集众军,往拉巴去攻城,就取了这城,
Dia nesoriny ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka teny an-dohany talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany tao an-tanàna ny babo azo, ka be dia be ireny.
夺了亚扪人之王所戴的金冠冕(王:或译玛勒堪;玛勒堪就是米勒公,又名摩洛,亚扪族之神名),其上的金子重一他连得,又嵌著宝石。人将这冠冕戴在大卫头上。大卫从城里夺了许多财物,
Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin'ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin'ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.
将城里的人拉出来,放在锯下,或铁耙下,或铁斧下,或叫他经过砖窑(或译:强他们用锯,或用打粮食的铁器,或用铁斧做工,或使在砖窑里服役);大卫待亚扪各城的居民都是如此。其后,大卫和众军都回耶路撒冷去了。