II Kings 6

Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin'i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.
先知门徒对以利沙说:「看哪,我们同你所住的地方过于窄小,
Masìna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo.
求你容我们往约旦河去,各人从那里取一根木料建造房屋居住。」他说:「你们去吧!」
Fa hoy ny anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin'ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho.
有一人说:「求你与仆人同去。」回答说:「我可以去。」
Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.
于是以利沙与他们同去。到了约旦河,就砍伐树木。
Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.
有一人砍树的时候,斧头掉在水里,他就呼叫说:「哀哉!我主啊,这斧子是借的。」
Ary hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.
神人问说:「掉在哪里了?」他将那地方指给以利沙看。以利沙砍了一根木头,抛在水里,斧头就漂上来了。
Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.
以利沙说:「拿起来吧!」那人就伸手拿起来了。
Ary ny mpanjakan'i Syria niady tamin'ny Isiraely ka nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako.
亚兰王与以色列人争战,和他的臣仆商议说:「我要在某处某处安营。」
Ary ilay lehilahin'Andriamanitra kosa naniraka tany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan'ny Syriana.
神人打发人去见以色列王,说:「你要谨慎,不要从某处经过,因为亚兰人从那里下来了。」
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely naniraka tany amin'izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza.
以色列王差人去窥探神人所告诉所警戒他去的地方,就防备未受其害,不止一两次。
Dia sosotra indrindra ny fon'ny mpanjakan'i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan'ny Isiraely?
亚兰王因这事心里惊疑,召了臣仆来,对他们说:「我们这里有谁帮助以色列王,你们不指给我吗?」
Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin'ny Isiraely ihany no milaza amin'ny mpanjakan'ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin'ny trano fandrianao aza.
有一个臣仆说:「我主,我王!无人帮助他,只有以色列中的先知以利沙,将王在卧房所说的话告诉以色列王了。」
Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy.
王说:「你们去探他在哪里,我好打发人去捉拿他。」有人告诉王说:「他在多坍。」
Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.
王就打发车马和大军往那里去,夜间到了,围困那城。
Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?
神人的仆人清早起来出去,看见车马军兵围困了城。仆人对神人说:「哀哉!我主啊,我们怎样行才好呢?」
Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
神人说:「不要惧怕!与我们同在的比与他们同在的更多。」
Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.
以利沙祷告说:「耶和华啊,求你开这少年人的眼目,使他能看见。」耶和华开他的眼目,他就看见满山有火车火马围绕以利沙。
Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin'i Elisa.
敌人下到以利沙那里,以利沙祷告耶和华说:「求你使这些人的眼目昏迷。」耶和华就照以利沙的话,使他们的眼目昏迷。
Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin'ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.
以利沙对他们说:「这不是那道,也不是那城;你们跟我去,我必领你们到所寻找的人那里。」于是领他们到了撒马利亚。
Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy.
他们进了撒马利亚,以利沙祷告说:「耶和华啊,求你开这些人的眼目,使他们能看见。」耶和华开他们的眼目,他们就看见了,不料,是在撒马利亚的城中。
Ary nony nahita azy ny mpanjakan'ny Isiraely, dia hoy izy tamin'i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy?
以色列王见了他们,就问以利沙说:「我父啊,我可以击杀他们吗?」
Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony.
回答说:「不可击杀他们!就是你用刀用弓掳来的,岂可击杀他们吗【或作也不可击杀,何况这些人呢】?当在他们面前设摆饮食,使他们吃喝回到他们的主人那里。」
Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria.
王就为他们预备了许多食物;他们吃喝完了,打发他们回到他们主人那里。从此,亚兰军不再犯以色列境了。
Ary rehefa afaka izany, Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka nanao fahirano an'i Samaria.
此后,亚兰王便哈达聚集他的全军,上来围困撒马利亚。
Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan'ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.
于是撒马利亚被围困,有饥荒,甚至一个驴头值银八十舍客勒,二升鸽子粪值银五舍客勒。
Ary raha nitsangantsangana teny ambonin'ny manda ny mpanjakan'ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.
一日,以色列王在城上经过,有一个妇人向他呼叫说:「我主,我王啊!求你帮助。」
Ary hoy ny mpanjaka: Raha tsy vonjen'i Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin'ny famoloana va, sa amin'ny famiazam-boaloboka?
王说:「耶和华不帮助你,我从何处帮助你?是从禾场,是从酒醡呢?」
Ary hoy koa ny mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso.
王问妇人说:「你有什么苦处?」她回答说:「这妇人对我说:『将你的儿子取来,我们今日可以吃,明日可以吃我的儿子。』
Ka dia nandrahoinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy: Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika? kanjo nafeniny ny zanany.
我们就煮了我的儿子吃了。次日我对她说:『要将你的儿子取来,我们可以吃。』她却将她的儿子藏起来了。
Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin'ny manda izy, ka hitan'ny olona fa, indro lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.
王听见妇人的话,就撕裂衣服;(王在城上经过)百姓看见王贴身穿著麻衣。
Dia hoy izy: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan'i Elisa, zanak'i Safata.
王说:「我今日若容沙法的儿子以利沙的头仍在他项上,愿 神重重地降罚与我!」
Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin'i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin'ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan'ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon'ny tongotry ny tompony?
那时,以利沙正坐在家中,长老也与他同坐。王打发一个伺候他的人去;他还没有到,以利沙对长老说:「你们看这凶手之子,打发人来斩我的头;你们看著使者来到,就关上门,用门将他推出去。在他后头不是有他主人脚步的响声吗?」
Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin'i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an'i Jehovah?
正说话的时候,使者来到,王也到了,说:「这灾祸是从耶和华那里来的,我何必再仰望耶和华呢?」