II Kings 4

Ary nisy vehivavy anankiray, vadin'ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin'i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an'i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony
有一个先知门徒的妻哀求以利沙说:「你仆人─我丈夫死了,他敬畏耶和华是你所知道的。现在有债主来,要取我两个儿子作奴仆。」
Dia hoy Elisa taminy: Inona ary no hataoko ho anao? Lazao amiko: inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy ravehivavy: Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja.
以利沙问她说:「我可以为你做什么呢?你告诉我,你家里有什么?」她说:「婢女家中除了一瓶油之外,没有什么。」
Ary hoy izy: Andeha mindram-bilany amin'ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra, nefa aza atao vitsy.
以利沙说:「你去,向你众邻舍借空器皿,不要少借;
Ary rehefa tafiditra ianao, dia aoka hirindrim-baravarana ianao sy izy mirahalahy zanakao, ary manidina amin'izany vilany rehetra izany, dia atokàny izay feno.
回到家里,关上门,你和你儿子在里面将油倒在所有的器皿里,倒满了的放在一边。」
Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin'izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo.
于是,妇人离开以利沙去了,关上门,自己和儿子在里面;儿子把器皿拿来,她就倒油。
Ary nony feno ny vilany, dia hoy izy tamin'ny zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa ireo taminy: Tsy misy vilany intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo.
器皿都满了,她对儿子说:「再给我拿器皿来。」儿子说:「再没有器皿了。」油就止住了。
Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin'ny lehilahin'Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan'olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.
妇人去告诉神人,神人说:「你去卖油还债,所剩的你和你儿子可以靠著度日。」
Ary tamin'ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.
一日,以利沙走到书念,在那里有一个大户的妇人强留他吃饭。此后,以利沙每从那里经过就进去吃饭。
Ary hoy ravehivavy tamin'ny lahy; Indro, fantatro fa masina sady lehilahin'Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika mandrakariva.
妇人对丈夫说:「我看出那常从我们这里经过的是圣洁的神人。
Masìna ianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka.
我们可以为他在墙上盖一间小楼,在其中安放床榻、桌子、椅子、灯台,他来到我们这里,就可以住在其间。」
Ary tamin'ny indray andro dia tonga tao Elisa ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano ambony ary nandry tao.
一日,以利沙来到那里,就进了那楼躺卧。
Ary hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy, dia nitsangana teo anatrehany izy.
以利沙吩咐仆人基哈西说:「你叫这书念妇人来。」他就把妇人叫了来,妇人站在以利沙面前。
Ary hoy Elisa tamin'i Gehazy: Mba lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin'izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin'ny mpanjaka va ianao, na amin'ny komandin'ny miaramila? Dia namaly ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin'ny fireneko aho.
以利沙吩咐仆人说:「你对她说:你既为我们费了许多心思,可以为你做什么呢?你向王或元帅有所求的没有?」她回答说:「我在我本乡安居无事。」
Ary hoy Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy?
以利沙对仆人说:「究竟当为她做什么呢?」基哈西说:「她没有儿子,她丈夫也老了。」
Ary hoy Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana.
以利沙说:「再叫她来。」于是叫了她来,她就站在门口。
Dia hoy izy: Raha mby amin'ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny ankizivavinao.
以利沙说:「明年到这时候,你必抱一个儿子。」她说:「神人,我主啊,不要那样欺哄婢女。」
Koa nefa nanan'anaka tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin'ilay fotoana nolazain'i Elisa taminy.
妇人果然怀孕,到了那时候,生了一个儿子,正如以利沙所说的。
Ary nony efa lehibe ny zaza, dia nankany amin'ny rainy tany amin'ny mpijinja vary izy indray andro,
孩子渐渐长大,一日到他父亲和收割的人那里,
Ary hoy izy tamin-drainy: Edrey! ny an-dohako! ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin'ny zatovo anankiray: Ento ho any amin-dreniny izy.
他对父亲说:「我的头啊,我的头啊!」他父亲对仆人说:「把他抱到他母亲那里。」
Dia notrotroin'ilay zatovo izy ka nentiny ho any amin-dreniny, ary nampofoiny izy mandra-pitataovovonan'ny andro, dia maty.
仆人抱去,交给他母亲;孩子坐在母亲的膝上,到晌午就死了。
Ary ravehivavy niakatra ka nampandry azy teo amin'ny fandrian'ilay lehilahin'Andriamanitra, dia narindriny ny trano, ka nivoaka izy.
他母亲抱他上了楼,将他放在神人的床上,关上门出来,
Ary niantso ny vadiny izy ka nanao hoe: Masìna ianao, asaovy misy zatovo anankiray mankaty amiko mitondra borikivavy anankiray, fa handeha faingana ho any amin'ny lehilahin'Andriamanitra aho, dia hiverina indray.
呼叫她丈夫说:「你叫一个仆人给我牵一匹驴来,我要快快地去见神人,就回来。」
Fa hoy ny lahy: Inona no hankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na Sabata tsinona izao? Ary hoy ravehivavy: Ka nahoana aza?
丈夫说:「今日不是月朔,也不是安息日,你为何要去见他呢?」妇人说:「平安无事。」
Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra akory amin'ny fampandehananao azy, raha tsy ampijanoniko ianao.
于是备上驴,对仆人说:「你快快赶著走,我若不吩咐你,就不要迟慢。」
Dia lasa ravehivavy nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan'ny lehilahin'Andriamanitra avy erỳ izy, dia hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry;
妇人就往迦密山去见神人。神人远远地看见她,对仆人基哈西说:「看哪,书念的妇人来了!
masìna ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao: Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara ihany.
你跑去迎接她,问她说:你平安吗?你丈夫平安吗?孩子平安吗?」她说:「平安。」
Ary rehefa tonga tany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.
妇人上了山,到神人那里,就抱住神人的脚。基哈西前来要推开她,神人说:「由她吧!因为她心里愁苦,耶和华向我隐瞒,没有指示我。」
Dia hoy ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy hoy va aho: Aza mamitaka ahy?
妇人说:「我何尝向我主求过儿子呢?我岂没有说过,不要欺哄我吗?」
Ary hoy izy tamin'i Gehazy: Misikina, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin'olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko.
以利沙吩咐基哈西说:「你束上腰,手拿我的杖前去;若遇见人,不要向他问安;人若向你问安,也不要回答;要把我的杖放在孩子脸上。」
Ary hoy ny renin'ny zazalahy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao mihitsy aho. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra nitsangana ka nanaraka azy.
孩子的母亲说:「我指著永生的耶和华,又敢在你面前起誓,我必不离开你。」于是以利沙起身,随著她去了。
Ary Gehazy nialoha azy ka nametraka ny tehina teo amin'ny tavan'ny zazalahy; fa tsy nisy feo na faharenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zazalahy.
基哈西先去,把杖放在孩子脸上,却没有声音,也没有动静。基哈西就迎著以利沙回来,告诉他说:「孩子还没有醒过来。」
Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.
以利沙来到,进了屋子,看见孩子死了,放在自己的床上。
Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah.
他就关上门,只有自己和孩子在里面,他便祈祷耶和华,
Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy.
上床伏在孩子身上,口对口,眼对眼,手对手;既伏在孩子身上,孩子的身体就渐渐温和了。
Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony.
然后他下来,在屋里来往走了一趟,又上去伏在孩子身上,孩子打了七个喷嚏,就睁开眼睛了。
Ary Elisa niantso an'i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao.
以利沙叫基哈西说:「你叫这书念妇人来」;于是叫了她来。以利沙说:「将你儿子抱起来。」
Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.
妇人就进来,在以利沙脚前俯伏于地,抱起她儿子出去了。
Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin'ny tany; ary ny zanakalahin'ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an'ny zanakalahin'ny mpaminany.
以利沙又来到吉甲,那地正有饥荒。先知门徒坐在他面前,他吩咐仆人说:「你将大锅放在火上,给先知门徒熬汤。」
Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin'io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin'ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy nahafantatra.
有一个人去到田野掐菜,遇见一棵野瓜籐,就摘了一兜野瓜回来,切了搁在熬汤的锅中,因为他们不知道是什么东西;
Ka dia noloarany hohanin'ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, misy mahafaty ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina.
倒出来给众人吃,吃的时候,都喊叫说:「神人哪,锅中有致死的毒物!」所以众人不能吃了。
Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin'izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany.
以利沙说:「拿点面来」,就把面撒在锅中,说:「倒出来,给众人吃吧!」锅中就没有毒了。
Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin'ny voaloham-bokatra ho an'ny lehilahin'Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.
有一个人从巴力‧沙利沙来,带著初熟大麦做的饼二十个,并新穗子,装在口袋里送给神人。神人说:「把这些给众人吃。」
Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan'ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain'i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.
仆人说:「这一点岂可摆给一百人吃呢?」以利沙说:「你只管给众人吃吧!因为耶和华如此说,众人必吃了,还剩下。」
Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin'i Jehovah.
仆人就摆在众人面前,他们吃了,果然还剩下,正如耶和华所说的。