II Kings 14

Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda.
以色列王约哈斯的儿子约阿施第二年,犹大王约阿施的儿子亚玛谢登基。
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
他登基的时候年二十五岁,在耶路撒冷作王二十九年。他母亲名叫约耶但,是耶路撒冷人。
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon'i Joasy rainy ihany no nataony.
亚玛谢行耶和华眼中看为正的事,但不如他祖大卫,乃效法他父约阿施一切所行的;
Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
只是邱坛还没有废去,百姓仍在那里献祭烧香。
Ary nony tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
国一坚定,就把杀他父王的臣仆杀了,
Fa ny zanak'ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny olona.
却没有治死杀王之人的儿子,是照摩西律法书上耶和华所吩咐的说:「不可因子杀父,也不可因父杀子,各人要为本身的罪而死。」
Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao amin'ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an'i Sela tamin'ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany.
亚玛谢在盐谷杀了以东人一万,又攻取了西拉,改名叫约帖,直到今日。
Tamin'izany Amazia dia naniraka olona tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, nanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
那时,亚玛谢差遣使者去见耶户的孙子约哈斯的儿子以色列王约阿施,说:「你来,我们二人相见于战场。」
Fa Joasy mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
以色列王约阿施差遣使者去见犹大王亚玛谢,说:「黎巴嫩的蒺藜差遣使者去见黎巴嫩的香柏树,说:将你的女儿给我儿子为妻。后来黎巴嫩有一个野兽经过,把蒺藜践踏了。
Efa namely an'i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
你打败了以东人就心高气傲,你以此为荣耀,在家里安居就罢了,为何要惹祸,使自己和犹大国一同败亡呢?」
Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
亚玛谢却不肯听这话。于是以色列王约阿施上来,在犹大的伯‧示麦与犹大王亚玛谢相见于战场。
Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
犹大人败在以色列人面前,各自逃回家里去了。
Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'i Joasy, zanak'i Ahazia, nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady an-jorony.
以色列王约阿施在伯‧示麦擒住亚哈谢的孙子、约阿施的儿子犹大王亚玛谢,就来到耶路撒冷,拆毁耶路撒冷的城墙,从以法莲门直到角门共四百肘,
Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy.
又将耶和华殿里与王宫府库里所有的金银和器皿都拿了去,并带人去为质,就回撒马利亚去了。
Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'ny heriny sy ny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
约阿施其余所行的事和他的勇力,并与犹大王亚玛谢争战的事,都写在以色列诸王记上。
Ary Joasy lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
约阿施与他列祖同睡,葬在撒马利亚,以色列诸王的坟地里。他儿子耶罗波安接续他作王。
Ary ny andro niainan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahada, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.
以色列王约哈斯的儿子约阿施死后,犹大王约阿施的儿子亚玛谢又活了十五年。
Ary ny tantaran'i Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
亚玛谢其余的事都写在犹大列王记上。
Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany.
耶路撒冷有人背叛亚玛谢,他就逃到拉吉;叛党却打发人到拉吉将他杀了。
Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy.
人就用马将他的尸首驮到耶路撒冷,葬在大卫城他列祖的坟地里。
Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Azaria, izay vao enina ambin'ny folo taona tamin'izay, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.
犹大众民立亚玛谢的儿子亚撒利雅【又名乌西雅】接续他父作王,那时他年十六岁。
Izy no hanamboatra an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka.
亚玛谢与他列祖同睡之后,亚撒利雅收回以拉他仍归犹大,又重新修理。
Tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy.
犹大王约阿施的儿子亚玛谢十五年,以色列王约阿施的儿子耶罗波安在撒马利亚登基,作王四十一年。
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely.
他行耶和华眼中看为恶的事,不离开尼八的儿子耶罗波安使以色列人陷在罪里的一切罪。
Izy no nampody ny sisin-tanin'ny Isiraely ka azony hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny ranomasin'ny tani-hay, araka ny tenin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak'i Amitahy, mpaminany tany Gata-hefera.
他收回以色列边界之地,从哈马口直到亚拉巴海,正如耶和华─以色列的 神借他仆人迦特希弗人亚米太的儿子先知约拿所说的。
Fa efa hitan'i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian'ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory.
因为耶和华看见以色列人甚是艰苦,无论困住的、自由的都没有了,也无人帮助以色列人。
Fa tsy mba nolazain'i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anaran'ny Isiraely; fa ny tànan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, no nentiny namonjy azy.
耶和华并没有说要将以色列的名从天下涂抹,乃借约阿施的儿子耶罗波安拯救他们。
Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa mbamin'izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an'i Damaskosy sy Hamata, izay an'ny Joda fahiny, ho an'ny Isiraely, tsy efa voasoratra ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
耶罗波安其余的事,凡他所行的和他的勇力,他怎样争战,怎样收回大马士革和先前属犹大的哈马归以色列,都写在以色列诸王记上。
Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy.
耶罗波安与他列祖以色列诸王同睡。他儿子撒迦利雅接续他作王。