II Corinthians 10

Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin'ny hamoram-panahy sy ny fandeferan'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.
我保罗,就是与你们见面的时候是谦卑的,不在你们那里的时候向你们是勇敢的,如今亲自借著基督的温柔、和平劝你们。
Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin'ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin'ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.
有人以为我是凭著血气行事,我也以为必须用勇敢待这等人;求你们不要叫我在你们那里的时候,有这样的勇敢。
Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo
因为我们虽然在血气中行事,却不凭著血气争战。
(fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy);
我们争战的兵器本不是属血气的,乃是在 神面前有能力,可以攻破坚固的营垒,
fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy,
将各样的计谋,各样拦阻人认识 神的那些自高之事,一概攻破了,又将人所有的心意夺回,使他都顺服基督。
ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo.
并且我已经预备好了,等你们十分顺服的时候,要责罚那一切不顺服的人。
Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an'i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah'an'i Kristy azy no mah'an'i Kristy anay koa.
你们是看眼前的吗?倘若有人自信是属基督的,他要再想想,他如何属基督,我们也是如何属基督的。
Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin'ny fahefanay izay nomen'i Kristy anay hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho,
主赐给我们权柄,是要造就你们,并不是要败坏你们;我就是为这权柄稍微夸口,也不至于惭愧。
mba tsy hisehoako toy ny ta-hampitahotra anareo amin'ny epistily.
我说这话,免得你们以为我写信是要威吓你们;
Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan'ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.
因为有人说:他的信又沉重又利害,及至见面,却是气貌不扬,言语粗俗的。
Aoka izany olona izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin'ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay.
这等人当想,我们不在那里的时候,信上的言语如何,见面的时候,行事也必如何。
Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan'ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin'ny tenany sy mampitaha ny tenany amin'ny tenanay.
因为我们不敢将自己和那自荐的人同列相比。他们用自己度量自己,用自己比较自己,乃是不通达的。
Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin'ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr'Andriamanitra ho anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo.
我们不愿意分外夸口,只要照 神所量给我们的界限搆到你们那里。
Fa tsy toy izay tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany aminareo aza izahay amin'ny filazantsaran'i Kristy;
我们并非过了自己的界限,好像搆不到你们那里;因为我们早到你们那里,传了基督的福音。
tsy mirehareha tsy amin'ohatra amin'izay nisasaran'ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany
我们不仗著别人所劳碌的,分外夸口;但指望你们信心增长的时候,所量给我们的界限,就可以因著你们更加开展,
ka hitory ny filazantsara amin'ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin'izay efa vonona rahateo ao anatin'ny voafaritra ho an'ny sasany.
得以将福音传到你们以外的地方;并不是在别人界限之内,借著他现成的事夸口。
Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9, 23)
但夸口的,当指著主夸口。
Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.
因为蒙悦纳的,不是自己称许的,乃是主所称许的。