II Chronicles 27

Dimy amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka.
约坦登基的时候年二十五岁,在耶路撒冷作王十六年,他母亲名叫耶路沙,是撒督的女儿。
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay nataon'i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin'ny tempolin'i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany.
约坦行耶和华眼中看为正的事,效法他父乌西雅一切所行的,只是不入耶和华的殿。百姓还行邪僻的事。
Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah sady nandrafitra be tamin'ny mandan'i Ofela koa.
约坦建立耶和华殿的上门,在俄斐勒城上多有建造,
Ary nanao tanàna teny amin'ny tany havoan'i Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an'ala koa izy.
又在犹大山地建造城邑,在树林中建筑营寨和高楼。
Ary niady tamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin'izany taona izany ny taranak'i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan'ny taranak'i Amona ho azy tamin'ny-taona faharoa sy fahatelo koa.
约坦与亚扪人的王打仗胜了他们,当年他们进贡银一百他连得,小麦一万歌珥,大麦一万歌珥;第二年、第三年也是这样。
Ary dia nitombo hery Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.
约坦在耶和华─他 神面前行正道,以致日渐强盛。
Ary ny tantaran'i Jotama sisa mbamin'ny adiny rehetra sy ny fanaony, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany.
约坦其余的事和一切争战,并他的行为,都写在以色列和犹大列王记上。
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
他登基的时候年二十五岁,在耶路撒冷作王十六年。
Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tany an-Tanànan'i Davida izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
约坦与他列祖同睡,葬在大卫城里。他儿子亚哈斯接续他作王。