II Chronicles 10

Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
罗波安往示剑去,因为以色列人都到了示剑,要立他作王。
Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy.
尼八的儿子耶罗波安先前躲避所罗门王,逃往埃及,住在那里;他听见这事,就从埃及回来。
Ary naniraka naka azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
以色列人打发人去请他,他就和以色列众人来见罗波安,对他说:
Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
「你父亲使我们负重轭做苦工,现在求你使我们做的苦工负的重轭轻松些,我们就事奉你。」
Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.
罗波安对他们说:「第三日再来见我吧!」民就去了。
Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
罗波安之父所罗门在世的日子,有侍立在他面前的老年人,罗波安王和他们商议,说:「你们给我出个什么主意,我好回覆这民。」
Dia hoy ireo taminy: Raha ho mora amin'ny vahoaka ianao ka hankasitraka azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
老年人对他说:「王若恩待这民,使他们喜悦,用好话回覆他们,他们就永远作王的仆人。」
Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:
王却不用老年人给他出的主意,就和那些与他一同长大、在他面前侍立的少年人商议,
Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay ?
「说:『这民对我说:你父亲使我们负重轭,求你使我们轻松些』;你们给我出个什么主意,我好回覆他们。」
Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;
那同他长大的少年人说:「这民对王说:『你父亲使我们负重轭,求你使我们轻松些』;王要对他们如此说:『我的小拇指比我父亲的腰还粗;
koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
我父亲使你们负重轭,我必使你们负更重的轭;我父亲用鞭子责打你们,我要用蠍子鞭责打你们。』」
Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin'ny andro fahatelo.
耶罗波安和众百姓遵著罗波安王所说「你们第三日再来见我」的那话,第三日他们果然来了。
Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy
罗波安王用严厉的话回覆他们,不用老年人所出的主意,
ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo.
照著少年人所出的主意对他们说:「我父亲使你们负重轭,我必使你们负更重的轭;我父亲用鞭子责打你们,我要用蠍子鞭责打你们。」
Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin'Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama,zanak'i Nebata.
王不肯依从百姓;这事乃出于 神,为要应验耶和华借示罗人亚希雅对尼八儿子耶罗波安所说的话。
Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida ? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra.
以色列众民见王不依从他们,就对王说:我们与大卫有什么分儿呢?与耶西的儿子并没有关涉!以色列人哪,各回各家去吧!大卫家啊,自己顾自己吧!于是,以色列众人都回自己家里去了。
Fa ny Zanak'isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.
惟独住在犹大城邑的以色列人,罗波安仍作他们的王。
Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak'isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
罗波安王差遣掌管服苦之人的哈多兰往以色列人那里去,以色列人就用石头打死他。罗波安王急忙上车,逃回耶路撒冷去了。
Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.
这样,以色列人背叛大卫家,直到今日。