I Timothy 5

Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy,
不可严责老年人,只要劝他如同父亲;劝少年人如同弟兄;
ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana rehetra.
劝老年妇女如同母亲;劝少年妇女如同姊妹;总要清清洁洁的。
Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.
要尊敬那真为寡妇的。
Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra.
若寡妇有儿女,或有孙子孙女,便叫他们先在自己家中学著行孝,报答亲恩,因为这在 神面前是可悦纳的。
Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an'Andriamanitra ka maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman'alina
那独居无靠、真为寡妇的,是仰赖 神,昼夜不住的祈求祷告。
Fa izay vehivavy manaram-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony.
但那好宴乐的寡妇正活著的时候也是死的。
Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.
这些事你要嘱咐她们,叫她们无可指责。
Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
人若不看顾亲属,就是背了真道,比不信的人还不好,不看顾自己家里的人,更是如此。
Aza soratana ho isan'ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihany
寡妇记在册子上,必须年纪到六十岁,从来只作一个丈夫的妻子,
ary tsara laza amin'ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.
又有行善的名声,就如养育儿女,接待远人,洗圣徒的脚,救济遭难的人,竭力行各样善事。
Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan'i Kristy izy, dia ta-hanam-bady
至于年轻的寡妇,就可以辞她;因为她们的情欲发动,违背基督的时候就想要嫁人。
ka hahazo fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.
她们被定罪,是因废弃了当初所许的愿;
Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an'olona ka manao teny tsy mety.
并且她们又习惯懒惰,挨家闲游;不但是懒惰,又说长道短,好管闲事,说些不当说的话。
Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy.
所以我愿意年轻的寡妇嫁人,生养儿女,治理家务,不给敌人辱骂的把柄。
Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an'i Satana.
因为已经有转去随从撒但的。
Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra ny fiangonana, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa.
信主的妇女,若家中有寡妇,自己就当救济她们,不可累著教会,好使教会能救济那真无倚靠的寡妇。
Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin'ny teny sy ny fampianarana.
那善于管理教会的长老,当以为配受加倍的敬奉;那劳苦传道教导人的,更当如此。
Fa hoy ny Soratra Masina: "Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary ianao" (Deo. 25.4) Ary koa: "Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany" (Lio.10.7).
因为经上说:牛在场上踹谷的时候,不可笼住牠的嘴;又说:工人得工价是应当的。
Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo.
控告长老的呈子,非有两三个见证就不要收。
Izay manota dia anaro eo anatrehan'ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.
犯罪的人,当在众人面前责备他,叫其余的人也可以惧怕。
Mananatra anao mafy aho eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin'ny fiangarana.
我在 神和基督耶稣并蒙拣选的天使面前嘱咐你:要遵守这些话,不可存成见,行事也不可有偏心。
Aza malaky mametra-tanana amin'olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin'ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.
给人行按手的礼,不可急促;不要在别人的罪上有分,要保守自己清洁。
Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.
因你胃口不清,屡次患病,再不要照常喝水,可以稍微用点酒。
Ny fahotan'ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin'ny fitsarana, fa ny an'ny sasany kosa manaraka ato aoriana.
有些人的罪是明显的,如同先到审判案前;有些人的罪是随后跟了去的。
Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.
这样,善行也有明显的,那不明显的也不能隐藏。