I Timothy 4

Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia,
圣灵明说,在后来的时候,必有人离弃真道,听从那引诱人的邪灵和鬼魔的道理。
amin'ny fihatsaram-belatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
这是因为说谎之人的假冒;这等人的良心如同被热铁烙惯了一般。
izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana.
他们禁止嫁娶,又禁戒食物(或作:又叫人戒荤),就是 神所造、叫那信而明白真道的人感谢著领受的。
Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana,
凡 神所造的物都是好的,若感谢著领受,就没有一样可弃的,
satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
都因 神的道和人的祈求成为圣洁了。
Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin'izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an'i Kristy Jesosy, tezaina amin'ny tenin'ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.
你若将这些事提醒弟兄们,便是基督耶稣的好执事,在真道的话语和你向来所服从的善道上得了教育。
Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra.
只是要弃绝那世俗的言语和老妇荒渺的话,在敬虔上操练自己。
Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
操练身体,益处还少;惟独敬虔,凡事都有益处,因有今生和来生的应许。
Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra.
这话是可信的,是十分可佩服的。
Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
我们劳苦努力,正是为此,因我们的指望在乎永生的 神;他是万人的救主,更是信徒的救主。
Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
这些事,你要吩咐人,也要教导人。
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.
不可叫人小看你年轻,总要在言语、行为、爱心、信心、清洁上,都作信徒的榜样。
Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.
你要以宣读、劝勉、教导为念,直等到我来。
Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona.
你不要轻忽所得的恩赐,就是从前借著预言、在众长老按手的时候赐给你的。
Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao.
这些事你要殷勤去做,并要在此专心,使众人看出你的长进来。
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
你要谨慎自己和自己的教训,要在这些事上恒心;因为这样行,又能救自己,又能救听你的人。