I Timothy 1

Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika,
奉我们救主 神和我们的盼望基督耶稣之命,作基督耶稣使徒的保罗,
mamangy an'i Timoty, tena zanako amin'ny finoana: fahasoavana, famindram-po, fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
写信给那因信主作我真儿子的提摩太。愿恩惠、怜悯、平安从父 神和我们主基督耶稣归与你!
Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa,
我往马其顿去的时候,曾劝你仍住在以弗所,好嘱咐那几个人不可传异教,
na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
也不可听从荒渺无凭的话语和无穷的家谱;这等事只生辩论,并不发明 神在信上所立的章程。
Fa ny anton'ny didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,
但命令的总归就是爱;这爱是从清洁的心和无亏的良心,无伪的信心生出来的。
izay nivilian'ny sasany, ka nania ho amin'ny taria foana izy,
有人偏离这些,反去讲虚浮的话,
dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.
想要作教法师,却不明白自己所讲说的所论定的。
Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin'ny olona araka izay antony,
我们知道律法原是好的,只要人用得合宜;
ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,
因为律法不是为义人设立的,乃是为不法和不服的,不虔诚和犯罪的,不圣洁和恋世俗的,弑父母和杀人的,
ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema,
行淫和亲男色的,抢人口和说谎话的,并起假誓的,或是为别样敌正道的事设立的。
araka ny filazantsaran'ny voninahitr'Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.
这是照著可称颂之 神交托我荣耀福音说的。
Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana,
我感谢那给我力量的我们主基督耶稣,因他以我有忠心,派我服事他。
dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana.
我从前是亵渎 神的,逼迫人的,侮慢人的;然而我还蒙了怜悯,因我是不信不明白的时候而做的。
Fa be indrindra ny fahasoavan'ny Tompontsika tamin'ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin'i Kristy Jesosy.
并且我主的恩是格外丰盛,使我在基督耶稣里有信心和爱心。
Mahatoky ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany.
基督耶稣降世,为要拯救罪人。这话是可信的,是十分可佩服的。在罪人中我是个罪魁。
Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.
然而,我蒙了怜悯,是因耶稣基督要在我这罪魁身上显明他一切的忍耐,给后来信他得永生的人作榜样。
Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
但愿尊贵、荣耀归与那不能朽坏、不能看见、永世的君王、独一的 神,直到永永远远。阿们!
Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,
我儿提摩太啊,我照从前指著你的预言,将这命令交托你,叫你因此可以打那美好的仗。
amin'ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian'ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin'ny finoana;
常存信心和无亏的良心。有人丢弃良心,就在真道上如同船破坏了一般。
naman'ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an'i Satana mba hofaizana tsy hiteny ratsy.
其中有许米乃和亚力山大;我已经把他们交给撒但,使他们受责罚就不再谤渎了。