I Samuel 16

Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an'i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan'ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin'i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin'ny zanany Aho.
耶和华对撒母耳说:「我既厌弃扫罗作以色列的王,你为他悲伤要到几时呢?你将膏油盛满了角,我差遣你往伯利恒人耶西那里去;因为我在他众子之内,预定一个作王的。」
Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren'i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho.
撒母耳说:「我怎能去呢?扫罗若听见,必要杀我。」耶和华说:「你可以带一只牛犊去,就说:『我来是要向耶和华献祭。』
Ary antsoy Jese mba ho any amin'ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.
你要请耶西来吃祭肉,我就指示你所当行的事。我所指给你的人,你要膏他。」
Ary Samoela nanao izay nolazain'i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?
撒母耳就照耶和华的话去行。到了伯利恒,那城里的长老都战战兢兢地出来迎接他,问他说:「你是为平安来的吗?」
Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin'ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin'ny fanatitra.
他说:「为平安来的,我是给耶和华献祭。你们当自洁,来与我同吃祭肉。」撒母耳就使耶西和他众子自洁,请他们来吃祭肉。
Ary nony tonga ireo, dia nijery an'i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr'i Jehovah tokoa ity eto anatrehany.
他们来的时候,撒母耳看见以利押,就心里说,耶和华的受膏者必定在他面前。
Fa hoy Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
耶和华却对撒母耳说:「不要看他的外貌和他身材高大,我不拣选他。因为,耶和华不像人看人:人是看外貌;耶和华是看内心。」
Ary Jese niantso an'i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah.
耶西叫亚比拿达从撒母耳面前经过,撒母耳说:「耶和华也不拣选他。」
Ary Jese dia nampandalo an'i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah.
耶西又叫沙玛从撒母耳面前经过,撒母耳说:「耶和华也不拣选他。」
Ary Jese nampandalo fito lahy tamin'ny zanany teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy Samoela tamin'i Jese: Tsy nofidin'i Jehovah ireto.
耶西叫他七个儿子都从撒母耳面前经过,撒母耳说:「这都不是耶和华所拣选的。」
Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.
撒母耳对耶西说:「你的儿子都在这里吗?」他回答说:「还有个小的,现在放羊。」撒母耳对耶西说:「你打发人去叫他来;他若不来,我们必不坐席。」
Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.
耶西就打发人去叫了他来。他面色光红,双目清秀,容貌俊美。耶和华说:「这就是他,你起来膏他。」
Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka tamin'i Davida hatramin'iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.
撒母耳就用角里的膏油,在他诸兄中膏了他。从这日起,耶和华的灵就大大感动大卫。撒母耳起身回拉玛去了。
Fa ny Fanahin'i Jehovah efa niala tamin'i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah nampahatahotra azy.
耶和华的灵离开扫罗,有恶魔从耶和华那里来扰乱他。
Ary hoy ny mpanompon'i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra mampahatahotra anao.
扫罗的臣仆对他说:「现在有恶魔从 神那里来扰乱你。
Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin'ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany ianao.
我们的主可以吩咐面前的臣仆,找一个善于弹琴的来,等 神那里来的恶魔临到你身上的时候,使他用手弹琴,你就好了。」
Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etỳ amiko.
扫罗对臣仆说:「你们可以为我找一个善于弹琴的,带到我这里来。」
Dia namaly ny anankiray amin'ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin'ny zanak'i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
其中有一个少年人说:「我曾见伯利恒人耶西的一个儿子善于弹琴,是大有勇敢的战士,说话合宜,容貌俊美,耶和华也与他同在。」
Ary Saoly dia naniraka tany amin'i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay miandry ondry.
于是扫罗差遣使者去见耶西,说:「请你打发你放羊的儿子大卫到我这里来。」
Ary Jese naka mofo tokony ho zakan'ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak'osy, ka nampitondrainy an'i Davida zanany ho an'i Saoly ireo.
耶西就把几个饼和一皮袋酒,并一只山羊羔,都驮在驴上,交给他儿子大卫,送与扫罗。
Ary Davida tonga tany amin'i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany.
大卫到了扫罗那里,就侍立在扫罗面前。扫罗甚喜爱他,他就作了扫罗拿兵器的人。
Ary Saoly naniraka tany amin'i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy.
扫罗差遣人去见耶西,说:「求你容大卫侍立在我面前,因为他在我眼前蒙了恩。」
Ary raha nisy fanahy avy tany amin'Andriamanitra tonga tao amin'i Saoly, dia noraisin'i Davida ny lokanga ka notendren'ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.
从 神那里来的恶魔临到扫罗身上的时候,大卫就拿琴,用手而弹,扫罗便舒畅爽快,恶魔离了他。