I Samuel 14

Ary tamin'ny indray andro dia hoy Jonatana, zanak'i Saoly, tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ny Filistina izay erỳ an-dafy erỳ. Nefa tsy nilaza tamin-drainy izy.
有一日,扫罗的儿子约拿单对拿他兵器的少年人说:「我们不如过到那边,到非利士人的防营那里去。」但他没有告诉父亲。
Ary Saoly nitoetra tao an-tsisin'i Gibea teo ambanin'ny hazo ampongabendanitra any Migrona; ary ny vahoaka teo aminy dia tokony ho enin-jato lahy;
扫罗在基比亚的尽边,坐在米矶崙的石榴树下,跟随他的约有六百人。
ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak'i Ahitoba, rahalahin'i Ikaboda, zanak'i Finehasa, zanak'i Ely, mpisoron'i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana.
在那里有亚希突的儿子亚希亚,穿著以弗得。(亚希突是以迦博的哥哥,非尼哈的儿子,以利的孙子。以利从前在示罗作耶和华的祭司。)约拿单去了,百姓却不知道。
Ary teo an-daniny roa teo an-tenatenan'ny hadilanana izay nitadiavan'i Jonatana hankanesana ao amin'ny miaramilan'ny Filistina dia nisy harambato kitso loha: ny anaran'ny anankiray dia Bozeza, ary ny anaran'ny anankiray kosa Sene.
约拿单要从隘口过到非利士防营那里去。这隘口两边各有一个山峰,:一名播薛,一名西尼;
Ny iray amin'ireo harambato ireo dia nijoro avo teo andaniny avaratra manandrify an'i Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an'i Gibea.
一峰向北,与密抹相对,一峰向南,与迦巴相对。
Ary hoy Jonatana tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an'i Jehovah tsy hamonjy, na amin'ny maro, na amin'ny vitsy.
约拿单对拿兵器的少年人说:「我们不如过到未受割礼人的防营那里去,或者耶和华为我们施展能力;因为耶和华使人得胜,不在乎人多人少。」
Dia hoy kosa ny mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa ihany; indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao.
拿兵器的对他说:「随你的心意行吧。你可以上去,我必跟随你,与你同心。」
Ary hoy Jonatana: Indro, handroso ho amin'ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.
约拿单说:「我们要过到那些人那里去,使他们看见我们。
Ary raha hoy izy: Andraso mandra-pahatonganay any aminareo, dia hitoetra ao amin'izay itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy.
他们若对我们说:『你们站住,等我们到你们那里去』,我们就站住,不上他们那里去。
Fa raha hoy kosa izy: Miakara etỳ aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika.
他们若说:『你们上到我们这里来』,这话就是我们的证据;我们便上去,因为耶和华将他们交在我们手里了。」
Dia niseho tamin'ny miaramilan'ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny.
二人就使非利士的防兵看见。非利士人说:「希伯来人从所藏的洞穴里出来了!」
Ary ny miaramila namaly an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara etỳ aminay, dia hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Isiraely izy.
防兵对约拿单和拿兵器的人说:「你们上到这里来,我们有一件事指示你们。」约拿单就对拿兵器的人说:「你跟随我上去,因为耶和华将他们交在以色列人手里了。」
Ary Jonatana nananika, nandady tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny fiadiany. Dia lavo teo anatrehan'i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono teo aoriany.
约拿单就爬上去,拿兵器的人跟随他。约拿单杀倒非利士人,拿兵器的人也随著杀他们。
Ary tokony ho roa-polo lahy no matiny aloha, izay novonoin'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany tao anatin'ny tany tokony ho antsasaky ny vavasa iray akera.
约拿单和拿兵器的人起头所杀的约有二十人,都在一亩地的半犁沟之内。
Koa nisy hovitra tao amin'ny toby tany an-tsaha sy tamin'ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin'ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin'Andriamanitra.
于是在营中、在田野、在众民内都有战兢,防兵和掠兵也都战兢,地也震动,战兢之势甚大。
Ary ny mpitilin'i Saoly ao Gibean'ny Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny vahoaka sady nifanaritaka be ihany.
在便雅悯的基比亚,扫罗的守望兵看见非利士的军众溃散,四围乱窜。
Ary hoy Saoly tamin'ny olona teo aminy: Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
扫罗就对跟随他的民说:「你们查点查点,看从我们这里出去的是谁?」他们一查点,就知道约拿单和拿兵器的人没有在这里。
Dia hoy Saoly tamin'i Ahia: Ento etỳ ny fiaran'Andriamanitra (fa teo amin'ny Zanak'Isiraely ny fiaran'Andriamanitra fahizany).
那时 神的约柜在以色列人那里。扫罗对亚希亚说:「你将 神的约柜运了来。」
Ary raha Saoly mbola niresaka tamin'ny mpisorona, dia nandroso sy nitombo ny tabataba terỳ an-tobin'ny Filistina. Ary hoy Saoly tamin'ny mpisorona: Aoka ihany.
扫罗正与祭司说话的时候,非利士营中的喧嚷越发大了;扫罗就对祭司说:「停手吧!」
Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin'ny ady izy, ary indreo ny Filistina nifamely tamin'ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany.
扫罗和跟随他的人都聚集,来到战场,看见非利士人用刀互相击杀,大大惶乱。
Ary ny Hebreo izay teo amin'ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy ho any an-toby avy tamin'ny tany manodidina dia nikambana tamin'ny Isiraely izay teo amin'i Saoly sy Jonatana koa.
从前由四方来跟随非利士军的希伯来人现在也转过来,帮助跟随扫罗和约拿单的以色列人了。
Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay niery tany amin'ny tany havoan'i Efraima, raha nandre ny nandosiran'ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin'ny ady.
那藏在以法莲山地的以色列人听说非利士人逃跑,就出来紧紧地追杀他们。
Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin'izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady.
那日,耶和华使以色列人得胜,一直战到伯‧亚文。
Ary ory ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza.
扫罗叫百姓起誓说,凡不等到晚上向敌人报完了仇吃什么的,必受咒诅。因此这日百姓没有吃什么,就极其困惫。
Ary ny olona rehetra amin'ny tany dia niditra ny ala; ary nisy tantely teny ambonin'ny tany.
众民进入树林,见有蜜在地上。
Ary rehefa tonga teo anaty ala ny olona, indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy olona sahy nanainga ny tànany ho amin'ny vavany, fa natahotra ny fianianana izy.
他们进了树林,见有蜜流下来,却没有人敢用手取蜜入口,因为他们怕那誓言。
Fa Jonatana kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-tànany ka natsobony teo amin'ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny tànany, ka dia nazava ny masony.
约拿单没有听见他父亲叫百姓起誓,所以伸手中的杖,用杖头蘸在蜂房里,转手送入口内,眼睛就明亮了。
Ary nisy olona anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny olona.
百姓中有一人对他说:「你父亲曾叫百姓严严地起誓说,今日吃什么的,必受咒诅;因此百姓就疲乏了。」
Dia hoy Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin'ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he! izato fahazavan'ny masoko tamin'ilay nanandramako kely tamin'ity tantely ity.
约拿单说:「我父亲连累你们了。你看,我尝了这一点蜜,眼睛就明亮了。
Ka mainka fa raha navela hihinanan'ny olona ny babo azony tamin'ny fahavalony, tsy ho nahafatesana be lavitra va ny Filistina?
今日百姓若任意吃了从仇敌所夺的物,击杀的非利士人岂不更多吗?」
Ary izy ireo namely ny Filistina tamin'izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona.
这日,以色列人击杀非利士人,从密抹直到亚雅崙。百姓甚是疲乏,
Dia nanaovan'ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby izy, dia namono azy teo amin'ny tany, ka dia nohanin'ny olona mbamin'ny ràny.
就急忙将所夺的牛羊和牛犊宰于地上,肉还带血就吃了。
Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin'ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe etỳ amiko anio.
有人告诉扫罗说:「百姓吃带血的肉,得罪耶和华了。」扫罗说:「你们有罪了,今日要将大石头滚到我这里来。」
Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin'ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin'i Jehovah amin'ny fihinanana zavatra mbamin'ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin'izany alina izany ka namono azy teo.
扫罗又说:「你们散在百姓中,对他们说,你们各人将牛羊牵到我这里来宰了吃,不可吃带血的肉得罪耶和华。」这夜,百姓就把牛羊牵到那里宰了。
Ary Saoly nanao alitara ho an'i Jehovah; io no alitara voalohany naoriny ho an'i Jehovah.
扫罗为耶和华筑了一座坛,这是他初次为耶和华筑的坛。
Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan'ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an'Andriamanitra etoana.
扫罗说:「我们不如夜里下去追赶非利士人,抢掠他们,直到天亮,不留他们一人。」众民说:「你看怎样好就去行吧!」祭司说:「我们先当亲近 神。」
Ary Saoly nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan'ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr'iny.
扫罗求问 神说:「我下去追赶非利士人可以不可以?你将他们交在以色列人手里不交?」这日 神没有回答他。
Ary hoy Saoly: Manatona etỳ, ianareo loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay nahatonga izao fahotana androany izao?
扫罗说:「你们百姓中的长老都上这里来,查明今日是谁犯了罪。
Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin'i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.
我指著救以色列─永生的耶和华起誓,就是我儿子约拿单犯了罪,他也必死。」但百姓中无一人回答他。
Dia hoy kosa izy tamin'ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ataovy izay sitrakao.
扫罗就对以色列众人说:「你们站在一边,我与我儿子约拿单也站在一边。」百姓对扫罗说:「你看怎样好就去行吧!」
Dia hoy Saoly tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy Saoly no notànany, fa afaka ny olona.
扫罗祷告耶和华─以色列的 神说:「求你指示实情。」于是掣籤掣出扫罗和约拿单来;百姓尽都无事。
Ary hoy Saoly; Manaova filokana ny amiko sy Jonatana zanako. Ary Jonatana no notànany.
扫罗说:「你们再掣籤,看是我,是我儿子约拿单」,就掣出约拿单来。
Dia hoy Saoly tamin'i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin'ny tendron'ny tehina tetỳ an-tanako aho, ary, indro, tsy maintsy ho faty aho.
扫罗对约拿单说:「你告诉我,你做了什么事?」约拿单说:「我实在以手里的杖,用杖头蘸了一点蜜尝了一尝。这样我就死吗(或译:吧))?」
Dia hoy Saoly: Hataon'Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana.
扫罗说:「约拿单哪,你定要死!若不然,愿 神重重地降罚与我。」
Fa hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin'ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany, fa niara-niasa tamin'Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an'i Jonatana, ka dia tsy maty izy.
百姓对扫罗说:「约拿单在以色列人中这样大行拯救,岂可使他死呢?断乎不可!我们指著永生的耶和华起誓,连他的一根头发也不可落地,因为他今日与 神一同做事。」于是百姓救约拿单免了死亡。
Ary Saoly niakatra rehefa avy nanenjika ny Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa nankany amin'ny taniny.
扫罗回去,不追赶非利士人;非利士人也回本地去了。
Ary Saoly nahazo ny fanjakan'Isiraely ary niady tamin'ny fahavalony rehetra manodidina, dia tamin'ny Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan'i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.
扫罗执掌以色列的国权,常常攻击他四围的一切仇敌,就是摩押人、亚扪人、以东人,和琐巴诸王,并非利士人。他无论往何处去,都打败仇敌。
Ary namory miaramila izy, dia namely ny Amalekita ka namonjy ny Isiraely tamin'ny tànan'izay namaboazy.
扫罗奋勇攻击亚玛力人,救了以色列人脱离抢掠他们之人的手。
Ary izao no zanakalahin'i Saoly: Jonatana sy Jisvy sy Malkisoa; izao kosa no anaran'ny zananivavy roa: ny anaran'ny vavimatoa Meraba, ary ny anaran'ny faravavy Mikala.
扫罗的儿子是约拿单、亦施韦、麦基舒亚。他的两个女儿:长女名米拉,次女名米甲。
Ary ny anaran'ny vadin'i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin'i Ahimaza: ary ny anaran'ny komandin'ny miaramilany dia Abnera, zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly.
扫罗的妻名叫亚希暖,是亚希玛斯的女儿。扫罗的元帅名叫押尼珥,是尼珥的儿子;尼珥是扫罗的叔叔。
Ary Kisy no rain'i Saoly; ary Nera, rain'i Abnera, dia zanak'i Abiela.
扫罗的父亲基士,押尼珥的父亲尼珥,都是亚别的儿子。
Ary mafy ny ady tamin'ny Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan'i Saoly, dia nalainy ho azy.
扫罗平生常与非利士人大大争战。扫罗遇见有能力的人或勇士,都招募了来跟随他。